Toriteny Alahady 08 Novambra 2009 Ho an'izay voaantso, na Jiosy na Jentilisa, dia Jesoa Kristy no herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra
Ry hava malala hafaliana ho ahy no mifanatri-tava aminareo , Havana hiray finoana ao amin’ny Tompo amin’izao alahady izao , ary hisaorana manokana an’ny pasitera (Rakotoharintsifa Andrianjatovo) izay nanomana izao fotoana izao, tsy hoe noho izy tsy salama fa efa ela, efa am-bolana vitsivitsy izahay no niresaka ary nanasa ahy izy hifampizara ny tenin’Andriamanitra aminareo mianakavy eto amin’ny FJKM Ambavahaditafo. Dia faly mirahaba anareo ihany koa araka izany.
Ny Soratra Masina hifampizarako aminareo dia ny tenin’i Paoly ao amin’ny I Korintiana 1/24b, somary namboariko kely ny filaharany fa hoe : « Ho an’izay voaantso, na Jiosy na Jentilisa dia i Jesoa Kristy no herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra »
Dia izay indrindra no nahasahiran-kevitra ahy ihany tao anatin’ny fotoana lava hoe raha hitory any amin’ireo havana ireo, fa mbola tsy fanaoko izany, ary nanasa am-pitiavana i pasitera inona no ho entiko ?
Mompera RAKOTOMANJANTO Jean Noël
Dia voalohany indrindra dia hoe tsy afaka ny hampita n’inon’inona aminareo aho raha tsy mifankahalala isika, ary na dia fotoana fohy ao anatin’izao toriteny izao aza no hanehoana izany dia mino aho fa hampitobo ny fifandraisana sy ny fifankahalalana ary hampisy ny fiombonam-po , am-panahy eo amintsika izany.
Izay indrindra no hampahalalako ny tenako Mompera RAKOTOMANJANTO Jean Noël misy hoe Joseph. ny fiavianay dia avy any amin’ny faritana Ambohidratrimo Marovatana, avy any ambanivohitra ny fiaviana fa nahare hoe antsoin’Andriamanitra dia izay rahateo ny hoe « ho an’izay voaantso » . Naniry ho Pretra teo amin’ny fahazazana, mbola tany amin’ny 8 taona na 9 taona tany ho any , dia ohatran’ny hoe tonga tao an-tsaina fotsiny hoe te ho mompera aho. Anontanian’ny olona hoe inona no atao rehefa lehibe? : « hanao mompera aho » dia nandrinandry kely tao ilay izy.
Dia nisy Petra mpiandrikitra anay indray nanentana: « Sao dia misy te-hanao Pretra? » dia nifoha tampoka tao amiko indray ilay teny tamin’ny mbola kely dia lasa tokoa nandalina niroso lalin-dalina kokoa. Dia niditra tany amin’ny seminera tany , misy hoe seminera fiofanana , atao hoe seminera zandriny tamin’ny taona 1982 , kilasy faha 4 aho tamin’izany ( 4ème ), dia tany nianatra ohatr’ireny fianarana rehetra ireny ihany tany , fa izany hoe efa nisy fanazaran-tena amin’ny ilay hoe fiainana amin’ny maha-olon’Andriamanitra , fiainana main’ny maha pretra araka izay sahaza ny taona hamaliana ny antson’Andriamanitra izay.
Dia misy fiofanana isan-karazany omena amin’izany , dia nianatra dia nahazo ny baccalauréat tamin’ny taona 1987 , nanao service National , dia nanohy ny fiofanana ihany , ka misy ny hoe fiomanana voalohany, herintaona alohan’ny hidirana amin’ny ambaratonga ambony dia ho anay izany , vita izay fiomanana ambaratonga voalohany izay, dia manao telo taona manao filozofia , dia misy ny sokajy izay ampiharana izay nianarana indray roa taona ; dia avy eo manao teolojia mandritry ny telotaona . Dia raha mbola afaka manohy any amin’ny ambaratonga faharoan’ny teolojia, dia manao ny 4ème année sy ny 5ème année.
Dia rehefa mahavita ny telotaona amin’ny teolojia, rehefa avy nandalo ny filozofia, dia hamasinina ho pretra na hoe atokana ho pretra.
