FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 07 Jona 2009:Hoy Jesoa tamin'ny roa ambin'ny folo lahy:Hianareo koa va mba te-hiala?

Toriteny Alahady 07 Jona 2009:Hoy Jesoa tamin'ny roa ambin'ny folo lahy:Hianareo koa va mba te-hiala?

Publié le 09 juin 2009 à 12:06

Ry hava-malala ao amin’ny Tompo, mbola ampitomboina amintsika anie ny fahasoavana.

Amin’ity andron’ny Trinité ity dia ny Jaona 6 : 66 – 67 no torina amintsika.
 » Hatramin’ izany dia maro tamin’ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony. Dia hoy Jesosy tamin’ny roa ambin’ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala? »

Ity Jaona 6 ity ry havana dia isan’izay mirakitra fanambaràna lehibe sy sarobidy ato amin’ny filazantsaran’i Jaona ary ato amin’ny testamenta vaovao iray manontolo satria milaza ny fifandraisan’ Andriamanitra sy Jesoa Kristy zanany izay nirahany ho ety amin’izao tontolo izao ho mofon’aina, ho rano mahavelona ho an’izao tontolo izao. Ary ny fihinanana izany mofo izany no hanànana fiainana mandrakizay ary ny fisotroana ny rany no hananana ny fifandraisana amin’ Andriamanitra ary miantoka ny fitsanganana amin’ ny maty.

Izany filazana mivantana ary tsy ampoizina, indrindra ho an’ny sofina jiosy izay, ny azy ny finoana an’ Andriamanitra tokana izay misaraka amin’ny olombelona no tena nahavantana azy indrindra, kanefa eto dia lazaina ankehitriny fa naniraka an’i Jesoa Zanaka izay tao Aminy hatramin’ny mandrakizay ka mandrak’ankehitriny dia sarotra inoana izany.

F’angaha Andriamanitra nanana zanaka izay tao Aminy hatrizay hatrizay ka nampidina izany zanany izany ho tonga olombelona tety amin’izao tontolo izao tao amin’ity Jesoa avy any Nazareta ity, atao ahoana re ny fino an’izany? Ka ity Jesoa ity no lazaina fa antoky ny fiainana, tsy ny ankehitriny ihany fa izay lazaina fa fiainana tsy manampahataperana.

Miteraka fahatafitohinana ny fanambaran’i Kristy

Koa sarotra izany teny izany hoy ny olona, ahoana ny fomba handraisana an’izany? Ahoana ny fomba inoana an’izany? Ary miteraka fahatafitohinana ny fanambaran’i Kristy ny tenany izay milaza hoe:  » Izaho no mofon’aina, Izaho no rany velona izay omen’ny Tompo anareo« .

Ary izany fanambaràn’i Kristy izany, mandrak’ankehitriny dia teny sarotra inoana ho an’ny olona betsaka, ho an’ny olona izay toy ny Jiosy fahizany, olom-boataiza taty amin’ny fiangonana kristianina, izay kristianina ihany, raha ny anarana na ny fiaviana kanefa mandà an’i Kristy, dia tantarain’ny epistily nosoratan’i Jaona rahateo raha vakiana izay any amin’ny toko faha 4 any amin’ny epistily voalohany izay novakiana teo moa ny toko faha 5 fa be ireo « anti-Kristy » izay mandà ny nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo, izany hoe olombelona feno ety amin’izao tontolo izao. Ary misy mandrak’ankehitriny antokom-pivavahana, firehina teolojika, izay tsy manaiky an’izany hoe Jesoa dia ilay Zanak’Andriamanitra hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay, fa heverina fa ohatra antsika olombelona ihany izay nomena anarana petaka hoe mba zanak’Andriamanitra é!

Zanaka natsangana anefa isika, fa i Kristy dia zanaka izay tao amin’Andriamanitra manokana hatramin’ny voalohany ary Izy ihany izay tao an-tratran’Andriamanitra no afaka manambara an’Andriamanitra amintsika.

