FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 17 May 2009 : Mampahery ny finoana

Toriteny Alahady 17 May 2009 : Mampahery ny finoana

Publié le 28 mai 2009 à 12:05

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, ho ampitomboina aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Tompontsika.

Ny hevitra banjinintsika FJKM amin’ity volana may ity, ry havana, efa nambara teo, dia ilay lohateny hoe « MAMPAHERY NY FINOANA ». Ary ny mifanaraka amin’izany indrindra ity teny izay handraisan-tsika hafatra dia ilay efa novakiana tamin-tsika teo : Habakoaka 3/17-19.

17 Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra, —

18 Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.

19 Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin’ny havoanako. Ho an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha.

Tantaran’ny bokin’i Habakoaka

I Habakoaka no manao an’io tenim-pinoana io, ary mpaminany izy, ny niainany dia tamin’ny faramparan’ny taon-jato faha 7, ary fiatombohan’ny taon-jato faha 6 talohan’i Jesoa Kristy.

Izao no tantaran’ny bokin’i Habakoaka raha fintinina : noresahan’Andriamanitra i Habakoaka mpaminany ny amin’izay loza mbola hanjo ny firenen’ny Joda izay vahoakan’Andriamanitra ary koa izay hanjo ny firenen’ny Kaldeana izay nampiasain’Andriamanitra ihany anefa nanafaizany ireto firenen’ny Joda ireto. Feno fahalovana tokoa ity firenen’i Joda ity ; misy matetika ny famonoana olona, ny ady lahy, ny fankahalàna, ny fitsarana, ka hatramin’ny mpitsara aza dia tratran’ny fahalovana, zany hoe nanjaka teny ny faharatsiana tamin’ny lafiny rehetra, ary niantraika tamin’ny fianakaviana izany.

Nitaraina tamin’Andriamanitra i Habakoaka

Nalahelo mafy i Habakoaka tamin’ny faharatsiana sy ny loza nisy tamin’ny firenena ary dia niantsoantso an’Andriamanitra izy nanao hoe : « Jehovah ô !ndrisy ny hahelan’ny efa nitarainako, nefa tsy nohenoinao. Mitaraina aho hoe loza, nefa tsy no vonjenao ihany. Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho ary mijery fahoriana Hianao ? Fandravàna sy loza no eo anatrehako ary misy ady sady miseho ny fifandirana, koa noho izany dia ngoly ny lalàna, ary tsy mivoaka ny rariny. Fa irohonan’ny ratsy fanahy ny marina, ka izany no ivoahan’ny fitsarana miangatra » (Habakoaka 1 / 2-4).

 

Namaly Andriamanitra

Dia namaly azy Andriamanitra ka nanambara fa manomana ny Kaldeana izay Babyloniana ihany, Izy Andriamanitra hamely ny firenen’i Joda noho ny ratsy nataony teo anatrehan’i Jehovah Andriamaniny, ka mbola ho mafimafy kokoa noho izay efa hitan’i Habakoaka no mbola hanjo ireto mponin’i Joda ireto.

Dia napetrak’i Habakoaka tamin’Andriamaniktra indray ny fanontaniana faharoa izay azo fintinina : « Marina ry Andriamanitra fa tena mpanota ny firenen’i Joda nefa na izany aza, nahoana no firenena ratsy noho izy dia ny Kaldeana izany, no ampiasaina hamaizanao ny vahoaka, tena tsy azoko mihintsy ! » Dia niandry tamim-paharetana izy, izay havalin’Andriamanitra amin’izany fitarainana izany.

Sitrak’Andriamanitra hànana faharetana i Habakoaka

Sitrak’Andriamanitra, ry havana, no nanànan’i Habakoaka faharetana niandry an’Andriamanitra. Dia namaly azy Jehovah nanao hoe : « amin’ny fotoana izay voatendriko, dia Izaho Jehovah, no hanafay ka handringana ny Kaldeana. Efa nandroba ry zareo dia mba horobaina koa, efa nambabo ry zareo dia mba hobaboina koa, efa nandringana ry zareo dia ba haringana koa ». Nofàizin’Andriamanitra kosa ireto Kaldeana ireto noho ny fanompoan-tsampy satria Andriamanitra dia sady marina no masina ary saro-piaro. I Habakoaka dia tena resy lahatra fa marina daholo, ary ho tanterahan’Andriamanitra daholo izay teny rehetra nolazainy tamin’izy Habakoaka mpanompony. Tompon’ny tantara manko Andriamanitra ary manapaka amin’ny fanjakan’ny olona izy Tompo.

