FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 06 septambra 2009 : Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina

Toriteny Alahady 06 septambra 2009 : Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina

Publié le 09 septembre 2009 à 12:09

Mbola ho ampitomboina aminareo anie ry havana ny fahasoavan’i Jesoa Kristy ilay Tompo tiantsika.

Fomba fiteny izay mahazatra eny anivon’ny fiaraha-monina ary indrindra mety mahatratra ihany koa ny kristianina ny hoe : hamisavisana ny ratsy no hiavian’ny soa. Ary ny Kristianina indraindray aza rehefa tojo fahasoavana na tojo fahombiazana eo amin’ny fiainany dia mazana izy miteny ny amin’ny hoe : efa nanahy ihany ny amin’izao zavatra izao aho kanefa dia tafita ihany, efa nanana fisalasalàna ihany ny amin’izao toe-javatra izao kanefa dia nahomby ihany.

Fa mifanohitra amin’izany ry havana, raha ny finoana no resahina, satria raha miresaka ny finoana isika dia ny hamisavisàna ny zavatra tsara izay tiana ho tanterahina eo amin’ny fiainana, izany no ahatanteraka izany, ny hamisavisàna ny zavatra tsara izay tiana ho tanteraka eo amin’ny fiainana, izany no ahatanteraka izany.

Ny finoana no maha-kristianina ny mpino

Andeha àry ny epistily ho an’i Hebreo 11, 1-4 no jerentsika, ny andininy faha 11 dia miverimberina ao ny teny hoe FINOANA, fa ny andininy 1-4 kosa dia ahatsapàna ny amin’ny hoe finoana no maha-kristianina ny mpino, dia mipetraka ny fanontaniana ny amin’ny hoe ahoana moa no ahafahana milaza an’izany ?na hoe inona no antony ilazàna hoe maha kristianina koa ny finoana !

Maha kristianina ny mpino ny finoana satria fanohitra lehibe ho an’ ny fiainany izany finoana izany ; raha mijery isika ny andininy 1 manao hoe : « ary ny finoana no fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita ». Ity andininy 1 ity dia fanomezana famaritana izany finoana izany, ny amin’ny hoe inona tokoa moa izany finoana izany ? Inona moa no zavatra mety tsy maintsy fantarina ny amin’izany finoana izany ?

Famaritana ny atao hoe « finoana »

Ny finoana araka izao andininy 1 izao dia fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, mazava loatra fa zavatra tsara izay tiana ho tanteraka eo amin’ny fiainana ny zavatra izay antenaina resahina, satria tsy misy olona izay maniry zavatra ratsy eo amin’ny fiainany, tsy misy olona izay maniry tsy fahombiazana; araka izany ny finoana dia fahasahiana manantena zavatra tsara eo amin’ny fiainana, fahasahiana mahatoky fa hisy zavatra tsara hotanteraka; ary izany no ahafahana milaza fa ny finoana dia fanantenana izay miredareda, mivaivay ao anatin’ny olona ny amin’ny handraisany zava-tsoa anankiray eo amin’izany fiainany izany, araka izany ny finoana no ahafahana mihoatra, manatratra tanjona anankiray manoloana ny zava-tsarotra izay atrehana eo amin’ny fiainana, noho izany ry havana ny finoana no mampandresy ny mpino manoloana ny fiainany satria izany finoana izany no fanamby lehibe ho an’ny mpino.

Ny fototra iorenan’ny finoana

Ry hava-malala ao amin’ny Tompo, manao ahoana tokoa re ilay finoana izay miorina ato anatintsika? Isika tsirairay avy ve isan’izay mba manantena zavatra tsara eo amin’ny fiainana sa sanatria miahiahy lava?

Raisintsika ohatra ny fiainam-pirenena izay misy amin’ny andro ankehitriny, toa milamindamin-dratsy amin’ny ankapobeany, ianao izay kristianina ve isan’ny mino fa ho tonga amin’ny filaminana tanteraka izany firenena izany sa sanatria ianao ilay hilaza fa tsy hilamina io raha tsy tahaka izao ny fepetra izay hitondràna an’ izany firenena izany, tsy hilamina io raha tsy tahaka izao ny endrika fitondràna izay hajoro amin’izany … Tsarovy ry havana fa raha ianao kristianina tsirairay avy no samy manana fanantenana, manana finoana fa hilamina izany firenena izany dia ho tanteraka izany satria Andriamanitra manana ny fomba fiasany Izy, ahafahany manao izany; araka ny teniny hoe:  » ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny làlanareo tsy mba làlako », ary tsy ny firenena ihany fa ny fiainantsika iray manontolo, mba sahy manantena zavatra tsara eo amin’ny fiainanao ve ianao, sa fanahiana lava no miseho.