Betsaka ny olona makany an-tokantranontsika mampianatra izany tahaka ny Vavolombelon’i Jehovah ary izay ny maha TSY kristianina ny Vavolombelon’i Jehovah, mazava loatra na dia mikirakira baiboly fatratra aza fa antokom-pivavahana avy amin’ny baiboly no fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa TSY kristianina satria tsy manaiky ny famonjena izay avy amin’i Kristy Zanak’Andriamanitra, Andriamanitra avy tao amin’Andriamanitra.

Ary tahaka izany koa ny firehana teolojioka sasany ilay atao hoe « libéral« , any am-pitan-dranomasina any, misy paroisse réformée ao Paris izay tsy azo itorina ety ambony pilipitra fa Jesoa Kristy no Zanak’Andriamanitra, misy izany an! Ao Paris mandrak’ity ny androany, raha mitory an’izany ianao ao dia asain-dry zalahy miala eny ambony pilipitra satria ny azy tsy izany fa i Kristy dia ohatry ny hoe mpaminany, olo-kendry sns…, nefa ao amin’ny Eglise réformée de France izany an!

Inona no tsy zavatra mitranga eto amin’izao tontolo izao?! Satria ho an’ny olona toy izany dia teny enjana ny filazan’i Kristy fa Izy no ilay fiainana ka raha tsy mandray azy ny olona, raha tsy miombona Aminy ny olona, amin’ny alàlan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ary izany moa no ilazany hoe: « Ny mofoko no tena fihinana, ny rako no tena fisotro« 

Tsy mitondra antsika ho any amin’ny fiainana mandrakizay akory ny fahendrentsika

Aiza ho aiza eo amin’ny fiainana kristianina moa isika no manatanteraka izany raha tsy eo amin’ny fanasan’ny Tompo, raha tsy miombona amin’i Kristy isika dia tsy manana fiainana ao anaty. Sarotra amin’ny olona ny manaiky izany, raha tsy hoe ny sokajin’olona vitsivitsy na mpivavaka vitsivitsy toy izany ihany no tafintohina amin’izany fa ny ankamaroan’ny mpivavaka koa izay tsy manaiky ny fanambaran’Andriamanitra ny tenany, tao amin’i Kristy rehetra, tsy manaiky ny finoana kristianina ary efa itenenany hoe :

– tsy manana fiainana ange ianareo na mivavaka toy ny inona aza, raha tsy eo amin’i Jesoa Kristy, ka noho izany mila mibebaka, miova, mino, mandray an’izany Jesoa Kristy izany,

– fa na dia hendry aza ianareo amin’ny fivavahan-drazanareo, na manana ohabolana tsara rafitra sy rindra, angano mampieritreritra tokoa, lalina dia lalina rehefa atao ny hevi-teny miangaly, mirakitra filozofia tsy hita velively, ary mainka moa fa ny firenen-kafa izay manana filozofia lojika, ary mandinika fonja kevitra lehibe tsy araka izay fanaon’ny malagasy, fa mbola avo lenta noho izany raha amin’ny famoronana hevitra mirindra, hanoratana boky be efa an’arivony pejy izay tena tsy vitantsika malagasy amin’ny filozofiantsika moa izany, fa ny antsika ohabolana kely notsimpotsimponina kely teny, dia iny no harindra eo fa ny an’olona ahavitana « système », rafi-pisainana iray manontolo,

Ka na dia mahavita an’izany aza isika dia tsy ahavonjy antsika izany fa ny hananantsika fiainana dia ao amin’i Jesoa Kristy satria tsy mitondra antsika ho any amin’ny fiainana mandrakizay akory ny fahendrentsika na dia ny tsara rafitra indrindra, na dia ny akademika indrindra, na dia milaza fa hendry indrindra, sy kinga indrindra, sy fetsy indrindra amin’izao fiainana izao.

