FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny alahady 19 jolay 2009 – Izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra

Toriteny alahady 19 jolay 2009 – Izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra

Publié le 22 juillet 2009 à 12:07

Mbola ampitomboin’Andriamanitra amintsika anie ry havana, ny fahasoavana amam-piadanana avy Aminy.

Ny tenin’Andriamanitra izay angalantsika fampianarana amin’ity alahady maraina ity dia hitantsika ao amin’ny filazantsara araka ny Lioka 18, 9-14 :

« Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin’ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa : Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan’ny tempoly hivavaka: ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.

Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.

Mifady indroa isan-kerinandro aho, mandoa ny fahafolon-karena amin’izay azoko rehetra aho.

Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.

Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra. »

Ny lohahevitra izay hanompanana izany tenin’Andriamanitra izany dia ny lohahevitra izay banjinin’ny FJKM amin’ity volana Jolay ity manao hoe : « Marina amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra ny mpino ».

Fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra

Maro karazana tokoa ry havana ireo fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra : ao ny mifandray Aminy eny an-tampon-tendrombohitra maro samihafa, indrindra fa raha eto Madagasikara no jerena manokana. Fa ho an’ny mpino kristianina kosa dia mazava tsara ny fifandraisany amin’Andriamanitra, ary hampifintinina amin’ny fomba roa monja izany fifandraisan’ny kristianina amin’Andriamanitra izany.

1) Ny famakiana sy fandinihina ny teniny, izay hitaoman’Andriamanitra ny olony mba hitombo amin’izany fandinihina ny teniny izany ka ilazany hoe : « Dinihinareo ny Soratra Masina satria ataonareo fa ao Aminy no hanananareo fiainana mandrakizay ary ireny no manambara Ahy ».

2) Ny vavaka araka izay ahitantsika azy amin’ ity Lioka 18 ity, izay fanoharana nataon’i Jesoa Kristy ho fampianarana ny olona mba hitombo ho amin’ny tsaratsara kokoa amin’ izany fifandraisany amin’Andriamanitra amin’ny alàlan’ ny fiainam-bavaka izany. Hita eto amin’ity fanoharan’ i Jesoa Kristy ity ry havana ireo karazan’olona roa izay samy nanantanteraka izany vavaka izany teo anatrehan’Andriamanitra dia ilay Fariseo sy ilay Mpamory hetra. Ny vavaky ny Fariseo izay miompana indrindra tamin’ny fanasoasoana sy fiderana ny tenany ho nahavita be teo anatrehan’Andriamanitra ka nahatonga azy nanameloka ny hafa.

Fa ilay mpamory hetra kosa dia niafy tamim-panetren-tena teo anatrehan’Andriamanitra indrindra teo amin’ny maha-mpanota azy.

Koa iza tamin’izy roa lahy ireo àry no nahazo ny fanamarinan’Andriamanitra ? Ny vavaka fanandrantan-tena nataon’ilay Fariseo izay nitondra ho amin’ny fanamelohan’Andriamanitra.

Tsara ry havana ny ahafantarana ny hampahany momba ny Fariseo araka ireo tahirin-kevitra samihafa.

Ny mpamory hetra

Ny mpamory hetra dia antoko fivavahana antsoina hoe Fitaka, ary tamin’ny andron’i Jeso dia nahatratra teo amin’ny enina arivo teo ho eo ny isany, nisy tamin’izy ireo mpanoratra, tao amin’izy ireo ihany koa ny mpampiana-dalàna, ary ny sasantsasany tamin’izy ireo dia mpisorona

Ny Fariseo

Raha ny dikan’ny hoe Fariseo kosa indray dia voasaraka : ny antony nandraisan’ny Fariseo ity anarana ity dia satria niavaka tamin’ny be sy ny maro izy, ka nikendry fanamasinan-tena ambony sy nitandrina mafy ny lalàm-pihavanana, izay nampiavaka indrindra ny Fariseo dia ny fifadian-kanina sy ny fomba amam-panao amin’ny vavaka, ka iny fahazotoana nivavaka tamin’Andriamanitra teo imason’ny olona tao amin’ny Sinagoga sy teny an-dàlana mba hankalazan’ny olona azy.

Toy izany koa ny fitondrana ny filafin-kery izay nisy ny tenin’Andriamanitra ka nofeheziny teo amin’ny handriny izany, teo anelanelan’ny masony roa sy teo amin’ny ilan-tsasany ankavia akaikin’ny fo, ary teny amin’ny sandriny ankavia sy ny maro hafa koa.

