FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 14 Febroary 2010 : Ny tenin'Andriamanitra no tondro-zotra ho amin'ny fahavelomana

Toriteny Alahady 14 Febroary 2010 : Ny tenin'Andriamanitra no tondro-zotra ho amin'ny fahavelomana

Publié le 19 février 2010 à 12:02

Ry havana, miarahaba antsika rehetra tafahaona indray amin’izao andro izao ary afaka mandre tokoa ny hafatry ny Tompo izay manan-kambara amintsika mandrakariva, dia ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fiadanany anie hanafaka ao am-pontsika mandrakariva araka izany. Ity misy tantara kely anankiray hanombohantsika izao toriteny izao.

Tantara kely

Teny am-pandehanana ity fiara anankiray niditra sampanan-dàlana, nisy làlana nifanapaka maromaro, tsisy marim-pamantarana anefa teo amin’io toerana io, dia nandroso ny fiara ary nizotra namonjy ny làlana izay tiany aleha, kanjo tamin’izay fotoana iray izay indrindra nisy fiara anankiray hafa nirimorimo, inona no nitranga hoy ianao ? Rehefa misy lozam-pifamoivoizana ohatra izany dia hoy ny ao an-tsain’ny rehetra hoe « velona daholo ve ? sa nisy maty ? » Fa ny zanak’Andriamanitra rehetra no mpampiasa ny làlana izay miaraka amin’Andriamanitra sy mankany amin’Andriamanitra.

Ny tenin’Andriamanitra no tondro-zotra ho amin’ny fahavelomana

Andeha àry ny bokin’i Ohabolana izay iray amin’ireo boky mirakitra ny fahendrena no raisintsika angalàna hafatra ka ho sainintsika ao anatin’izany ny hoe  « Ny tenin’Andriamanitra no tondro-zotra ho amin’ny fahavelomana ». Ho an’iza àry izany tondro-zotra izany ? Ho an’izay mitandrina Azy, andeha ange hojerentsika ao amin’ny andininy faha 20 amin’i Ohabolana toko faha 4 novakiantsika teo : 

« Anaka, tandremo ny teniko ! » ;

Ny hoe « anaka » ry havana dia manambara ny maha-lehibe, ny maha-manam-pahefàna na ray aman-dreny ilay miteny ; ny manam-pahefàna moa na ny lehibe rehefa miteny ny eo ambany fifehezany na ny zanany izany ka miteny hoe « Tandremo ! » dia tena mikasa tsara izy izay sady miaro azy amin’ny loza mety hiseho.

Fa ny dikan’ny hoe « Tandremo ! » dia sady fampirisihana no didy amin’izay hampitandremana azy ary asaina tanterahin’ilay hampitandremana.

Ny tanjona amin’ny fitandremana moa dia tsy hafa fa fiarovana ihany, ka ny filazàn’ny bokin’ny Ohabolana ato hoe : « teniko » amin’ity andininy ity kosa dia manondro ilay lahateny na teny maromaro mirakitra fahamarinana na fahendrena. Koa raha fehezintsika izany hoe « Anaka tandremo ny teniko ! » sady sainintsika hoe tombo-zotra ho amin’ny fahavelomana ny Tenin’Andriamanitra ho an’izay mitandrina Azy dia mikendry indrindra ny fiarovana ny zanak’Andriamanitra izany. Didina ny zanak’Andriamanitra mba hisaintsaina ny tenin’Andriamanitra, hamantatra ny tenin’Andriamanitra, hampiasa ary hanaraka izany tenin’Andriamanitra izany.

Ny zanak’Andriamanitra antsoin’izao  Soratra Masina izao hoe « Anaka » eto dia manondro ary manambara antsika rehetra, manomboka hatramin’ny ankizy kely rehetra izay vita batisa tamin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ka hatramin’isika olon-dehibe, eny ny fotsy volo aza dia isika Fiangonana rehetra izany.

Raha mitandrina ny didiko hianareo dia hitoetra amin’ny fitiavako tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny hitoerako amin’ny fitiavana

Raha mijery ny ao amin’ny tantaran’ny Filazantsara novakiana tamintsika teo araka ny Lioka dia izao : mpahay lalàna anankiray maniry ny ho velona ka mba ho mpandova fiainana mandrakizay no nasain’i Jesoa nitadidy indray ny voasoratra ao amin’ny lalàna, novakiantsika teo izany araka ny andininy faha 25-27 ao amin’io Lioka 10 io, ny voasoratra ao amin’ny lalàna io dia ny didin’Andriamanitra na ny tenin’Andriamanitra izay nandidiana an’i Mosesy mba ho ambara amin’ny zanak’Israely hotandremany, ary ho saintsaininy mandrakariva araka ny bokin’i Deotornomia sy ny Levitikosy izay hitantsika moa tao anaty fonon-teny tamin’ny vakiteny teo, fa na dia i Jesoa Kristy io aza izay tonga teto an-tany ka niara-nonina tamintsika dia mba nitandrina koa izany didin’Andriamanitra izany, ary hoy indrindra Izy ao amin’i Jaona 15, 10 hoe « Raha mitandrina ny didiko hianareo dia hitoetra amin’ny fitiavako tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy ny hitoerako amin’ny fitiavana ». Jesoa Kristy nankato ny toetra tao amin’Andriamanitra, nankato ny didin’Andriamanitra.

Isika kristianina koa ry havana dia te ho velona marina amin’izany fahavelomana mandrakizay; izany ny hirarian’ny Soratra Masina antsika mba hitandrina ny tenin’Andriamanitra, ho antsika rehetra koa izany.

Ry hava-malala ao amin’ny Tompo, amin’izao làlana izoran’ny fiainantsika izao, aza variana amin’ny hakiviana, na ny fahasarotana, tsy hoe hiha-mora akory ny fiainana na handeha ho azy fa mamporisika anao kosa ny teny soratra masina mba hampiasa ny tombo-zotra ho amin’ny fahavelomana ka hanaraka izany araka ny tenin’i Jesoa tao amin’io Lioka 10, 28 io ihany hoe : « Ataovy izany dia ho velona ianao », ny asan’ny tondro-zotra mantsy dia mamporisika ny mpampiasa ny làlana mba hampirindra ihany koa ny fifamoivoizana amin’izany làlana izany !

Tondro-zotra ho amin’ny fahavelomana ny tenin’Andriamanitra ho an’izay mitandrina azy :

  Mahita izany firindràna izany ve ianao eo amin’ny fiainana misy anao ? Ny Soratra Masina no aoka ho raisinao mba ho tondro-zotra ho amin’izany làlana tsara maha-kristianina antsika izany. Alahadin’ny Baiboly anio ry havana, dia manentana anao mba hampiasa izany Baiboly izany fa efa 175 taona ary efa mahery aza no nanànantsika ny Baiboly amin’ny fitenintsika, dia anjarantsika rehetra ihany koa no mampiasa izany Baiboly izany mba hanondroana amintsika ny fiainana mankany amin’Andriamanitra, mba hahavelona antsika amin’ny finoana ary hanarahantsika ny sitrapon’Andriamanitra.

Raha Alahadin’ny Baiboly tokoa anio dia manentana antsika mba hanohana ihany koa ny asan’ny Mampiely Baiboly Malagasy amin’izay azontsika atao rehetra, iombonantsika ho mpanondro zotran’ny hafa ihany koa ho ao amin’ny làlan’ny fahavelomany, fa ny Baiboly no fitaovam-pamantaran-dàlana ho antsika te ho velona mandrakizay, ary rehefa mamaky azy ianao dia angataho ny Fanahy Masina mba ho fantatrao tokoa izay tiany ambara ary izay ihany no maha-tenin’Andriamanitra ity Soratra Masina am-pelan-tànantsika ity.

Fa ny tondro-zotra raha tsy arahina na tsy ampiarina dia very ny hasina ananany, koa ny faharoa, tondro-zotra ho amin’ny fahavelomana ny tenin’Andriamanitra ho an’izay mampiatra azy. Teo izany isika mahita hoe tondro-zotra ho an’ny fahavelomana ny tenin’Andriamanitra ho an’izay mitandrina azy, fa amin’izao kosa dia hoe « ho an’izay mampiatra azy ».

Ny andininy faha 27 indray no ho jerentsika ao anatin’izany araka ny Ohabolana 4 ihany « Aza mivily na ho amin’ny ankavànana na ho amin’ny ankavia, esory amin’ny ratsy ny tongotrao ».

Ny teny hoe « aza » dia haintsika rehetra fa maneho hevitra fandraràna izany ary rehefa mandrara toy izany dia mitohy ny didy na ny fampitandremana izay omena ilay olona raràna. Fa ny atao hoe « fahadisoana » kosa ry havana na ny hoe « fahotana » araka ny fahendrena Jiosy dia ny fialàna amin’ny làlana mahitsy ka iviliviliana, izany hoe izay manota na ny olona rehetra manota dia miala amin’ny làlana mahitsy nosoritan’Andriamanitra azy.

Ahoana àry no ahafantarana hoe niala tamin’izay nosoritan’Andriamanitra ny olona ? 

Ny fankatoavana ny tenin’Andriamanitra ihany, izay ihany no ahafantarantsika hoe mbola ao anatin’ny làlana nosoritan’Andriamanitra isika. Efa tondron’ny Soratra Masina aminao ny tokony atao, tondro-zotra ny tenin’Andriamanitra, ary izany no ilazany hoe « Aza mivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, esory amin’ny ratsy ny tongotrao, araho ny làlana mahitsy, mandehàna amin’ny marina, fa ny tongotra no atao ijoroana, rehefa mitsangana ny olona anankiray« .

Raha atao izany ny dikan-tenin’izany tenin’ny soratra masina izany dia hoe « Mijoroa eo amin’ny fahamarinana ianao », indrindra ange ry havana ny ambaran’ny Soratra Masina ao amin’ny bokin’i Mika 6, 8:  » Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’i Jehovah aminao dia izao ihany: ny hanao ny marina sy ny ho tia  famindram-po ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena« .

Dia ho antsika rehetra tsy an-kanavaka ihany koa anie izany tenin’Andriamanitra izany. Fa voasoratra izany tenin’ny soratra masina izany ho an’ny zanak’Israely mba hanarahany marina an’Andriamanitra ka hialàny amin’ny faharatsiana, fa mba hitodiany kosa amin’Ilay Andriamanitra Mpiaro azy. Moa va tsy ho antsika zanak’Andriamanitra miandry sy manantena tokoa ny fiarovan’Andriamanitra izany? Fa na dia Jesoa Kristy arahantsika io aza ange ry havana dia mba nampihatra ny sitrapon’Andriamanitra sady nanantanteraka izany ihany koa araka ny filazantsara nosoratan’i Jaona 5 manao hoe:  » Fa tsy mitady ny sitrapoko aho fa ny sitrapon’izay nanirak’ahy« , dia mbola misy ihany koa ao amin’i Matio  » Fa aza ataonareo fa tonga aho handrava ny lalàna na ny mpaminany, tsy tonga aho handrava fa hanantanteraka« .

Andeha isika hamaky sy hampihatra ny Baiboly:

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, aoka ho fenointsika ny fanantanterahantsika ny sitrapon’Andriamanitra, aza atao tapatapany, mba hanànantsika ihany ny Baiboly nefa tsy vakiana, mba mahay mamaky ihany isika nefa tsy mampihatra, mba mandamina ihany isika nefa tsy mihaino. Izao tokoa mantsy no mahalasa ny saina, rehefa milaza ny mpitsabo fa ity ny fanafody ilaina ahavelona na ahasitrana, iza moa isika no tsy hiazakazaka na hividy izany fanafody izany, saingy raha tsy hoanina ny fanafody dia mazava loatra fa hijanona ho amin’ny faharariana ihany ny marary na ho faty mihitsy àry, kanefa io fanafody io tsy hoanina fahatany fa arahana kosa izay toro-marika na toro-làlana omen’ny mpitsabo amin’ny fihinànana azy.