Kristy irery ihany no fiainana

Ho an’ny olona maro indray mihira amintsika dia mbola enjana : manafintohina, manorisory izany teny ny amin’i Kristy hany fiainana izany. Tsy hoe Izy no fiainana dia mbola misy koa fanampiny arakaraka izay safidy, fa Izy irery ihany no fiainana, ary izany no manafintohina ny mpanaraka ny fivavahan-drazana eto Madagasikara izay mipoitra foana moa ary izy moa no betsaka eto Madagasikara, ny filazana fa tsy manana ny fiainana ianao raha tsy ao amin’i Kristy izany, na inona na inona ho lazainao eo raha ny fanambaranan’Andriamanitra ny tenany tao amin’i Kristy no entina mamaky ny toe-javatra, ary izany no fomba fijery kristianina tena izy, fa tsy fomba fijery filozofika no ampiadina akory, dia manafintohina izany kanefa izany no tsy maintsy torina sy ambara na inona na inona, ambom-pontsika malagasy hoe izahay koa mba manana ny fivavahanay, izahay koa mba manana ny fahendrenay. Misy ary ny sasany tonga ety amin’ny pilipitra, kabary malagasy no ataony fa tsy mitory teny, tsy manambara an’i Kristy, tsy hoe rehefa be resaka akory dia mahay mitory teny, ary asiana andriamanitra kely ny fehezanteny.

Raha tsy misy an’i « Kristy » ao amin’ny toriteny, tsy toriteny kristianina izany, satria tonga hatrety am-piangonana koa, ndrao ianareo mihevitra fa ny « libéral » any Paris any ihany no tsy mitory an’i Kristy, fa na dia ny mpitandrina malagasy, izay efa hanjakan’ny nentin-drazana koa na miakatra eto aza dia tsy ny filazantsara no torina fa ny filozofia malagasy na ny teolojia malagasy satria manana ny teolojiany ihany koa ny razam-be malagasy, fa tsy kristianina izany satria tsy ao i Kristy! Aoka hazava ny resaka!

Hianareo koa ve mba te hiala?

Ary manafintohina izany mandrak’ankehitriny, fa ahoana loatra no izany? F’angaha ny anay ambanin’izany? Tsy hoe ambany na ambony; ataovy ambony fa rehefa midaboka koa ny ambony dia mafimafy noho ilay aty ambany ary! Ary eo anatrehan’Andriamanitra izay naniraka an’i Kristy zanany dia midaboka ho azy ny zavatra rehetra, ary io tsisy fanambatambazana, ary izay izao no anton’ilay toriteny eto ange.

Betsaka ny olona tsy manaraka Azy, ahoana kosa izany? Zany kosa ve dia tsy « impérialisme« ? Izany hoe tadiavinareo ampanjakàna fotsiny ny hevitrareo kristianina sy ny testamenta vaovao sy ny inona?

Tsia, tsy voatery hanerena an’iza na iza izany, ary izay no tenin’i Kristy:  » Hianareo koa ve mba te hiala? »

Betsaka ny olona nandao ny mpianatra, tsy manaiky an’izany teny izany hoe fa ahoana koa izany? Fa Ianao no iza sns….

Tsia, tsy misy hoe Ianao no iza fa fanambaran’Andriamanitra ny tenany tao amin’i Kristy, araka ny lazain’i Jaona ery am-piandohana toko 1 andininy faha 18:  » Fa ny zanaka dia eo an-tratran’ny Ray« , Izy no manambara ka nambarany ary ilay izy!

– Iza no mahazaka an’ izany?

– Iza no afaka hino sy handray an’izany?

Safidy io, tsisy terena izany eo, tsisy vozonana izany eo hanaraka an’izany, ka noho izany amintsika koa mipetraka izany!

Safidio ny fivavahanao, Kristy tsy manambitamby anao hanarak’Azy be fahatany nefa tsy resy lahatra ianao, tsy manao propagandy Izy ka izay habean’ny olona na ho any na tsy ho any, roa ambin’ny folo lahy sisa no miresaka Aminy eo, tsy mampaninona Azy izany, lasa ny olona, Izy tsy nanao hoe miverena re ry olona fa inona no tsy nety teo fa amboarina kely, mi-grevy na hoe manao négociation izy ity ka dia aleo…

Tsisy négociation izany ny fanambaran’Andriamanitra ny tenany tao amin’i Kristy, tsisy fanambatambazan’olona izany, na ny Apostoly aza mbola nolazainy hoe  » Hianareo koa sao dia mba te hiala? ».