Ny mahagaga mantsy ry havana dia, asa na efa difotry ny fahantrana loatra ny olona, asa na difotry ny fahoriana loatra ny olona, hany ka kivy manoloana ny fiainana ka vaky vava aza ny tena amin’ny hoe izahay moa mba ho aiza é? Inona moa no mba vitanay é? Izahay ve ohatra izao ny fiainanay dia ahoana no ahafahanay manantanteraka izany? Ka ao anatin’izany fanahiana izany dia mazava loatra fa tonga amin’ilay tenin’ny Tompo hoe: « tongava aminao araka izay hirianao », mazava loatra fa tsy ho tanteraka amin’ny fahombiazana ny olona, tsy hahomby amin’izay atao raha fanahiana no mialoha satria ilay fototra izay hiorenan’ny finoana no rava ao anatin’izany; koa enga anie ry havana isika tsirairay avy samy hanantena fahombiazana, samy hanantena zavatra tsara eo amin’izany fiainana izany satria izay ilay finoana izay miorina ao anatintsika.

Ny fomba tsara hanantanterahana ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny alàlan’ny finoana

Fa ny zavatra faharoa dia ny hanamarinan’Andriamanitra ny mpino, araka ny tenin’Andriamanitra hoe: « finoana no nananteran’i Abela fanatitra tsara ho an’i Kaina, fa izany no nanambaràna azy fa marina satria Andriamanitra no nanambara ny amin’ny fanatitra nataony »; ambara eto fa ny finoana izay tao anatin’i Abela no nanaterany fanatitra tsara ho an’Andriamanitra. Hitantsika ao amin’i Genesisy 4, 1-14 ny amin’izany Kaina sy Abela izany ary perikopa izay voalahatra ho antsika amin’ity anio ity izany, araka io Genesisy io raha mijery isika amin’izany Kaina izany dia mpiasa tany, i Abela kosa etsy andaniny dia mpiandry ondry, ary tamin’ny fotoana anankiray izay nanaovan’izy roa lay fanatitra, i Kaina dia nitondra ny vokatry ny tany fa i Abela kosa tetsy andaniny nitondra ny vokatry ny fiompiana izay nataony o fanatitra teo anatrehan’Andriamanitra ary Kaina dia zara fa nanao izany fanatitra izany, nataotaony foana izany, nataony tamin’ny tsy faharesen-dahany izany, fa i Abela kosa araka ny lazain’ny soratra masina eto dia: ny voaloha-teraky ny ondriny ilay matavy indrindra no nateriny ho an’Andriamanitra, izany hoe ilay tsara indrindra no natolony ho an’Andriamanitra, hitantsika ao amin’ny andininy faha 4 ny fankasitrahan’Andriamanitra an’i Abela noho ny fanatitra izay nataony, fa i Kaina sy ny fanatiny kosa dia tsy nankasitrahan’Andriamanitra.

Hita araka izany ry havana fa ny fanaovana fanatitra araka ny finoana no hanamarinan’Andriamanitra ny mpanompony. Ry havana malala ao amin’ny Tompo, raha manao fanatitra araka ny finoana isika dia hankasitrahan’Andriamanitra izany ary fahombiazana eo anatrehan’Andriamanitra, dia mipetraka eto ny fanontaniana hoe ahoana moa no ilazàna fa mahomby eo anatrehan’Andriamanitra ny olona iray?ny valiny dia hoe rehefa ankasitrahany ny zavatra ataony, ary izany ny zavatra izay imatimatesantsika na amin’ny hoe ahoana no ankasitrahan’Andriamanitra ny zavatra izay ataontsika. Araka izany dia fahombiazana eo anatrehan’Andriamanitra ny fanantanterahana ny fanatitra amin’ny finoana; ary tsy eo amin’ny fanatitra ihany izany fa amin’izay rehetra ataontsika na inona na inona dia tsarovy fa raha tsy amin’ny finoana dia zava-poana izany.

Ankasitrahan’Andriamanitra ny fanatitra miorina amin’ny finoana

Ohatra manantanteraka fanatitra isika dia ao anatin’izany ny harentsika manontolo no atolontsika an’Andriamanitra kanefa tsy ao ilay finoana dia tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany satria tsy miorina amin’ny finoana ilay fanatitra izay ataontsika, fa raha ao kosa ilay finoana na dia kely aza ny ataontsika dia izany no ankasitrahan’Andriamanitra, ary tsy eo amin’izay fanatitra izay ihany sy eo amin’izay ataontsika ho an’Andriamanitra; isika rehetra izao samy manana ny toetra izay hanompontsika an’Andriamanitra, misy ny manana sehatra kelikely kokoa amin’izany fanompoana an’Andriamanitra izany, misy ny manana sehatra lehibebe kokoa, misy ny manana sehatra tena midadasika be mihitsy mba ahatonga an’Andriamanitra ankasitraka anao, koa n’inon’inona atao na fanatitra na fanompoana dia ataovy amin’ny finoana izany.