Mahazo hery noho ny finoana

Nahazo hery Habakoaka noho izany finoana izany. Efa ombieny ombieny no nanambaràna izany tamin’ity volana mai ity. Ary ao amin’ny toko faha 3 farany dia nanao vavaka fiderana sy fanandràtana ny asa mahagaga efa nataon’Andriamanitra tamin’ny fiainan’olombelona i Habakoaka. Ary dia namarana izay am-piderana vokatry ny finoana hoe :

« fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva ary tsy mahavokatra na dia vonoana ondry ao amin’ny vala tsy misy omby am-pahitra »

dia hoy Habakoaka hoe :

nefa izaho dia mbola hifaly, hiravoravo amin’Andriamanitra famonjena ahy ihany Jehovah Tompon’ny tanjako izy ary manao ny tongotro ho toy ny mampandeha eny amin’ny havoana.

Ny foto-kevitra raisintsika eto dia ny finoana an’Andriamanitra sy ny fiderana Azy noho ny finoana. Hozarain-tsika roa izany foto-kevitra izany :

– ny endrika vitsivitsy nisehoan’ny finoan’i Habakoaka

– ny vokatry ny finoana dia ny fiderana an’Andriamanitra

 

1 -Ny endrika isehoan’ny finoana

Voalohany, miresaka tamin’Andriamaintra izy rehefa tena nahatsapa ny alehiben’ny olana misy eo amin’ny firenena, ary tena fifandraisan’ny Ray sy Zanaka Andriamanitra izy miteny amin’Andriamanitra manontany Azy ary Andriamanitra koa mamaly azy, satria hoy Andriamanitra nanao izay tsy fantatrao : Antsoy aho dia ho valiako.
Endriky ny finoana an’Andriamanitra, ny fifankazàrany amin’ny Tsitoha toy izany.

Isika koa, ry havana, dia antsoin’Andriamanitra hanao toy izany. Ny krizy nihainan’i Habakoaka tamin’ny androny dia izy sy ny mponin’i oda, dia mampahatsiaro ny krizy misy eto amin’ny firenen-tsika amin’izao fotoana izao.

Santionany? Fahalovana, vonoan’olona, fitsarana miangatra. Nanjaka ny faharatsina amin’ny endriny rehetra, variana mifanaratsy fotsiny isika; ka izao aza :
Andeha isika hanao tahaka an’i Habakoaka. Niresaka avy hatrany amin’Andriamanitra, sady mahatoky fa hovaliany. Izao anefa, misy teny iray any amin’i Amosa any : moa tafaradàlana va ny roa rehefa tsy efa nifanaiky amin’i Jesoa.

Antsoin’Andriamanitra izany isika hanaiky an’i Jesoa izay vao hanao ny vavaka nampanaoviny. Isika ve mino an’Andriamanitra? Ny vavaka ataon-tsika, izay nataonao, raha mpanompo sampy ianao, manana fahazaran-dratsy izay mety mbola iainanao. Fa amin’izany Andriamanitra dia afaka hiresahanao ny olana rehetra.

2 – Ny vokatry ny finoana

Faharoa, tsy nikoropaka i Habakoaka manoloana ny olana natrehiny fa nandray ny tenin’Andriamanitra milaza toy ny ao amin’ny toko 1/12.

Jehovah Andriamanitra maharitra ho mandrakizay, tsy maty ary tsy ho faty. Satria Izy no Jehovah ary masina dia mananbara fa feno sy tanteraka Andriamanitra amin’ny fahazavàna.
Noho izany, Andriamanitra dia azo hifikirana sy ianteherana amin’ny andro mahory rehetra. Tonga dia nampihàrin’i Habakoaka tamin’ny olana nisy azy ireo; vokatr’izany afaka nanambara mazava tsara ao amin’ny andininy faha 12 ihany hoe : na dia fantany aza fa mbola ho avy ireo Kaldeana hamely ny firenen’i Joda; izany ry havana, ny finoan’i Habakoaka. Isika koa manoloana ny olana misy, hampiatra izany amin’ny finoana dia hivaha ny olana.

Fiaramanidina navotan’Andriamanitra

Tantara fohy tamin’ny taona 1988, nisy fiaramanidina iray feno mpandeha izay nisidina teny amin’ny lanitra. 30 minitra talohan’ny nahatongavany tety ambonin’ny tany anefa, ry havana dia nisy zavatra niala teny amin’ilay fiara manidina. Nefa mbola mbola 6000m niakatra ambonin’ny tany no nisy ilay fiara manidina. Tena nangorohoro ny mpandeha sy ny mpanamory; maro tamin’izy ireo no niantsoantso an’Andriamanitra. 30 minitra taorian’izay dia izao ny fahagagàna niseho.