Satria ny fanambaran’Andriamanitra ny tenany eto no lazaina fa tsy hevitr’olombelona ampiadiana eo ka hoe mety marina an-tsasany, am-pahatelony, na toy izany fa Andriamanitra milaza hoe inona no maha Andriamanitra Azy? Ary ahoana no hamonjeny ny olombelona!

Ary izany no fanontaniana mipetraka amiko sy aminao ankehitriny. Betsaka ny niala, betsaka ny tsy hita intsony, andao isika hipetraka eo fa misy tambatambazana hipetraka eo. Azafady, ianareo koa sao dia te handeha hiala?

Aleon’i Kristy olom-bitsy tonga saina mahalala ny antony hanarahana an’i Kristy toy izay be nahoana mora rebirebena, mora tafintohina. Ny sasany ary moa tsy finoana akory no manafintohina azy fa zavatr’hafa : olombelona kely eto, hevitra mande eroa, inona rehetra rehetra eo. Izany hono no manafintohina azy.

Aza manaraka, Tompo tsy manambitamby anao raha marina, miantso anao Izy, satria tiany hovonjena ianao, fa rehefa hoy ianao manoloana ny fanambarany hoe tsy hanaraka an’izany aho fa ohatry ny tsy mety amiko izany : mahazo mandeha!

Izany no maha kristianina antsika ary izany no mahatonga antsika tsy maintsy taizaina tsara hahay hanapa-kevitra ny amin’ny fanarahana ny Tompo.

Fa raha tsy misy fotoana toy izany hafahantsika tena mieritreritra hoe : inona tokoa moa no nahatongavako teto? Ny sasany manara-bady fotsiny no ahatongavana eto, tsy hita mandra-pirava, amin’ny firy ihany aza izy ity fa ilay ramatoa iny…, ny sasany hitady vady, tonga hatrany an, aleo aloha hitady vady eto, fa tsy izany no ahatongavanao eto fa : ianao ve te hiaraka amin’ny Tompo sa tsia? Ny sasany tsy mahita atao any antrano, vao mainka koa tonga ilay fanontaniana, sao dia te hatory any atrano koa ianao? Ny sasany izao mierotra any an-trano any izao isika miteny izao! Haninona hangatsiaka aty? Izany hoe samy tsy maintsy mahalala ny antony ahatongavany eto daholo!Tsisy tongatonga ho azy! Tsy hoe dadanay teto dia izy mitaona biriky, izao zao moa vita ity dia hoe dadanay no nanao ilay rihana, bebeanay no izao…, tsy izay no ahatongavanao eto an!

Fa fantatrao ve Kristy izay mametraka fanontaniana aminao? Fantatrao ve ny maha-mpino anao? Ary soa ihany tao amin’ny roa ambin’ny folo lahy ao fa nisy an’i Petera niteny rehefa lasa ny ankamaroan’ireo mpianatra; misy moa ny mpianatra dia be lavitra noho ilay tena roa ambin’ny folo, fa izy no niteny an’ireo roa ambin’ny folo lahy hoe: « Andeha any amin’iza moa izahay? »

Tsy hoe tsy mana-trano hodiana akory no dikan’izany an, fa ilay hoe : Hakany amin’iza ny fahalalàna an’Andriamanitra? Hakany amin’iza amin’ny famonjena? Hakany amin’iza amin’ny androm-piainana? Hitady filozofy iza indray izahay? Hitady teolojianina iza indray?sns…

Tsy mahita aleha intsony izahay satria izahay koa ange efa mba mpianatr’olon-kafa fahiny é! Araka ny tantara rahateo moa, ry Petera sy ny namanay ange mpianatr’i Jaona mpanao batisa é, no nahita an’i Kristy dia avy eo nanaraka é! Nanana mpampianatra ngeza be ohatra an’i Jaona, ary i Jaona tsy hoe olon’olom-poana fa olon’Andriamanitra kanefa tsy ilay fanambaran’Andriamanitra, tsy ilay mazava hoy ny toko 1 amin’ny filazantsaran’i Jaona fa tao ny tena mazava dia i Jesoa avy any Nazareta. Fa hakany amin’iza intsony izahay, izahay ange efa avy any amin’i Jaona ilay fara-tampony tamin’ny mpaminanin’Andriamanitra talohanao, ka andeha ho aiza indray izahay rehefa hiala avy eto aminao? Mbola misy indray angaha azonay arahina? Satria ianao ilay masin’Andriamanitra, izay mino ka mahalala fa ianao tokoa ilay avy amin’Andriamanitra!