Ry havana malala ao amin’i Tompo, ny hetsiky ny FJKM andiany faharoa dia manoro antsika ny fomba hamakiana Baiboly, ka aza avela ijanona ho fahalalàna fotsiny izany raha te ho velon’ny finoana marina isika fa handeha mba hampihatra, handeha mba hanao, handeha mba hamaky dia mba hahazo aina sy hahazo hery isika amin’izany famakiana ny tenin’Andriamanitra izany. Ny tondro-làlana ihany koa mantsy dia natao isafidianana izay aleha, natao hanarahantsika izay tokony atao, tsy misy ifanerena izany fa safidintsika mazava tsara.


Lire aussi

26/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Tsenao @ fihaviany ny Tompo Izay mitondra fanafahana

Alahady 26 novambra 2023, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », ary koa hitondrana am-bavaka eo anivon’ny FJKM ny Komitim-pirenena Miady @ SIDA sy ny Valan’aretina (KPMSV). Ny Katekista Délégué Randrianiana Roland avy amin’ny FJKM Antenimbe (fiangonana miara-mandroso) no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Isaia 40 : 9-11 : « Ny vaovao mahafaly

19/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . SAMPATI . Toriteny

Alahadin’ny SAMPATI : Mitandrena, miambena ka mivavaha

Alahady 19 novambra 2023, alahadin’ny SAMPATI mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo«  Ny hafatr’Andriamanitra araka ny Marka13 : 24- 37 no notoriana :  » 24Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany,dia ho tonga maizina ny masoandroary tsy hanome ny fahazavany ny volana,25hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintanaary hohozongozonina ireo hery

12/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AMA 2023

Alahady 12 novambra 2023, nitondrana am-bavaka ny Fitantanana ny fanànana eo anivon’ny Foibe FJKM, sady nitondrana am-bavaka ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA), sy nitondrana am-bavaka ny firenena. Ny lohahevitra amin’ity volana novambra ity dia ny hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo » . Ny mpitandrina miza-draharaha Andrimaifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 2

05/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy

Alahady 05 novambra 2023, andinihina lohahevitra vaovao @ity volana novmabra ity manao hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », alahady fanateram-bokatry ny Vondrona Fototra Laika (VFLA), ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 24 : 29-31 « 29Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana

29/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Toriteny an-kira MIASAFIA : hira fifohazana redonina @ orgue

Alahady 29 oktobra 2023, nandinihina farany ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana », nanatanterahin’ny antoko mpihira MIASAFIA toriteny an-kira t@ alàlan’ny hira fifohazana redonina @ orgue. Manàsa anao hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :

22/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Fifohazana . Toriteny

Ny tokantrano anjakan’i Kristy

Alahady 22 Oktobra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana », itondrana am-bavaka ny sampana Fifohaza manerana an’i Madagasikara. Ny mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Kolosiana 3 : 18-21 « 18Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. 19Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. 20Ianareo

15/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina taranaka ao @ Tompo

Alahad 15 Oktobra 2023, mbola andinihinia ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @ Tompo ny fianakaviana », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Miora Andriamifidy Mendrikaja ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 : «  39ARY rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.40Ary ny Zaza dia nitombo

08/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena

Alahady 08 oktobra, nitondrana am-bavaka ny Masera MAMRE, mbol aibanjinana ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 Ny niverenan’i Jesosy tany Nazareta sy ny fahatanorany « 39Rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalànan’ny Tompo dia niverina tany Galilia izy ireo,

01/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoreno ao amin’ny Tompo ny tokantrano

Alahady 01 oktobra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ ity volana ity « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana« , nanatanterahin’ny SAMPATI ny fanateram-bokatra ihany koa. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Genesisy 2 : 18-25 « 18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19Ary tany

24/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mitoria teny @ firenena rehetra

Alahady 24 septambra 2023, alahadin’ny Fikarohana sy fandalinam-pinoana manerana ny FJKM; nentina ihany koa nanomezana vatsy ny mpitandrina Randriambinintsoa Onja niza-draharaha teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Mamarana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » isika, ka ny mpitandrina miza-draharaha Vola Soa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24:44-49 « 44Dia hoy Izy