FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 16 aout 2009 : Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana

Toriteny Alahady 16 aout 2009 : Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana

Publié le 20 août 2009 à 12:08

Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana ; ary na zovy na zovy no hanao amin’ny rahalahiny hoe : Olom-poana hianao, dia mendrika hohelohina amin’ ny Synedriona ; ary na zovy na zovy no hanao hoe : Foka ialahy ; dia mendrika ho ao amin’ny helo mirehitra afo (Matio 5 : 22 )

Zavatra roa no atoron’Andriamanitra antsika.

1) Aza mitahiry fahatezerana amin’ny rahalahinao

Izany no hitantsika ao amin’ny fiandohany ao amin’ny andininy faha 22 manao hoe : « Izay rehetra tezitra amin’ny rahalahiny dia mendrika hoheloina amin’ny fitsarana ».

Tezitra :

Ny hoe tezitra ry havana dia midika hoe fananana alahelo amin’ny hafa, ary ny fahatezerana amin’izany dia mitsoka ao anatiny ka miteraka fankahalàna tanteraka . Ary eto ilay fahatezerana dia tsy miseho ety ivelany fa mijanona ao amin’ilay olona izay manana azy ihany.

Ambaran’ny tenin’Andriamanitra fa izany alahelo na fahatezerana izay ao anaty izany dia mahatonga ny olona ho meloka eo anatrehan’ny fitsarany. Zavatra tsapa anefa eto amin’ity tenin’Andriamanitra ity dia izao : mety tsy hijanona ao anaty izany alahelo izany fa mety hiseho ety ivelany amin’ny alàlan’ny fihetsika atao, amin’ny alàlan’ny teny izay ataon’ny olona, ary eto moa dia miseho amin’ny alàlan’ny teny izany, ary hitantsika amin’ny andininy faha 22 ihany izany : «ary na zovy na zovy manao ny rahalahiny hoe olo-poana ianao dia mendrika hohelohina amin’ny Synedriona ».

Izany hoe miseho amin’ny alàlan’ny teny izany ilay fahatezerana izay hita ao anaty. Ary ny hoe « olo-poana » ry havana dia midika ho fanambaniana namana izany, midika ho fanadisoana ny namana izany, midika ho fitenenan-dratsy ny namana izany, ary raha manao izany hoy Jesoa dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana ambony, izany hoe tsy tahaka ilay fitsaràna izay teo aloha izay fitsarana teo an-tanàna ihany moa araka ny dikan-teny iombonana hoe fitsarana voalohany.

Na zovy na zovy no miteny hoe foka ialahy… :

Fa fitsaràna ho an’ny dingana izay avo avo kokoa, ambonimbony kokoa ; raha mijery isika amin’ny andininy faha 22 ihany dia hita ao ny hoe : « na zovy na zovy no miteny hoe foka ialahy dia mendrika ho ao amin’ny helo mirehitr’afo ». Ny hoe « foka » dia azo adika hoe tsisy dikany na hoe tsy misy heviny, na koa hoe tsinontsinona, izany hoe mamono ny maha izy ilay olona manontolo, manala ny zo aman-kasin’izany olona izany, ary ny olona izay lazaina ho « foka » izany moa dia heverina ho toy ny maty mihitsy satria very ny maha-olona azy, ary eto dia dingana fara-tampony mihitsy ny fanamelohana azy dia any amin’ny farihy mirehitr’afo izany.

Midika izany fa fahaverezana mandrakizay no miandry izay manao tsinontsinona ny olona na ny rahalahiny izany. Araka izany ny fahatezerana na ny alahelo amin’ny namana na amin’ny endrika anatiny na amin’ny endrika ivelany dia mahameloka eo anatrehan’ny fitsaràna, mahameloka eo anatrehan’ Andriamanitra.