Fa inona aminao Kristy?

Mila an’izany fanekem-pinoana izany ny Tompo, mivoaka avy amin’ny vavantsika, ary izay ny an’i Petera izay, ianao ilay masin’Andriamanitra fa ny anao inona, mba lazao amin’ny fiteninao hoe ny finoana an’i Jesoa Kristy, aza manka-tahaka an’i Petera, iza i Kristy ho anao ka mahatonganao mijanona eto io? Fantatrao fa iza ary no inoanao, fa iza Kristy? Tena Mpanafaka anao, tena Mpamonjy anao, Mpanavotra anao, Mpamela heloka anao, Mpanome dikan’ny fiainanao?

Fa inona Kristy? Fa mpandrebireby anao! Tsy mahatafandry mandry anao fotsiny eo, sa tsy dia fantatrao loatra fa zana-bazaha tany sns…, satria izany moa no filaza an’i Kristy tamin’ny taon-jato faha 19 teto Madagasikara: « Andriamanim-bazaha ». Ary any amin’ny faritra sasany eto Madagasikara iza izany Jesoa Jesoa izany:  » Vazaha » iza? Fantatro tsara ve Jesoa? Ary iza no mba ilazanao ny Aminy?

Rehefa hivavaka mangina isika rehefa avy eo dia lazao tsara, ao amin’ny vavaka mangina ao hoe: Fantatro, inoako tsara fa Ianao Kristy hoe no izao… tonony izay mba ahafantaranao Azy. Ho hitany eo, ho henony eo tsara daholo! Tsy misy mahazo mivoaka eto rehefa atao izay vavaka izay, amin’ny fiteninao, amin’izay mba takatrao hatreto aloha, lazao tsara izany mba ho fantatra fa tena nijanona teto noho ny amin’ny finoana ianao.

Izaho no nifidy anareo hoy Kristy

Ny tena mampieritreritra ny amin’ny tohin’ity tantara ity dia izao:

Hoy Jesoa, Izaho ange no nifidy anareo, tsarovy tsara ry izy roa ambin’ny folo lahy, Izaho no nifidy anareo, nefa ny anankiray aminareo aza dia « devoly », miantso an’i Jodasy! Satria izy no hamadika Azy, izany hoe na dia nofidian’ny Tompo tokoa aza dia mbola tsy azo antoka akory izany. Efa manana andraikitra ianao amin’ny finoanao, amin’ny finoana an’i Kristy,

Inona no nanaovanao ny teny? Inona no nahafantaranao Azy tokoa? Sao dia nandiso fanantenana anao Kristy?

Misy te ampiasa ny Tompo ho fitaovana fa tsy hanompo azy

Jodasy ange diso fanantenana tamin’i Kristy é! Nantenainy fa hitondra fanavotana, fanafahana ho an’ny vahoaka, ny azy izany Jesoa Kristy mpanao politika, Mesia politika no nandrasany teo hanafaka ny fireneny amin’ny fanjanahantany romanina sns…, Jesoa angaha nety nanao an’izany, tsy nety naka fitondràna Jesoa, nanahirana azy, diso fanantenana izy hoe izahay ilay efa mpitolona, mpanao fanamiana, efa izao, dia izao ohatry ny mihanahana, angaha tsy rehefa asaina miady amin’ny Pilato eo ve izy tsy aneho ny sandriny eo?

Iny fa mbola nanaiky ho faty eo ihany? Tena tsy lasa ity fa, namono tena moa izy ny farany hoe tena tsy lasa intsony, satria kivy, diso fanantenana ny amin’ny Tompo.