Natao izany rehetra izany ry havana ho filan-dera amin’ny olona sy ho fisehoana ety ivelany fotsiny ihany. Miankina amin’ny fomba arahina sy ny fahavoazan’ny fitondran-tenany ivelany no hireharehany fatratra, fa ny hatsaram-panahy sy ny famindram-po ary ny finoana izay tena fototra telo manorina ny fiainam-bavaka dia nariany tanteraka.

Izany indrindra no nahatonga an’i Jesoa Kristy hiteny mafy ireo Fariseo ireo. Marihina anefa ry havana fa tsy ny Fariseo rehetra no ratsy avokoa satria nisy tokoa ny Fariseo izay marina sy tsara fanahy, ary nazoto nitandrina tao am-pony ny lalàn’Andriamanitra ka niezaka nanatanteraka izany tamin’ny tsy fihatsaram-belatsy ary anisan’ireny i Nekodemosy.

Tsy misy ilay fibanjinana sy fifantohana marina amin’ilay Andriamanitra ivavahana satria nifantoka tanteraka tamin’izay fandokafan-tena sy fanatsaran-tena ilay Fariseo, ny fibanjinana sy ny fifantohana amin’Andriamanitra izay toetra fototra voalohany takiana amin’ireo olo-mivavaka amin’ilay fifandraisana amin’Andriamanitra.

Vavaky ny fariseo

Manana ny lanjany manokana eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra ity vavaka fibanjinana sy fifantohana Aminy ity, izay mitarika ny Kristianina ho amin’ny fandinihan-tena ka tsy maintsy hametrahany fanontaniana manao hoe : « Ny toe-poko sy ny toe-tsaiko ary izay rehetra nataoko ve mifanaraka amin’ilay fahamasinan’Andriamanitra izay manatrika ahy ? »

Ny fandinihan-tena izay toetra fototra faharoa takiana amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra izay tsy nataon’ity Fariseo ity mihitsy satria nifanohitra tamin’izay ny nataony. Nandinika ny hafa sy nanameloka ny hafa ny nataony, hoy izy manao hoe :

« Tsy mba tahaka ny olona sasany izay mpanao an-keriny sy tsy marina, mpijangajanga, eny fa na dia io mpamory hetra io aza ».

Izany hoe izy no tena tonga lafatra, izy no tsy misy kianina, ary ny tena mampalahelo àry eto ry havana dia naka ny toeran’Andriamanitra mihitsy ity Fariseo ity satria hitsara ny hafa, tsy manana fahefana hitsara ny olombelona fa an’Andriamanitra ny fitsarana, ary Andriamanitra Ray aza dia efa nanome izany fahefam-pitsaràna izany amin’i Jesoa Kristy Zanany hoy ny tenin’Andriamanitra ny amin’izany. Ary nomeny fahefàna hitsara Izy satria Zana-tiany.

Raha fintinina izany dia niaina tamin’ny fahambonian-tena tanteraka ilay Fariseo ary niharan’ilay fanamelohan’Andriamanitra .

Kristianina fariseo

Manoloana izany tenin’Andriamanitra izany ry hava-malala ao amin’ny Tompo dia tsy maintsy manontany tena koa isika Kristianina tsirairay ankehitriny manao hoe :

« Mbola misy amin’izao taon-jato iainantsika izao ve ny Kristianina Fariseo ? »

Ary ireto teboka efatra ireto no ahazoantsika mamaly izany fanontaniana izany :

1 – raha mbola misy amintsika ireto, Kristianina mpanamarin-tena eo anatrehan’Andriamanitra dia mbola misy ny Kristianina Fariseo,

2 – raha mbola misy Kristianina manota mandrakariva mitsidika ahy eo imason’ny Kristianina namany, fa tsy mahita ilay Avo eo amin’ny masony dia mbola misy ny Kristianina Fariseo,

3 – raha mbola misy Kristianina manao zinona amin’ny fandinihan-tena, izay fototry ny fandrosoana ara-panahy dia mbola misy ny Kristianina Fariseo,

4 – raha mbola misy kristianina tsy tompon’andraikitra amin’ny fampandrosoana ny tenany ara-panahy, dia mbola misy ny Kristianina Fariseo.