Mamelà azy, fa Izaho no làlana izay ahamarina ny fifandraisanao aminy :

Ry havana, na inona na inona mahatezitra antsika amin’ny namantsika ka tazomintsika ao anaty izany dia tsarovy fa mahameloka eo anatrehan’Andriamanitra. Koa aoka hadio fo mandrakariva amin’ny namantsika isika, marina fa mety hisy hampahatezitra antsika noho ny ataon’ny hafa, mety hisy hampalahelo noho ny afitsokin’ny sasany, mety hisy koa hampamoy fo noho ny ataon’ny namana, ny tenin’ny Tompo dia izao hoe : « mamelà azy, fa Izaho no làlana izay ahamarina ny fifandraisanao aminy ». Araka izany dia tsy maintsy ataon’ny kristianina ny manafoana ny alahelony amin’ny hafa, ny manafoana ny fahatezerany amin’ny namany mba hahadio fo amin’izany namana izany, ary tokony ho fiainan’ny kristianina izany, mamela ny alahelony amin’ny hafa, mamela ny hadisoan’ny hafa.

2) Ny mihavana amin’ny rahalahy

Araka ny andininy faha 23 sy 24 : « ary amin’izany raha mitondra fanatitrao eo amin’ny alitara ianao ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanatitra ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao ary rehefa miverina izy vao atero ny fanatitrao ».

Tsy misy dikany izay fanatitra atao raha…

Hita eto ny hoe « fanatitra », izay fanoloran-tena ho an’Andriamanitra, ary fanamafisana ny fihavananao amin’Andriamanitra. Ary raha amin’ny fotoana izay hanantanterahana izany fanatitra izany no mahatsiaro fa manana halahelo amin’ny namanao ianao dia ny zavatra izay atao amin’izany dia ny mihavana, mandeha mifona amin’izany rahalahinao izany mba hamitrànana indray ilay fihavanana amin’izany fihavanana izany.

Ary tsarovy fa tsy misy dikany izay fanatitra atao raha ohatra ka isika aza hanànan’ny olona halahelo, hanànan’ny olona fahatezerana, ary izany no hita eto dia ataovy izay hihavànana amin’izany rahalahinao izany vao mandeha manatitra ny fanatitrao ianao.

Mihavàna faingana amin’ilay manana ady aminao

Ny tanjona tiana ho tratrarina amin’izany ry havana dia ny tsy hanànan’ny hafa halahelo amintsika, ary izany no tsy maintsy hihavanana faingana amin’izany namana izany mba hahatonga azy hadio fo, ary eto dia tsy halahelo amin’ny hafa ihany no lazaina, fa na ny fifandirana amin’ny hafa koa dia tsy maintsy hihavanana amin’ny namana, ary izany no hita ao amin’ny andininy faha 25 manao hoe : « mihavàna faingana amin’ilay manana ady aminao ».

Eo amin’ny fiainana ry havana dia misy zavatra samihafa izay atao hoe mampiady hevitra mandrakariva ary mety hitarika hatrany amin’ny fifampiandaniana izany, mety hampiady antsika amin’izany namana izany, ka raha isika no tojo toe-javatra tahaka izany dia inona no tokony ataontsika ? Dia tsy inona fa ny mihavana faingana.

Eto dia ny rahalahy no manana ady amintsika , ary ny làlana voalohany hivoahantsika amin’izany dia ny fihavànantsika aminy ihany, mba hadio fo amintsika, mba hirindra tsara ny fifandraisantsika amin’izany rahalahintsika izany.

Ry hava-malala ao amin’ny Tompo, manana adidy isika hihavana amin’izay manana halahelo amintsika, izay manana ady amintsika, ary ny fihavànanao amin’ny namanao dia izao : mampitohy indray ilay fifandraisana izay tapaka noho ny toe-javatra samihafa. Koa na inona na inona halahelon’ny hafa noho ny nataontsika dia adidintsika ny mihavana aminy, mifona aminy, mba hampiala izany halahelo izany, mba hampisinda izany fahatezerana izany.

Raha azo atao dia ataovy izay hihavananao amin’ny olona rehetra

Ho famarànana izao toriteny izao dia hoe ny tena kristianina marina ry havana , dia marina amin’ny fifandraisany amin’ny hafa, koa adidinao kristianina ny manafoana ny halahelonao amin’ny hafa, manafoana koa ny halahelon’ny hafa aminao, ary ianao izay kristianina no loha-laharana amin’izany, loha-laharana amin’ny fitandrovana sy fikasàna amin’izany mba hirindra tsara ilay fihavananao amin’ny rahalahinao. Koa adidinao àry no manao izay hahatsara ny fifandraisanao amin’ny namanao ary asehoy amin’ny fiainanao izany eo imason’ny olona fa tsy manana halahelo ianao ary izy tsy manana halahelo anao, ary hoy ny Tompo aminao : « raha azo atao dia ataovy izay hihavananao amin’ny olona rehetra ».

Ho Azy ny voninahitra. Amen.

Rakotonoeliarimanan, mpitandrina


Lire aussi

03/12/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Advento 2023 : Ny olona voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay

Alahady 03 desambra 2023, taom-baovaon’ny fiangonana, Advento, nitondrana am-bavaka ny Sampana Dorkasy, ka andinihina lohahevitra vaovao @ity volana desambra ity eto anivon’ny FJKM manao hoe « Ankalazao ny Mpamonjy« . Ny tenin’Andriamanitra notoriana tamin’ity alahadin’ny Advento ity dia araka ny Asan’ny Apostoly 13 : 43-48 « 43Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin’ny Jiosy sy ny proselyta

26/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Tsenao @ fihaviany ny Tompo Izay mitondra fanafahana

Alahady 26 novambra 2023, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », ary koa hitondrana am-bavaka eo anivon’ny FJKM ny Komitim-pirenena Miady @ SIDA sy ny Valan’aretina (KPMSV). Ny Katekista Délégué Randrianiana Roland avy amin’ny FJKM Antenimbe (fiangonana miara-mandroso) no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Isaia 40 : 9-11 : « Ny vaovao mahafaly

19/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . SAMPATI . Toriteny

Alahadin’ny SAMPATI : Mitandrena, miambena ka mivavaha

Alahady 19 novambra 2023, alahadin’ny SAMPATI mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo«  Ny hafatr’Andriamanitra araka ny Marka13 : 24- 37 no notoriana :  » 24Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany,dia ho tonga maizina ny masoandroary tsy hanome ny fahazavany ny volana,25hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintanaary hohozongozonina ireo hery

12/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AMA 2023

Alahady 12 novambra 2023, nitondrana am-bavaka ny Fitantanana ny fanànana eo anivon’ny Foibe FJKM, sady nitondrana am-bavaka ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA), sy nitondrana am-bavaka ny firenena. Ny lohahevitra amin’ity volana novambra ity dia ny hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo » . Ny mpitandrina miza-draharaha Andrimaifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 2

05/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy

Alahady 05 novambra 2023, andinihina lohahevitra vaovao @ity volana novmabra ity manao hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », alahady fanateram-bokatry ny Vondrona Fototra Laika (VFLA), ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 24 : 29-31 « 29Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana

29/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Toriteny an-kira MIASAFIA : hira fifohazana redonina @ orgue

Alahady 29 oktobra 2023, nandinihina farany ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana », nanatanterahin’ny antoko mpihira MIASAFIA toriteny an-kira t@ alàlan’ny hira fifohazana redonina @ orgue. Manàsa anao hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :

22/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Fifohazana . Toriteny

Ny tokantrano anjakan’i Kristy

Alahady 22 Oktobra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana », itondrana am-bavaka ny sampana Fifohaza manerana an’i Madagasikara. Ny mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Kolosiana 3 : 18-21 « 18Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. 19Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. 20Ianareo

15/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina taranaka ao @ Tompo

Alahad 15 Oktobra 2023, mbola andinihinia ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @ Tompo ny fianakaviana », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Miora Andriamifidy Mendrikaja ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 : «  39ARY rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.40Ary ny Zaza dia nitombo

08/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena

Alahady 08 oktobra, nitondrana am-bavaka ny Masera MAMRE, mbol aibanjinana ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 Ny niverenan’i Jesosy tany Nazareta sy ny fahatanorany « 39Rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalànan’ny Tompo dia niverina tany Galilia izy ireo,

01/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoreno ao amin’ny Tompo ny tokantrano

Alahady 01 oktobra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ ity volana ity « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana« , nanatanterahin’ny SAMPATI ny fanateram-bokatra ihany koa. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Genesisy 2 : 18-25 « 18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19Ary tany