Tamin’ny 6 septambra 1997 no natokana ho pretra ; dia avy eo mbola nanohy ny ambaratonga faharoa tao amin’ny Institut Catholique de Madagascar etsy ambatoroka momba ny teolojia dia nahazo ny mari-pahaizana Maîtrise de Théologie izay.
Izay angamba ny zavatra nodiavina ; fa ankoatran’izay ihany koa dia licence en filosofia izany tsy maintsy hananana amin’izay nahavita ny telotaonan’ ny filosofia izay.
Izay no fizoronan’ny nahatonga ho Pretra ao amin’ny fiangonana ary izay rahateo no hiomanana amin’izay .
Ny antony nifidianako io lohahevitra androany io, dia mba naniriana, satria tao anaty izay lalam-piofanana nandritry ny eo amin’ny 15 taona teo ho eo dia hoe ny niatrehana ny fiofanana izay tany amin’ny kilasy 4ème ary tao aorian’ny bac dia teo amin’ny 10 taona teo dia nisy fotoana nisedra izay tsy maintsy lalovana ary ny sedra ho ahy tamin’izany dia ny tsy fahasalamana , ary tao anatin’izay tsy fahasalamana izay no nandinihako ary nanakarako ny hevitr’Andriamanitra manokana , anisany fepetra nipetraka tamin’izany ny hoe ny olona ho pretra dia tsy maintsy salama ara -batana , ara-tsaina , ara-panahy ,amin’ny maha olona manontolo , amin’ny fifandraisana , amin’ny fahamasinana sy ny fitondran-tena , amin’ny fahaizana izay tsy azo avela ihany koa anisan’ny fepetra tsy maintsy raisina izany ho an’izay mpiomana.
Dia nitebiteby ny saiko hoe izaho tsy salama , ary tena tsy salama tamin’izany,dia teny amin’ny faha telovolana tany niditra hopitaly eo ilay tebiteby amin’izay hoe toa fijaliana amin’ny aretina dia hoe tsy misy ilana ahy intsony izany ao amin’ny fiangonana , noho ny aretina satria tsy salama tsy afaka manantanteraka ny maha pretra ireny ny hoe sedra amin’ny tsy fahasalamana ary teo no nanakarako ny hevitr’Andriamanitra, dia rehefa nohamasinina pretra aho, nandalo sedra, misy zavatra maromaro lalovana dia teo ny tsy fahasalamana…
Teny faneva « ho an’izay voantso dia Jesoa Kristy no hery sy fahendren’Andriamanitra »
Ary io no noraisiko ho teny filamatra , teny faneva « ho an’izay voantso dia Jesoa Kristy no hery sy fahendren’Andriamanitra » ary misy hira an’izay ao amin’ny fihirana katolika ao amin’ny ankalazao ny Tompo . Anisan’ny manentana ahy satria anisan’ny vavaka atao isan’andro misy an’izay matetika, dia misy tononkira mifanaraka aminy nalaina tamin’ny Soratra Masina , ny tononkiran’i Zakaria, ilay Rain’i Joany Baptista no miaraka aminy sy tononkira an’i Maria ihany koa ilay nohirainy rehefa tao amin’ny Elisabeta izy dia hoe :
« Mankalaza ny Tompo ny fanahiko , ary faly sy ravo ho an’Andriamanitra mpamonjy ahy ny foko »
Dia nalaiko, rehefa nohalaliniko anefa io dia miainga amin’ny fampianarany Paoly Apostoly, mifototra amin’ny fampianaran’ny hazo fijaliana dia izay no azo hilazana azy mifototra amin’ny fampianaran’ny hazo fijaliana. Koa raha ny fampianaran’ny hazo fijaliana no jerena, Kristy nijaly dia toa faharesena hoy izy , na fahalemena , na fanafitohinana ho an’ny Jiosy izany, ho an’ny jentilisa dia faharesena sy fahalemena satria raha Andriamanitra tokoa i Jesoa Kristy, nahoana no nanaiky nijaly sy maty ? Tsy manambara faharesena ve izany? Ary raha Andriamanitra tokoa izy zanak’Andriamanitra fanafitohinana ho any Jiosy izany satria Andriamanitra ve ho faty ?