Raha sanatria ka misy manana izany toetra izany amintsika, izay mandre izany tenin’Andriamanitra izany ankehitriny dia lakolosy manainga antsika izany tenin’Andriamanitra izany, mba hiverina sy hibebaka Aminy ka ahazoantsika indray ilay « fifandraisana vaovao » amin’Andriamanitra izay Tompontsika sady Tompointsika, vavaka fanetren-tena izay nataon’ilay mpamory hetra izay nitondra ho amin’ny fanamarinanan’Andriamanitra.

Vavaky ny mpamory hetra

Raha izay àry ry havana ny fomba fivavak’ilay Fariseo, mba nanahoana kosa indray ny an’ilay mpamory hetra? Ny Mpamory hetra dia anisan’ireo izay voasokajy ao anatin’ny mpanota, ary araka ny filazantsaran’ i Matio dia mitovy lenta amin’ny mpivaro-tena mihitsy ny mpamory hetra, hoy Jesoa:

« Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra ».

Teo amin’ny asan’ny fitakian-ketran’izy ireo tokoa mantsy dia nety nisy ny fanararaotana mihoa-pàmpana nataon’izy ireo. Izany indrindra no nahatonga an’i Jaona mpanao batisa niteny tamin’izy ireo raha nandre ny fampibebahana ka nanontany azy manao hoe:

 » Inona no ataonay? », hoy ny valin-tenin’i Jaona mpanao batisa tamin’izy ireo manao hoe:

 » Aza mampandoha mihoatra izay notendrena alainareo ».

Zakaiosy koa raha nandray an’i Kristy dia nibebaka ka niteny tamin’i Jesoa hoe :

 » Tompoko, raha nisy zavatr’olona nalaiko tamin’ny fanambakàna dia honerako avo efatr’eny izany ».

Fa raha ity mpamory hetra manoloana antsika eto ity kosa no jerena sy dinihina dia hita fa mahafeno ilay fepetra ifandraisana amin’Andriamanitra izy satria,

1 – niditra tany anatin’ilay fo lalina izy, izany hoe tsy variana tamin’ny zavatra ivelam-belany fa tafiditra tao amin’ilay fo lalina izay ifandraisana amin’Andriamanitra.

Mahatsiaro ho torotoro fo teo anatrehan’Andriamanitra, manoloana ny fahotana vitany, hoy ny mpanao Salamo manao hoe :

« Ny fo torotoro sy mangorakoraka Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona »

2 – nahafantatra tsara ny toerana nisy azy ity mpamory hetra ity, manoloana ilay fahamasinan’Andriamanitra, ary manoloana izany fahamasinan’Andriamanitra izany indrindra dia fantany sy tsapany fa ny famaizan’Andriamanitra irery ihany no mendrik’azy, noho ny ota izay nataony.

3 – mahafantatra tsara ny ratsy rehetra nataony ity mpamory hetra ity, ka nalahelo am-panahy sy ory ary nanenina noho ny ota nataony, nalahelo am-panahy, araka ilay fampianarana nataon’i Jesoa voalohany voarakitra an-tsoratra ary mety izany koa no lehibe indrindra tamin’ny fampianarana rehetra nataon’i Jesoa satria tsy afaka hiditra any amin’ny fanjakan’ny lanitra mantsy ny olona raha tsy malahelo am-panahy.

4 – manana fanetren-tena ity mpamory hetra ity, dia ny fanetren-tena izay mamintina ireo fepetra rehetra takiana amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, ity mpamory hetra ity dia nahatsapa fa tsy mendrika ny hibanjina sy hifanatrika amin’Andriamanitra akory, nijanona teny lavitra teny izy, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory fa niteha-tratra ka nanao hoe:  » Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota »

Nefa manana io fanetren-tena io ry havana, no ahafantaran’ny tena kristianina marina ny elanelany misy aminy sy Andriamanitra, ny fanafoanan-tena irery ihany anefa no ahazoana izany toetry ny fanetren-tena izany. Ny fanetren-tena no anisan’ny tena lesona goavana azo tsoahina sy ampitaina amintsika tsirairay amin’izao fanoharana nataon’i Kristy izao.

Ny fanetren-tena irery ihany no ahazoantsika mifandray marina amin’Andriamanitra

Izany no anisan’ny lalàna fototra mifehy ny fifandraisana amin’Andriamanitra, avy amin’ny alàlan’ny fanetren-tena irery ihany no ahazoantsika mifandray marina amin’Andriamanitra ka ahafahana mamboraka Aminy indray izay rehetra nataontsika, indrindra fa izay rehetra nataontsika ota, eny fa na dia izay heverintsika ho ota mahatsiravina aza, izany otantsika.

Izany indrindra ry havana no nahatongavan’i Jesoa Kristy tety amin’izao tontolo izao, satria hoy izy amintsika tsirairay manao hoe:  » Fa tsy tonga tsy hiantso ny marina Aho fa ny mpanota ».

Koa aoka isika kristianina hahay hanararaotra izany famindrampon’Andriamanitra izany satria mbola tsy tara isika. Jesoa Kristy no mpampianatra sy modely ho antsika, ary anisan’ny namonjeny izao tontolo izao ny fanetren-tena nanànany.

Hoy ny fijoroana vavolombelona nataon’i Paoly ny amin’ny fanetren-tenan’i Kristy manao hoe:  » Aoka ho aminareo izao saina izao, izay tao amin’i Kristy Jesoa koa izay na dia manana ny endrik’Andriamanitra aza dia nataony ho zavatra ho fikiriny mafy ho fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany tamin’ny nakàny ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona. »

Mitaonantsika koa izany tenin’Andriamanitra izany ry havana, handroso sy hanatsara bebe kokoa hatrany ny fiainam-bavaka ataontsika isan’andro.

Raha fintinina àry izay voalaza ry havana dia tsy zavatra mandeha hoazy akory ny fifandraisana amin’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny vavaka, indraindray kosa mantsy isika kristianina dia alaim-panahy hiteny amin’ireo izay heverintsika ho « zaza vao » amin’ny finoana manao hoe: Ny vavaka ve tsy ho hay? Izany ve ny vavaka mba atao?…

Isika kristianina zatra mivavaka indrindra ry havana no tsy maintsy mianatra voalohany indrindra amin’i Jesoa. Raha te hitombo amin’izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany isika, mianatra an’ity mpamory hetra ity isika, raha ny fifandraisan’ny olona samy olona aza misy lalàna mifehy azy, ary ireo olona mandalina manokana momba ny fifandraisana dia mahafantatra tsara ireo pitsopitsony rehetra mifehy izany fifandraisana izany, maika ny fifandraisana amin’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny vavaka?

Ny lohahevitra banjinin’ny FJKM mandritra ity volana Jolay ity dia ny manao hoe  » Marina amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra ny mpino ». Andriamanitra tokoa mantsy ry havana dia tsy azontsika hanaovana fangalam-piery na fihatsaram-belatsy, satria izy no mpamorona antsika ka mahafantatra amin’ny atsipirihiny ny fiainantsika Izy, eny fa na hatramin’ny aty fo lalinantsika aza dia fantany avokoa manoloana ny vavaka ataontsika Izy.

Manaiky ny fitarihan’ny Fanahy Masina isika eo amin’ny famantarana ilay toe-po sy toe-tsaina ary ny vavaka izay atao. Manaiky ihany koa isika hanafoana ny tena eo anatrehan’Andriamanitra tahaka izay nataon’i Kristy.

Tsy ny titre no mendrika eo anatrehan’Andriamanitra, tsy ny maha masera, tsy ny maha pasitera, tsy ny maha diakona, tsy ny maha kristianina sns… tsy maintsy foanana avokoa ireny rehetra ireny rehefa manatrika an’Andriamanitra isika.

Ankoatran’i Jesoa Kristy izay ohatra velona tsy misy kianina amin’izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany ry havana dia manome fampianarana ho antsika koa ireo olom-bavaka telo mirahalahy izay hita amin’ireo perikopa telo voalahatra amin’ity andro androany ity dia

– ny mpamory hetra

– teo i Kornely izay jentilisa anefa natahotra an’Andriamanitra ary nanehoan’Andriamanitra ny fahasoavany izy sy ny ankohonany,

– tao koa i Samoela izay tena olom-bavaka izay nivavaka ho an’ny vahoakan’Andriamanitra, ary noho ny vavaka nataon’i Samoela ry havana no tena nahavoavonjy ny Israely tamin’ny fahavalony.

Izany tenin’Andriamanitra izany ry hava-malala dia manasa sy mitaona anao, manasa sy mitaona antsika rehetra hanarina sy handroso bebe kokoa amin’ilay fifandraisana marina amin’Andriamanitra, ary Izy ihany anie no hampahery antsika ka ahazoantsika hery vaovao indray hitombona amin’ilay fifandraisan’Aminy mba ho voninahiny irery ihany.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra. Amen.

Sary nalaina tao amin’ny http://www.carm.org/christianity/miscellaneous-topics/pharisee-time-christ


Lire aussi

25/09/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jesoa Kristy manome fahefaha izay olona irahiny

Alahady 25 septambra 2022, handinihina farany ny lohahevitra hoe « Mikeleza aina amin’ny asa fitoriana« , hitondrana am-bavaka ny FFP na Fikarohana sy Fandalinam-pinoana. Ny mpitandrina Ranaivoson Bodo Hanitriniaina no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Matio 10 : 1-10  » 1Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka

18/09/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Tanteraho ny fanompoanao

Alahady 18 septambra 2022, mbola andinihantsika ny lohahevitra hoe « Mikeleza aina amin’ny asa fitoriana », alahady nanatanterahan’ny antoko mpihira Antsan’Ambavahadimitafo ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina Randrianasolo Elinah avy ao @ FJKM Ampasimpotsy Betela no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny 2Timoty 4 : 1-8  » 1Eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary

11/09/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa Aho

Alahady 11 septambra 2022, mbola andinihina ny lohahevitra amin’ity volana ity manao hoe « Mikeleza aina @ asa fitoriana », hitondrana ny Sampan’asa Fitoriana ny filazantsara. Ny mpitandrina Ramangarivo Zoly no nitondra ny hafatry ny Tompo avy ao amin’ny Lioka 4 : 43 :  » Nefa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny

04/09/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mikeleza aina @ asa fitoriana

Alahady 04 septambra 2022 andinihina lohahevitra vaovao amin’ity volana ity « Mikeleza aina @ asa fitoriana« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 10:1-7 « 1Ary nony afaka izany, ny Tompo nanendry olona hafa koa, dia fito-polo lahy, ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay

28/08/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mitafia fanetre-tena, aza manahy ary tohero ny devoly

Alahady 28 aogositra 2022, andinihina farany amin’ity volana ity ny lohahevitra hoe « Tano mafy ny finoana »; ka nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny IPetera 5 : 5-9 « Ary ianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikina fanetren-tena ianareo ka mifanompoa; fa « Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome

21/08/2022 A la une

Jesoa mampianatra ny olona handinin-tena

Alahady 21 jona 2022, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Tano mafy ny finoana« . Ny mpitandrina mpiomana taona faha-5 Randriambola Vonjy Arison no nitondra ny hafatr’Andriamanitra nalaina avy ao amin’ny Jaona 10:31-42 : « 31Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy. 32Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin’ny Ray; koa ny

14/08/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jehovah, Izy no Andriamanitra

Alahady 14 Aogositra 2022, alahadin’ny martiora, mbola andinihantsika FJKM ny lohahevitra hoe « Tano mafy ny finoana« . Ny mpitandrina miza-draharaha Rambinintsoa Onja no nitory ny tenin’Andriamanitra avy ao amin’ny 1Mpanjaka 18;21-39 : «  21Ary dia nankeo amin’ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina hianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha

07/08/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fiajaliany

Alahady 07 Aogositra 2022 hibanjnana lohahevitra vaovao indray : « Tano mafy ny finoana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 8; 34b « Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fiajaliany ka hanaraka Ahy« . Manasa anao hiombona @ fotoam-pivavahana :

31/07/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Iorenana @ finoana ny fanompoana

« Iorenana amin’ny finoana ny fanompoana »; izany no lohahevitra nobanjinina tamin’ny Alahady 31 Jolay 2022 teto @ FJKM Ambavahadimitafo itondrana ambavaka ny toeram-panomanana mpitandrina sy mpampianatra. Alahady niombonana ihany koa tamin’ny fiangonana miara-mandroso, dia ny FJKM Mandraka izay nitondran’ny mpitandrina Razafindramanga Eliarivelo ny hafatr’Andriamanitra. Andeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :

24/07/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Maty ny finoana raha tsy misy asa

Alahady 24 Jolay 2022, mbola hibanjinina ny lohahevitra hoe « Iorenana @ finoana ny fanompoana« . Ny mpitandrina miza-draharaha Rambinintsoa Onja no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Jakoba 2 : 21-26 « 21Tsy nohamarinina tamin’ny asa va Abrahama razantsika tamin’ny nanaterany an’Isaka zanany teo ambonin’ny alitara? 22Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa; 23ary tanteraka