Hafatra ho antsika kristianina

Ho famarànana izao toriteny izao dia izao: n’iza n’iza olona ety ambonin’ny tany dia samy manana finoana avokoa, n’iza n’iza olona ety ambonin’ny tany dia samy te ahomby avokoa eo amin’ny fiainana, ary n’iza n’iza olona ety ambonin’ny tany dia samy manao fanatitra, samy manao fanompoana, saingy mipetraka ny fanontaniana ny amin’ny hoe: « inona no iavahan’ny tsirairay avy, ao anatin’izany? Inona no mampisongadina ny tsirairay avy, ao anatin’ny zavatra samihafa izay ataony izany?Raha ny mampisongadina antsika kristianina, ny maha-kristianina antsika dia izao hoe: ny finoantsika miorina ao amin’i Jesoa Kristy, finoana izay miorina ao amin’i Jesoa Kristy, satria Izy ilay fehizoro indrindra ary ao Aminy no irafetan’ny rafitra rehetra. Koa raha manantena fahombiazana eo amin’ny fiainanao ianao, raha manao fanatitra ianao, raha manao fanompoana eo anatrehan’Andriamanitra ianao dia ataovy ao amin’ny finoana an’i Jesoa izany, mba ahatonga anao ahomby eo amin’izay maha-kristianina anao izay.

Koa sahia ry havana mijoro amin’ny finoana an’i Jesoa, ary izany no antoka lehibe hampahomby anao eo amin’ny fiainanao, izany no antoka lehibe izay hampisongadina anao amin’ny maha-kristianina anao; enga anie hankasitrahan’Andriamanitra amin’ny alàlan’ izany finoana izany isika. Hoy ny soratra masina hoe:  » Na inona na inona ataonareo na amin’ny teny na amin’ny asa dia ataovy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izany ».

Dia ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra fa ho antsika kosa ny finoana izay miorina ao amin’i Jesoa Kristy, ilay Tompo tiantsika. Amen.

Rakotonoeliarimanana, mpitandrina


Lire aussi

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika

08/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 08 Janoary 2023

Alahady 08 Janoary 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Tinarisoa Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao hanaraka ny fotoana :

01/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Taombaovao 2023 : Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny… hiasa sy hitandrina azy

Ankino amin’i Jehovah ny làlanao ary matokia Azy fa ataony tanteraka izany. Miarahaba anao nahatratra izao taona vaovao izao ka mirary soa anao ho fenoin’ny Tompo ny fitahiany Tompo ianao mandritra izao taona 2023 izao. Alahady 01 Janoary 2023, andro voalohany, alahady voalohany amin’ity taona 2023 ity, andinihina ny lohahevitra amin’ity volana ity manao hoe

25/12/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Noely 2022 : Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao

« Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao », Lioka 1:28 Arahabaina ianao nahatratra izao Krismasy 2022 izao, mbola hibanjinantsika ny lohahevitra hatrany hoe « An’ny Tompo ny Fanjakana ». Andeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana krismasy izany :

22/12/2022 A la une . AMA . Antso sy filazana

Noely 2022 : Ny hatsarany

Atolotry ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo ny Sabotsy 24 desambra 2022 @ 06.30 ora hariva, antsan-kira Noely 2022 mitondra ny lohateny hoe « Ny hatsarany ». Manasa anao hiombona amin’izany fotoana izany eny @ FJKM Ambavahadimitafo. Mirary krismasy sambatra !

18/12/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Katekomena . Toriteny

Alahady fanokanana Katekomena « Sandratra 2022 »

Alahady 18 desambra 2022, fotoana nanokanana ny katekomena andiany « Sandratra » teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Mbola anatin’ny lohahevitra hoe « An’ny Tompo ny Fanjakana ». Ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 12 : 32-40 no nanotoriana tamin’izany : « 32Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana. 33Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana;

11/12/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin’izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza, dia halaina aminy

Alahady 11 desambra 2022, natokana ho an’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra na Sekoly alahady manerana ny FJKM ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « An’ny Tompo ny Fanjakana« . Ny mpitandrina Rakotoarisoa Heritiana, filohan’ny Sekoly Alahady Foibe no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 19:11-28 : « 11Raha mbola nihaino izany ny olona dia nandroso niteny ihany Jesosy ka

04/12/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Jobily 25 taona Past. Alain Randrianarisoa . Toriteny

Alahady 04/12/2022 : Haleloia, hidera an’i Jehovah @ foko rehetra aho

Ny Alahady 04 desambra 2022 kosa no fotoana nankalazana an’Andriamanitra, niaraka tamin’ny fiangonana manontolo sy ny zanak’am-pielezana noho ny Jobily faha-25 taona nitandreman’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain mivady. Manàsa anao hiombona amin’izany fotoana izany :