Jesoa Krsity, teny tonga olombelona
Io no nilazan’i Paoly Apostoly azy hoe Jesoa Kristy no hery sy fahendren’Andriamanitra. Inona no mampifandray izay fitenenantsika izay ? Dia satria rehefa ao amin’ny finoana isika dia mierireritra fa mandray sy manaraka hevitra na teny mahafinaritra; izay matetika dia na mamadibadika baiboly aza, dia ny Soratra Masina, dia ilay teny mahafinaritra, fiteny na fihevitra tsara no manintona antsika ka indraindray toa misy avela ihany ny voalazan’ny Soratra Masina , ary satria avelantsika ilay izy, dia satria tsy takatsika ihany koa no tena heviny. Ka raha tsy mahalala isika ny tsiambaratelon’ny fampianaran’ny hazofijaliana, ilay Krsity nijaly sy maty isika, dia sarotra ho antsika ny hamantatra ny hevitry ny soratra voalaza rehetra izay manambara an’i Kristy na ny fanambarana ao amin’ny Testamenta Taloha na ny amin’ny fanambarana ny amin’ny Testamenta Vaovao , dia i Kristy no harahina.
Ary indrindra ny hoe tsy ny hevitra na teny tsara lahatra na soratra no harahintsika, fa i Jesoa Kristy Tompo, ilay teny tonga olombelona mitovy amintsika; ary ny Tompo no arahintsika. Izay no arahintsika mianakavy na iza na iza , na katolika na protestanta : Jesoa Krsity, teny tonga olombelona.
Ary Paoly, teo raha henontsika tsara ny Soratra Masina novakiana tao amin’ny Tesalonianina teo, dia manambara amin’ny tenany sy ny fifandraisany amin’i Jesoa Kristy, manambara ny tenany amin’ny andraikitra sahaniny , sy ny fifandraisany amin’i Jesoa Kristy; ary sahy mijoro hoe: hitanareo ny fitondrantenanay, fa tsy ny noho ny teny fotsiny no hitondranay ny evanjily taminareo , na ny vaovao mahafaly , na ny filazantsara fa tamin’ny herin’Andriamanitra , tamin’ny fitsapan’Andriamanitra , tamin’ny lalam-pitondra-pianana ihany koa nasehonay , iombonanay sy hakanay tahaka an’ilay arahintsika dia i Jesoa Kristy Tompo.
Tian’Andriamanitra hampiasaina na iza na iza
Anisan’ny zavatra nambara izany , manaraka ny fitsipiny. Ary eo indrindra no hiezahantsika hamantatra ny hevitr’Andriamanitra , raha niteny aho hoe : noho izaho tsy salama no nandraisako an’io, dia nahatsapa aho tamin’izany ary eo ny tebiteby hoe tsy misy ilana ahy intsony izany ao amin’ny fiangonana , amin’ andraikitra, nefa ny fikasako sy ny faniriako hatrany amin’ny fahazazako, ary efa lany tao mihitsy ny mondro kely raha izay no hilazany azy, nanoloran-tena sahady, nefa hoe tsy salama dia mety tsy ho tonga pretra , tebiteby izany.