Izany hoe na dia nofidian’ny Tompo tokoa aza isika ary Izy nilaza hoe Izaho no nifidy anareo, isika nofidian’ny Tompo koa, dia ohatran’ny misy amintsika ihany anefa ny devoly avy eo. Izany hoe hisaraka amin’ny Tompo, hiala amin’ny Tompo, hamadika ny Tompo, ho diso fanantenana ny amin’ny Tompo satria te ampiasa ny Tompo ho fitaovana fa tsy hanompo azy, hanara-dia Azy.

Ary Tompo tsy manaiky ataontsika an’izany, lasa ianao, lasa devoly ho azy ianao, misara-dalana Aminy eo ianao. Izay moa no atao hoe « devoly » : mampisaraka, na ilay misara-dalana. Ka io arakaraka ny finoanao ihany tsinona , ianao no manana andraikitra amin’izany. Ny Tompo, ny andraikiny dia ny mifidy anao, fa ny hijanonanao ao amin’ny Tompo koa dia mbola safidin’ny finoanao, fa tsy nisy notazomina tamin’ny rojo vy akory teo ka tsy afa-mihetsika intsony hoe: « e, tratran’ny Tompo ka eo tavela eo »! Tsisy an’izany an! Fa miankina aminao ihany io, manjary olom-boafidy lasa devoly ohatra ny Jodasy ianao, ka aoka samy hieritreritra daholo ny amin’ny fanarahana ny Tompo.

Trinite

Fa inona àry ny fanantenantsika araka izao teny izao? Ny fanantenantsika dia zavatra 3, ary izay moa no maha « Alahadin’ny Trinité » azy, ary zavatra fintinina amintsika izany.

– Voalohany indrindra hoy ny Tompo dia izao: « Ny fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa na inona na inona, ny teny izay lazaiko taminareo dia Fanahy sy fiainana« .

ilay fanahy eto izany tokony « F » lehibe fa tsy ohatra ity baibolintsika ity, amin’ny dikanteny rehetra hafa io dia  » F » lehibe, izany hoe ny Fanahy Masina no tiany ho lazaina.

Ny fanahin’Andriamanitra, ny fanahin’Andriamanitra no mahavelona, tsy hoe ny fanahintsika no mahavelona, tsy mila mpamonjy intsony isika raha ny fanahintsika dia efa mahavelona antsika, lany andro maty ho azy teo amin’ny hazo fijaliana Jesoa koa ny fanahinao dia efa mahavonjy anao, tsy izany io, fa ny Fanahy Masina, ny fanahin’Andriamanitra, io no mahavelona, fa raha ilay maha olombelona, ilay nofo izany no ilazana ny olombelona manontolo, fa raha ilay olombelona fotsiny, tsy mahavelona azy ny tenany, fa miankina amin’ilay fanahin’Andriamanitra, ilay nofofonina fofon’aina avy amin’Andriamanitra, iny ny Fanahy iny, mahavelona, ary ny teny izay ambarako hoy Izy dia avy amin’io Fanahy io, ary manome anareo fiainana. Izany hoe ny Fanahy Masina izany no raisintsika, handraisantsika ny tenin’i Kristy fa raha tsy izany io, dia tafintohina eo koa isika. Ary io no angatahintsika fatratra. Omeo an’izany fanahinao izany aho Tompo ahafahanay mandray ny teninao fa hay ny teninao avy amin’ilay Fanahy, mba hanananay fiainana.

– Ary ny zavatra faharoa dia izao: Andriamanitra Ray no miantso antsika hanatona Azy, ary izay ilay lazainy hoe  » Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ny Ray azy izany » (andininy 65).

Hay izany hery avy amin’Andriamanitra ihany koa no ahafahana manatona an’i Jesoa, manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy fa tsy hoe ny herinao, fa Andriamanitra no manome hery anao hanatonana Azy. Zava-dehibe izany, fa tsy misy afaka miantehatra amin’ny herin’ny tenany izany eto, ary Jesoa kristy izay nifidy anao dia hifikiranao amin’ny finoana mafy orina, satria Izy no tena fiainana.

– Avy eo ilay zava-dehibe amin’ny atao hoe Trinité fampianarana ny amin’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina, izay no antoky ny fiainantsika. Raha tsy miorina amin’izany isika dia lasa mandeha, satria tsy manana ny Fanahy Masina, satria tsy notaomin’Andriamanitra sy nomeny hery hahay hanaiky an’i Kristy, ary satria tsy manaiky rahateo an’i Kristy amin’ny fanekem-pinoana tsy azo hozongozonina.