Tafapetrak’ilay mpanamory soamantsara teo ambonin’ny tany ihany ilay fiara manidina, ary tsy nisy na dia iray aza naratra na maty. Rehefa nanontanian’ny mpanao gazety ilay mpanamory dia hoy izy hoe : ny tànan’Andriamanitra no nitantàna ilay fiara manidina.

Tsaroana ilay teny, ary mino aho fa tao anatiny ilay teny tao amin’ny Salamo 89/13 hoe : manan-tsandry mahery ianao Jehovah o, mahery ny tànanao… Andriamanitra tokoa no nihazona ilay fiara manidina rehefa niantso azy ireto vahoaka ireto.

Miandry valim-bavaka amin’ny finoana

Niandry an’Andriamanitra tamin’ny faharetany i Habakoaka, ary avy nametraka ilay fanontaniana faharoa dia niandry, satria fantany voalohany fa Andriamanitra tsy mandainga fa rehefa miteny izy dia tanteràhany izany, ary Andriamanitra hamaly ny fitarainana mandrakariva. Fomban’Andriamanitra ireo; ny valin’ny faharetany ihany novalian’Andriamanitra izy dia nomeny. Isika koa, ry havana, tian’Andriamanitra hanome faharetana eo am-piandrasana ny valim-bavaka fa Andriamanitra tena mamaly vavaka tokoa.

 

Valim-bavaka teto Ambavahadimitafo

Mamelà ahy, ry havana, hijoro vavolombelona fohy aminareo, ny niainako teo amin’ity Ambavahadimitafo ity, tany amin’ny taona 74/75/72 tany dia nisy fotoana nanendren’Andriamanitra anay hivavaka isa-maraina. Misy fotoana izay voatery miala tao an-tranon’ilay olona nanaovana vavaka tao Ankorahotra, dia voatery teny ankalamanjana izahay no nanaovanay izany vavaka izany, ary tsy izany ihany fa efa samy nitondra am-bavaka an’izao Ambavahadimitafo izao.

Ny vokany, misy sampana efa misy ireny, dia misy olona tena nofohazin’ny Tompo ka nampahery ny hafa; nitsangana ny fifohazam-panahy teto Ambavahadimitafo. Be dia be, fa iray ihany no hasongadina, dia ny vaomieran’ny aim-panahy : fa tena niasa tokoa hanatanteraka izay nambaran’Andriamanitra ny asan’ny Tompo : « mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra« ; izany teny izany dia nasehon’Andriamanitra tamin-tsika fa eto Ambavahadimitafo koa izy dia nahatanterahan’Andriamanitra ilay efa miandry am-paharetana asehon’Andriamanitra ny finoana.

Fiderana an’Andriamanitra

Raha fintinina dia hitantsika fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, na dia tsy hitan’i Habakoaka aza ny vokatry ny vavaka nataony dia mbola mihaino an’Andriamanitra ihany izy. Na toa inona na toa inona olana misy ahy sy ianao, mety mahazo antsika dia tadidio fa ny marina dia ny finoana. Hangataka amin’Andriamanitra ny teniny nomeny isika, ary rehefa avy hampiarin-tsika tamin’ny fiainan-tsika ny teniny dia hahatoky isika, tsy himonomonona fa ny hahatoky an’i Jesoa Kristy ilay Tompon’ny finoan-tsika. Io manko, ry havana, no nahatonga an’i Habakoaka ho lasa feno fiderana an’Andriamanitra.

Ny tapany faharoa izany dia ny fideràna izay vokatry ny finoana an’Andriamanitra. Ahoana ny nambàran’i Habakoaka? Nefa izaho, hoy izy, dia mbola hifaly amin’i Jehovah, hiravoravo amin’ny Andriamanitry ny famonjena; tsy hifaly fotsiny fa hiravoravo.

Hitantsika izany tamin’ny vaomieran’ny aim-panahy, fa tena nihetsiketsika mihintsy, tsy hoe miravoravo fotsiny amin’Andriamanitra, fa ilay Andriamanitry ny famonjena. Tsy namonjy antsika indray mandeha fotsiny izay, fa mpamonjy antsika amin’ny fotoana rehetra.

Betsaka ny olana, misy zavatra manahirana dia tadidio fa Andriamanitry ny famonjena antsika Andriamanitra, koa manaova sahala amin’i Habakoaka hifaly sy miravoravo amin’Andriamanitra famonjena antsika. Misy tenin’Andriamanitra izay manao hoe, aoka isika hanatitra izay hoe fanati-piderana, izany hoe fanatitra tena mitoky tena any amin’Andriamanitra mihitsy. Tena atolory ho fanatitra mihintsy ny fiderana izay ataon-tsika amin’Andriamanitra. Ndeha ary isika hijery an’i Jesoa Kristy hanao tahaka an’i Habakoaka satria fantantsika fa Jesoa ny dikany dia hoe Jehovah no mpamonjy; tonga hamonjy an’i Habakoaka ary hanatanteraka ny teny rehetra aminy.

Jehovah Tompo no tanjako

I Habakoaka, misy fotoana ihany, rehefa nahatsiaro ilay zavatra mbola hanjo ny firenena (toko 3/16) dia natahotra, nangovitra mihintsy. Saingy raha vao nijery tamim-pinoana an’Andriamanitra mpamonjy azy izy dia sahy nilaza an’ilay teny hoe « Jehovah Tompo no tanjako« . Mbola hitariny hoe : manao ny tongotro toy ny an’ny diera vavy (biby mazoto mihetsiketsika, mitsambikina tonga hatrany amin’ny toerana avo).

Tsapan’i Habakoaka fa tena Andriamanitra mihitsy no nanao ny tongony ho toy ny an’ny diera vavy; tsy mamela azy hitanondrika, tsy namela azy hipetrapetra-potsiny, hiraviravy tànana fa Andriamanitra nameno azy tamin’ny fahatsaràny rehetra, ka afaka nandresy ny fahavalony, dia ny tsy finoana. Ary nametraka tsy finoana ao anatitsika izany satana izany, handavo antsika mpanompon’Andriamanitra, miasa andro aman’alina.

Raiso amin’ny fonao Jesoa

Zao anefa, handresy azy isika raha toa ka mino an’Andriamanitra amin’ny fotsika rehetra, ka feno fideràna Azy. Ndeha isika ary hino an’i Jesoa. Raha mbola tsy nandray an’i Jesoa ianao, araka ilay teny ao amin’ny Amosa teo dia fotoanany izao, raiso amin’ny fonao Jesoa atolory azy ny fiainanao rehetra, ny fonao ny sainao, ny fanahinao.

Ary raha efa nanao eny tamin’i Jesoa ianao dia ekeo ho Rainao Andriamanitra ka iresaho amin’ny fotoana rehetra Izy na amin’ny fifaliana na amin’ny fahoriana. Zany hoe sady mivavaka ianao no mandray koa ny tenin’Andriamanitra. Manàna faharetana fa Andriamanitra velona, sady miasa;

Raha hijery, ohatra, ny zavatra iainan-tsika amin’izao fotoana izao, na dia misy arivo aza lavony, iray alina eo ankavananao, dia tsy hiasa aminao izany. Hijery mahatoky ianao ka ho hitanao fa mahery ny ratsy fanahy, ry havana, maneke handray an’i Jesoa am-pinoana ary maneke handray Azy amin’ny fiainanao rehetra. Tsy ho fatifaty foana ianao. Zao ary, ndao isika hihazakazaka, hitsambikika hanohitra an’i satana. Efa voazava ny fahazoan-tsika finoana sy fideràna an’Andriamanitra, kana inon-kidona na inon-kiantra dia hanoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alàlan’i Jesoa.

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra.

 

 

Rtoa ANDRIAMANALINA Harisoa


Lire aussi

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo « 

04/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy

Alahady 04 Febroary 2024, ankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy (AFFA), ka andinihin’ny FJKM lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mampitandrina amin’ny didiny Andriamanitra« . Ny mpitandrina Ranaivoson Andry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 1 : 4-8 « Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:5Hatry ny fony ianao tsy

28/01/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily

Alahady 28 janoary 2024, fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihin’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Lehibe ny voninahitry ny Tompo ». Ny mpitandrina Ranarimalala Nirina Harisoa no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5 : 16 : « 16Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa

16/01/2024 A la une . Antso sy filazana

Hafatra ho an’ny Mpandray – fifidianana Diakona 2024

Mifarana ny alahady faha-28 janoary 2024 ny fanavaozana ny karatra hiatrehana ny fifidianana Diakona. Hamarino ary fa any aminao ny karatra maha-mpandray miloko fotsy. Raha toa tsy mbola manana ianao dia ento ny sary roa ny alahady faha-28 janoary hahafahana manavao ny karatrao.