Nefa teo no nahatsapako hoe: hay moa tsy araka izany fijerin’olombelona izany ny filan’Andriamanitra ny olona tsirairay avy; fa manana hasina, ary tian’Andriamanitra hampiasaina na iza na iza. Anisan’ny mampijaly anareo ary mety mampitebiteby , voalohany mampalahelo ny fijaliana amin’ny aretina, tahaka ny nahazo an’i Pasitera , dia manana ny tsy fahasalamana izy , nitebitevy isika mianakavy; fa vao maika mitebiteby isika mianankavy, tsy noho ny hoe hirifiriny fotsiny, fa hoe mbola maro no hilantsika azy, sa tsy izany ? Ary vao maika mitombo ny tebiteby vokatr’izany , mbola maro no hilantsika azy, satria fantatrareo ny mampifandray anareo, fifandraisana tsy hoe amin’inona,fa fifandraisana miorona ao amin’Andriamanitra , Ray , zanaka , Fanahy Masina , miorona amin’ny fanarahana an’ilay Tompo arahintsika dia i Jesoa Kristy; noho izay indrindra ary eo aza no hanentanana antsika , hankaherezana antsika, dia n’inon’inona zavatra mitranga, ary izaho ary miangavy anareo tsy ho triarinareo izy na ho dodosanareo amin’izay « rythme »-n’ny fiainana teo aloha sy ny fomba fiasa; ary mety hanao izany koa ary izy noho ny eritreritra ao anatiny, nefa mety hana-petra ihany noho ny tsy fahasalamany, dia miangavy aho , hifanampy amin’izany isika mianakavy, ary hiangavy koa hoe rehefa tsy tontosa amin’izany hilantsika azy izany, mety tsy hitovy amin’ny tany aloha ohatra. Enga anie dia hitohy ihany ny asa dia tsy hieritreritra hoe tsy misy ilanay an’ny Pasitera intsony, fa misy ilana foana; ary na iza na iza, tsy Pasitera ihany, fa na iza na iza, eo anatrehan’Andrimanitra, miditra ny vavahadin’ny fiangonanareo aho dia mahita ny soratra hoe « tempolin’Andriamanitra na vatanareo ».
Ao anatin’ny teny fanentanana androany ihany koa izany « tempolin’Andriamanitra ny vatanareo » satria izay vatana iombonantsika amin’i Kristy manontolo, izany hoe Kristy loha isika , vatana sy ratsam-batany, araka ny tenin’i Paoly ihany, iombonantsika amin’i Kristy manontolo ny maha vatana masina antsika mianakavy; miompana amin’ilay arahantsika, ka iray ihany isika ao amin’i Jesoa Kristy. Dia izay no ezahintsika amin’ny fitondrantena mendrika mampifandray antsika mianakavy, ary hanambarana hoe na iza na iza dia manan-kasina eo anatrehan’Andriamanitra, ary na dia ny marary fandiranovana eritreretintsika mampalahelo fotsiny aza , na mety ho enta-mavesatra fotsiny aza , misy ilàn’Andriamnitra an’ireny, ary mety ho ilaintsika ihany koa ireny hahatankarantsika ny hevitr’Andriamanitra sy ny fomba fandaharany ny famonjeny mivantana amintsika tsirairay avy.
Miala tsiny fa nandray ny tenin’ny Pape Benoit faha 16 aho, dia nilazany hoe : ao amin’ireo marary fadiranovana ireo dia mbola ilain’ny fiangonana ny vavak’izy ireny aza , raha mahay miombona ao amin’ny fijaliana sy ny fangirifiriana ao aminy izy , ho firaisana fijaliana amin’i Kristy, dia ilaina izany ary miteraka famonjena ho an’izao tontolo izao sy ho an’ny tenany.
Dia manan-kasina ny vavaky ny olona mijaly eo anatrehan’Andriamanitra. Ary mahatonga antsika hamantatra tsikelikely ny fihevitr’Andriamanitra izany, ary izay no nitantarako ny fiainako taminareo. Nanana izany eritreritr’izany hoe tsy misy ilana ahy intsony angambany, nefa rehefa nandeha ny fitsapana Andriamanitra dia nahatsapa aho hoe: hay mbola misy ilan’ny fiangonana.
Tao anatin’izay 12 taona naha Pretra ahy izay dia mitandrina amin’ny fomba fiasa , tsy dia nomena andraikitra be, nefa ny mahagaga, andraikitra mandrakariva no nomena ahy hatramin’izay; ary andraikitra misahana zavatra maromaro satria, izay ihany koa no ifampizarana amintsika. Tsy hoe inona fa ankoatr’izay fianarana natao izay dia niandraikitra teny amin’ny Paroasy Masimbavy Theresa Isotry , eny amin’ny faritra ambany Tanana, hitantsika ihany koa ny maha-sarotra ny asa pastoraly any , tao anatin’izay dia niandraikitra teny, vao pretra heri-taona dia natao Curée sahady. Curée izany dia tompon’andraikitra vaolohany.
Vao pretra 1 taona aho dia natao curée tamin’ny paroasy lehibe izay misy kristianina 18000, dia natao tamin’izany: niasa tao nadritry ny 5 taona ary niezaka nampiroborobo araka izay tratra ny hery. Raha ny zavatra nahazo ahy dia aretin-tratra, tsy fahampiana amin’ny fisefoana , nefa ny fofo -pofona eny ambany tanana ery dia fatantsika, fa tsy izany no nanakana tsy hanantanteraka ny sitrapon’Andriamanitra; ary izay ilay hoe: tsy izaho no mahery na izaho no hendry fa i Jesoa Kristy no hery sy fahendren’Andriamanitra. Ary herintsika mianakavy , fahendrentsika mianakavy fa tsy ho ahy ihany , ho an’ny fiangonana vatany masina manontolo, ho an’izay manara-dia azy , izy no hery , Izy no fehendren’Andriamanitra izay mahatonga antsika hiasa , hijoro , handray andraikitra ary tsy ho kivy, n’inon’nona fahoriana miantra sy fijaliana ao anivon’ny fiangonana sy amin’ny fiaianana maha kristianina antsika, ary hifampaherezantsika mandrakariva.
Misy hasiny mandrakariva ny olona n’inon’inona fijaliana iaretany; ary izay rahateo no hampaherezana antsika ihany koa , tsy hoe mahita ny fijalian’ny olona dia hangoraka sy hangotika fotsiny , ilaina izay ary, fa hijery ihany koa hoe ahoana no fomba hanadratana , hametrahana ny teoran’io olona io eo amiko, eo amin’ny fiangonana , eo amin’ny fiaraha-monina; sao dia heveriko ho enta mavesatra fotsiny izy , na olona ho ampiana fotsiny, fa tsy olona mety mbola afaka hanampy ahy ary hanampy ahy hahafantatra mihitsy ny sitrapon’Andrimanitra sy ny tena hevitr’Andriamanitra.
Izany dia anisan’ny fampianarana ambaranan’ilay hoe: « Jesoa Kristy no hery sy fahendren’Andriamanitra » ary hahafantarantsika ny hevitra marin’ny tena fijaliana handraisantsika ny famonjena tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika .
Ary izany ihany koa no hifampizarako aminareo tao anatin’izay dia mbola voatendry ihany koa aho ho Presbitery episkopaly amin’ny manodidina an’Antananarivo , misy paroasy 122 eo ho eo , distrika 9 , fiandraiketana izany, miampy ny fiandraiketana momba ny fahasalamana, satria misy momba ny fahasalamana ihany koa ao amin’ny diosezy sy eo anivon’ny fivondronan’ny eveka manerana an’i Madagasikara , dia andraikitra mbola sahanina izany mandrak’ankehitriny , ary ankehitriny moa ny tenako, ry hava malala, dia miasa ao amin’ny Grand Seminaire Ambatoraka, mampiofona ireo pretra izay mbola mianatra indray, izany hoe misy Pretra manohy fianarana ao, dia mi-« encadrer » ny fiofanana ho azy ireo, ary miandraikitra ny fiofanana pretra manerana an’i Madagasikara, izany hoe ireo toera-piofanana izay misy zandriny , misy zokiny manerana an’i Madagasikara, dia manao fandrindrana ankapobeny an’izany ny tenako; sady fandrindrana ankapobeny no fiofanana mitohy hoan’ny pretra. Dia izay no andraikitra sahanina.
Dia raha ilay tsy fahasalamako, dia ambara hoe tsy afaka manoatra amin’ilay zoto-po ananana ao anaty dia vaoafetra ihany ny hery. Nefa kosa ao anatin’izay no mandray am-pitiavana izay andraikitra sy adidy atolotr’Andriamanitra. Ary izany rahateo no ataoko fa mampiombona fo sy fanahy antsika amin’ny fandraisana andraikitra, tsy ho kivy n’inona n’inona mitranga; iombonantsika sy ifanampiantsika amin’i Pasitera ihany koa, izay mitady ny fiarenana tanteraka amin’ny tsy fahasalamany, araka ny teny teo hoe mbola maka aina izy, isaorana an’Andriamanitra ny fahasitranany; nefa ihany koa hianatra an’izany ihany koa isika, hiroso lalina kokoa amin’ny fandraisana an’Andriamanit
ra, matakatra sy miezaka manakatra ny hasin’ny fijaliana sy ny fahoriana iaretantsika.
Ary misy trangam-pijaliana maro ankehitriny eo amin’ny fiainantsika, mety mahavery antsika ihany koa, misy karazana aretina maro, tsy voatery aretina ara-batana ihany, misy karazana fonja maro izay mangeja antsika; tahaka an’i Paoly indray mandeha, nanoratra sy nampahery ny kristianina hoe: « izaho aty am-ponja aza mankahery anareo, koa ahoana ianareo no tsy hahery? » Ohatr’izay ihany koa isika, na ao anatin’ny fijaliana sy fahoriana aza, dia miezaka mifankahery hatrany hatrany, ary izay ny hoe manana hasina manokana hatrany isika ka mifanampy amin’ny fifankaherezana.
Dia izay ihany koa zaraina amintsika mianakavy, ary hakantsika ny hery sy ny fahendrena hanakatra izany lahatr’Andriamanitra sy fahendreny, izay tsy hita hopesipesenina izany, ao amin’i Jesoa Kristy Tompontsika, ilay teny tonga nofo.
Dia hitantsika tao ny fifandraisan’i Jesoa amin’ny olona, tamin’ny filazantsara noraisina sy natolotra, na tamin’ny fanoloran’azy tamin’ny ankizy, na ho antsika mianakavy noraisina ho vatsim-panahy teo, ilay hoe nampiasana an’ilay menaka masina; fandraisan’ilay vehivavy an’i Jesoa no nahatatonga azy, ary hitan’Andriamanitra no nahatonga azy hanosotra menaka masina ny vatany, satria entim-pitiavana ny fandraisana ny Tompo izany. Ary heverin’ny olona ho hadalàna izany, heverin’ny olona ho toetra tsy mendrika, nefa kosa teo anatrehan’Andriamanitra, manana fomba fijery manokana an’ireny ny Tompo, ary izay ilay Tompo arahintsika.
Enga anie isika hangataka ny herin’ny Fanahy Masina, mba hanazava antsika, mba hampahiratany ny masontsika, hanana ny fomba fijerin’Andriamanitra ihany koa, hahatakatra ny hevitr’ireny zavatra mitranga eo amin’ny manodidina antsika ireny, ho endrika fifandraisana amin’Andriamanitra, ho endrika hahatakarantsika ny tena fitiavana tokony hifandraisantsika amin’Andriamanitra. Fa fitiavana naseho tamin’ny fomba manokana iny, araka ny voalazan’ny filazantsara teo, natao tamin’i Jesoa; isika ihany koa tokony hanana fomba, fitiavana manokana an’i Kristy.
Satana mikitikitika ahy eo amin’ny fiainako
Tao anatin’izay tsy fahasalamana izay dia hoy indray aho, feno fialonana ihany hoe: ny olona itony toa salama, ireto namako mahavita hatramin’ny mihazakazaka ny tendrombohitra aza, izaho vao mandingana tanatohatra kely dia sempotra mila tsy ho avy miaina; nefa raha mitory ny vaovao mahafaly dia tokony hahavita bebe kokoa aho, indraindray lasa fakam-panahy ihany izany; nefa ao anatin’izay koa hoe: fantatro sy miharihary ny herin’ny satana mikitikitika ahy eo amin’ny fiainako.
Ary izay ihany koa no tiako ho tsapanareo, hamantatra izay fifandraisana manokana amin’i Kristy izay; ary endrika hitanao hoe izao no itiavako azy: vokatry ny fietanam-po sy fietanam-pitiavana, tahaka ny nataon’ilay vehivavy tamin’i Jesoa, nanosotra diloilo teo amin’ny tongony sy nandraraka azy tamin’ny volon-dohany; fa izaho miteny anareo hoe sao hanao fihetsika hafahafa eo koa ianareo, ka sao hoy ny olona hoe: adala angaha ireto?, fa kosa angatahantsika ny herin’Andriamanitra mba samy hahatakatra izany endrim-pitiavana ifandraisana amin’i Jesoa Kristy izany isika, ary haneho izany araka izay vitantsika amin’ny talenta izay ananantsika tsirairay avy. Ary enga anie isika hiorina amin’ny fahendrena sy ny herin’Andriamanitra, dia Jesoa Kristy Tompo, ilay Andriamanintsika. Amena.