Enga anie amin’izao alahady natokan’ny fiangonana eran-tany ho an’ny « Trinité » izao mba samy hahay hamaly amin’ny finoana velona isika, amin’ny fanontaniana tsy miolaka ataon’i Kristy amintsika hoe:  » Ianao koa va manoloana ny fisitahan’ny maro tsy hanarak’Ahy intsony, ndrao mba te hiala koa ianao? » fa tena azonao atao izany. Amen.

Dr Rakotoharintsifa Andrianjatovo,
mpitandrina FJKM Ambavahadimitafo


Lire aussi

05/09/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny batisa

Alahady 05 septambra 2021, alahady faha-14 manaraka ny Trinite : – nanatanterahan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA) ny vokatra– hibanjinana amin’ity volana Septambra ity ny lohahevitra hoe « Miorena ao @ Tompo @ batisa »– nitsofana rano ny mpitandrina Randrianasolo Elinah niza-draharaha teto @ fiangoana Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 3

29/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Araraoty ny andro azo hanaovan-tsoa fa ratsy izao fiainana izao

Alahady 29 aogositra 2021, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 6 : 27-36 : « 27Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’izay mankahala anareo; 28misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. 29Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha

23/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mandinika ny fanoloran-tenan’ny mino i Jesoa

Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Alahady 22 aogositra 2021 nitondran’ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 12 : 41-44 : « 41Ary raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao. 42Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka

23/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny zanany hahazo fialofana

Famindram-po sy fahamarinana ho an’izay manao asa tsara. Ny vavaky ny marina no mamonjy ain’olona. Ny fahatahorana an’i Jehovah no loharanon’aina Alahady 15 aogositra 2021, hitondrana am-bavaka ny asa Aumonerie nationale eo anivon’ny FJKM mbola andinihana ny lohahevitra hoe « Miorena @ asa tsara ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Ohabolana

08/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Karakarao ny tanindrazana

Alahady 08 aogositra 2021 izay mbola hibanjinana ny lohahevitry ny FJKM hoe « Miorena @ asa tsara ». Ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 21. Andeha hiombona @izany fotoana izany :

02/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miorena amin’ny asa tsara

Alahady 01 aogositra 2021, nanatanterahan’ny Tetik’asa Mendrika (Vokovoko manga) ny vokatra, ary handinihana amin’ity volana ity ny lohahevitra hoe « Miorena amin’ny asa tsara » izay nangalan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra. Andeha hiombona amin’izany fotoam-pivavahana izany :

27/07/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Inty aho, iraho aho

« Masina, Masina! Masina Jehovah Tompon’ny maro, heniky ny Voninahiny ny tany rehetra » Alahady 25 Jolay 2021, alahady faha-8 manaraka ny Trinite hamaranana ny lohahevitra hoe « Miorena amin’ny antson’ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Isaia 6 : 8 « Inty aho, iraho aho » Andeha hiombona amin’ny fotoam-pivavahana :

24/07/2021 Fanompoam-pivavahana

Fanokanana Masera MAMRE FJKM Ambavahadimitafo 24 jolay 2021

Notokanana ho Masera MAMRE F.J.K.M. i : – RAFARAMALALA Christine – RAZAZAROHAVANA Pierrette – RAMILISOA Dina Raymonde Elisa – RANDRIANJANAHARY Minah Felaniony Teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny asabotsy 24 jolay 2021 Araho ny fotoana tamin’izany :

20/07/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ho tompon-daka any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra

Alahady 18 Jolay 2021, hiombonana @ sampana Fivondronana Laika manerana ny FJKM, hibanjinana amin’ity volana ity ny lohahevitra hoe « Miorena @ antson’ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Filipiana 3:12-16 : « 12Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’i Kristy

11/07/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny STK – 11 jolay 2021

Alahady 11 Jolay 2021, alahadin’ny STK, nitondran’i Pasteur Misaina ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 10;1-10. Handeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :