FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 02 Aout 2009 : Tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo

Toriteny Alahady 02 Aout 2009 : Tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo

Publié le 05 août 2009 à 12:08

Ampitomboina amintsika mianakavy anie ry havana, ny fiadanan’i Jesoa Kristy. Amen. Ny filazantsara araka ny Matio 5, 43-48 no hakantsika ny toriteny amin’ity anio ity.

43 Efa renareo fa voalaza hoe:  » Tiava ny namanao » (Lev.19.18), ary mankahalà ny fahavalonao.

44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo,

45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina.

46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?

47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va?

48 Koa amin’izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra.

Efa renareo fa voalaza hoe…

Izany dia ampahany amin’ilay toritenin’i Jesoa teo an-tendrombohitra, izay raha jerena dia tsapa ny fiverenan’ny teny hoe:  » Efa renareo fa voalaza hoe« ; ary izany no nilazan’i Jesoa ny didy na ny lalàna tao amin’ny Testamenta taloha, ary tohizany izany amin’ny teny hoe:  » Izaho kosa milaza aminareo hoe« .

Ary eto indray dia fanomezana fanazavana ny amin’izay nolazaina teo aloha amin’ny endrika lalin-dalina kokoa na amin’ny endrika mazavazava kokoa ny amin’ny didy izay nolazain’i Jesoa. Ary izany indrindra no hitantsika eto amin’ity andininy faha 43 ity manao hoe:  » Efa renareo fa voalaza hoe tiava ny namanao ary mankahalà ny fahavalonao, fa Izaho kosa milaza aminao hoe tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo« .

Fa izay ifantohantsika dia ny andininy faha 44 sy 45. Raha mijery isika amin’izao perikopa voalahatra ho antsika amin’ity anio ity dia mametra-panontaniana Jesoa ao amin’ny faha 47 hoe:  » Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany, inona no nataonareo mihoatra noho izay nataon’ny hafa? « . Ary izany indrindra no mampisongadina hevi-dehibe iray ny amin’ny hoe izay maha zanak’ Andriamanitra?

Zanak’Andriamanitra

Inona tokoa moa izany hoe zanak’Andriamanitra izany? Inona no mahatonga ny olona ho zanak’Andriamanitra?

Araka izao tenin’Andriamanitra izao, ny voalohany amin’izany dia ny hoe ny mitia ny fahavalo.

Tiava ny namanao

Raha noresahana ao amin’ny andininy faha 47 hoe « Tiava ny namanao », izany didy izany dia isan’izay lehibe eo amin’ny fanarahana ny Tompo fa efa rivotra iainana isan’andro, eny fa na dia eo amin’ny fiaraha-monina tsy kristianina àry dia fatra-pitia namana, ary mazava ny amin’izany fiaraha-monina tsy kristianina izany, mazava ny fitsipi-dalao izay ifaneraseràna, ifandraisana ny amin’ny hoe rehefa namana dia namana, ary tiavina fatratra, fa rehefa fahavalo kosa dia fahavalo ary toherina hatramin’ny farany izany fahavalo izany. Ohatra izao lazaina eto ny amin’ny hoe ny mpamory hetra izay heverina fa mpanam-baka teo amin’ny fiaraha-monina fahizany, mba tia izay koa izy, teo koa ny Jentilisa izay tsy mahalala an’Andriamanitra, mba tia izay koa izy.

Tiava ny fahavalonareo

Ny hiavahan’ny mpanompon’Andriamanitra araka izao tenin’Andriamanitra izao dia mazava ny amin’ny hoe tiava ny fahavalo. Ary hita ao amin’ny soratra masina ny hoe : » raha noana ny fahavalonareo omeo hanina izy, raha mangetaheta omeo rano izy hosotroiny« .

Izany hoe mianatra mitia ny fahavalo ny mpanompon’Andriamanitra, ary izany no maha zanak’Andriamanitra araka izao tenin’Andriamanitra izao.

Dia mipetraka àry ny fanontaniana ny amin’ny hoe atao ahoana tokoa moa ny mitia ny fahavalo?

Ohatra misy ny mpanaratsy antsika, misy ny mpiteny ratsy antsika; eo anatrehan’izany dia tsy izay ratsy ataony no havalintsika aminy fa valintsika teny tsara izy, valiantsika tambitamby izy, mba hanehoantsika fitiavana izy amin’ izany olona mpiteny ratsy antsika izany.

Misy koa ohatra ny mpanohatra ny hevitrintsika, mitsangan-ko fahavalontsika amin’izany, ary raisintsika amin’ny fifaliana izy, tsy ilay fanoherany no havalintsika azy fa fifaliana no handraisantsika izany mpanohitra antsika izany.

Misy koa ohatra ny mpanao ratsy antsika, mety mamotika antsika amin’ny fomba maro samihafa, dia izao, valiana soa izy, fa tsy ny ratsy izay ataony amintsika akory no havalintsika azy; izany ilay « mitia ny fahavalo« .

Izany hoe arakaraka ilay endrika izay isehoan’ ny maha fahavalo azy no ahafahantsika maneho fitiavana amin’izany olona izany. Amin’izany no ahatsapana fa tia azy isika, marina fa sarotra tokoa ry havana izany hoe mitia ny fahavalo izany, fa izany no maha zanak’Andriamanitra, izany no mampiavaka antsika, izany no maha mpanompon’Andriamanitra antsika eo amin’ny sehatra rehetra izay misy antsika, ary tsarovy fa ny tsy kristianina tsy afaka mitia ny fahavalo izany, fa ho an’izay manana an’i Jesoa kosa dia ampianarina izy mba hitia izany fahavalo izany.

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, ampianarin’ny Tompo ianao mba hitia ny fahavalonao, mety ho fahavalo mivantana izany, mety ho fahavalo ankolaka ihany koa izany; ohatra isika tsirairay avy izao dia teraka tao anatin’ny faha samihafàna teo amin’ny fiaraha-monina, miteraka safidy samy hafa eo amin’ny tsirairay, ka ireny safidy ireny matetika no miteraka fifampiandaniana eo anivon’ny fiaraha-monina. Ka raha misy olona izay heverinao fa fahavalonao izy amin’izany safidiny izany dia ampianarin’ny Tompo ianao ankehitriny mba hitia azy, tiavo izy.

Mivavaha ho an’izay mpanenjika

Fa ny zavatra faharoa izay ambaran’izao tenin’Andriamanitra izao dia ny hoe ny maha zanak’Andriamanitra dia mivavaka ho an’izay manenjika, mivavaha ho an’izay manenjika anao. Amin’ny maha kristianina ny kristianina ry havana dia fiainany ny mivavaka amin’Andriamanitra, fiainany ny mangataka amin’Andriamanitra ho an’ny manodidina azy, fiainany ny mangataka amin’Andriamanitra amin’ izay manahirana azy rehetra eo amin’ izany fiainana izany, fa eto kosa dia ampianarin’i Jesoa fa tsy ho an’ny tena ihany no ivavahana tahaka izany, fa isan’izay anjaran’ny mino ihany koa ny mivavaka ho an’izay manenjika azy, mangataka amin’ny Tompo mba hitsimbinany izay mpisompatra samihafa eo amin’ny fiaraha-monina.

Koa anjaranao mino àry ny manao toy izany mba hialàn’ireny mpanenjika ireny amin’ ny toetra ratsy izay manjaka ao aminy, ka iombonany ao amin’i Kristy.

Ray ô, mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony

Jereo ange ny fiainan’i Kristy e! Raha nijaly teo amin’ny hazo fijaliana Izy, moa nanozona va Izy? Moa nirary loza ho an’izay nampjaly Azy ve Izy? Tsia ry havana, hoy Izy hoe :  » Ray ô, mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony ». Izany no modely tsara izay tokony alaintsika kristianina tahaka.

Ry hava-malala ao amin’ny Tompo, efa mba impiry tokoa moa isika no nivavaka ho an’ny olona izay manenjika antsika? Efa mba tsapatsika ve fa nangataka tamin’ny Tompo ho an’ireny olona manenjika antsika ireny isika? Ary tamin’ny lafiny maro tokoa no hanenjehan’ny olona antsika, ary ny tanjona amin’izany dia izao, ny ahatonga ireny olona ireny hiala amin’izany fanenjehana izany ka itodihany amin’i Kristy? Sao sanatria isika amin’ilay mpanozona, isika amin’ilay mpahary ratsy ho an’ireny mpanenjika ireny ka hirosoany lalin-dalina kokoa amin’izany fanenjehana izany.

Ampianarin’ny Tompo isika ankehitriny mba hivavaka hoan’izay manenjika, mba hangataka amin’ny Tompo ho an’izay miampanga antsika, fa izany no sitrapony tiany hiainantsika. Ary iza moa no hampianatra ny olona an’izany raha tsy isika kristianina, isika mpanara-dia an’ny Tompo, isika mpanompony, isika no hampianatra ny olona izany, koa mivavaha ho an’izay olona manenjika anao.

Amin’ izao andro ankehitriny izao dia misy tokoa ny mitsangan-ko fahavalo, ny hevitra tsy mitovy ary iza no hanitsy izany? Isika kristianina, isika mpino, isika mpanara-dia an’ny Tompo no andràsan’ny Tompo mba hanitsy izany; ankehitriny ihany koa manjaka ny fanenjehana, manjaka ny fanaratsiana samihafa izay miseho lany amin’ny fiaraha-monina ary miafara amin’ny fifamonoana mihitsy àry. Iza moa no andrasana marina amin’izany?

Ianao izay mino no andrasan’ny Tompo hivavaka ho azy ireny. Koa tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’ izay manenjika anareo mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay any an-danitra ianareo.

Miseho amin’ny atao ny maha zanak’Andriamanitra

Ho famarànana izao toriteny izao dia izao hoe: tsarovy ry havana fa ny maha-zanak’Andriamanitra anao dia tsy endrika ivelany, ny maha-zanak’Andriamanitra anao dia tsy ravina pentina ao amin’ny tena, fa ny maha-zanak’Andriamanitra anao dia miseho amin’ izay ataonao eo anivon’ny fiaraha-monina. Hitantsika teo ny hoe ny maha-tonga ho zanak’Andriamanitra dia ilay tia ny fahavalo, koa raha misy fahavalo izay mitady hamotraka antsika dia manehoa fitiavana aminy, tiavo izy amin’ ny fomba rehetra izay ahafahanao manantanteraka an’ izany, ary indrindra raha misy manenjika anao eo anivon’ny fiaraha-monina, eo anivon’ny Fiangonana, eo anivon’ny sehatra rehetra izay misy anao dia mivavaha ho azy mba hialàny amin’izany fanenjehana izany ka itodiany amin’ i Kristy.

Koa manomboka anio àry dia asehoy amin’ny fiainanao manontolo fa zanak’Andriamanitra ianao, indrindra ny andininy faha 48 hoe :  » Koa amin’izany, aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo izay any an-danitra« .

Ho Azy ny voninahitra fa ho antsika kosa ny fampaherezana. Amen.

Pasteur Rakotonoeliarimanana

Sary nalaina tao amin’ny
http://www.bibletruthonline.com


Lire aussi

03/12/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Advento 2023 : Ny olona voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay

Alahady 03 desambra 2023, taom-baovaon’ny fiangonana, Advento, nitondrana am-bavaka ny Sampana Dorkasy, ka andinihina lohahevitra vaovao @ity volana desambra ity eto anivon’ny FJKM manao hoe « Ankalazao ny Mpamonjy« . Ny tenin’Andriamanitra notoriana tamin’ity alahadin’ny Advento ity dia araka ny Asan’ny Apostoly 13 : 43-48 « 43Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin’ny Jiosy sy ny proselyta

26/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Tsenao @ fihaviany ny Tompo Izay mitondra fanafahana

Alahady 26 novambra 2023, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », ary koa hitondrana am-bavaka eo anivon’ny FJKM ny Komitim-pirenena Miady @ SIDA sy ny Valan’aretina (KPMSV). Ny Katekista Délégué Randrianiana Roland avy amin’ny FJKM Antenimbe (fiangonana miara-mandroso) no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Isaia 40 : 9-11 : « Ny vaovao mahafaly

19/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . SAMPATI . Toriteny

Alahadin’ny SAMPATI : Mitandrena, miambena ka mivavaha

Alahady 19 novambra 2023, alahadin’ny SAMPATI mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo«  Ny hafatr’Andriamanitra araka ny Marka13 : 24- 37 no notoriana :  » 24Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany,dia ho tonga maizina ny masoandroary tsy hanome ny fahazavany ny volana,25hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintanaary hohozongozonina ireo hery

12/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AMA 2023

Alahady 12 novambra 2023, nitondrana am-bavaka ny Fitantanana ny fanànana eo anivon’ny Foibe FJKM, sady nitondrana am-bavaka ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA), sy nitondrana am-bavaka ny firenena. Ny lohahevitra amin’ity volana novambra ity dia ny hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo » . Ny mpitandrina miza-draharaha Andrimaifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 2

05/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy

Alahady 05 novambra 2023, andinihina lohahevitra vaovao @ity volana novmabra ity manao hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », alahady fanateram-bokatry ny Vondrona Fototra Laika (VFLA), ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 24 : 29-31 « 29Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana

29/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Toriteny an-kira MIASAFIA : hira fifohazana redonina @ orgue

Alahady 29 oktobra 2023, nandinihina farany ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana », nanatanterahin’ny antoko mpihira MIASAFIA toriteny an-kira t@ alàlan’ny hira fifohazana redonina @ orgue. Manàsa anao hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :

22/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Fifohazana . Toriteny

Ny tokantrano anjakan’i Kristy

Alahady 22 Oktobra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana », itondrana am-bavaka ny sampana Fifohaza manerana an’i Madagasikara. Ny mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Kolosiana 3 : 18-21 « 18Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. 19Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. 20Ianareo

15/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina taranaka ao @ Tompo

Alahad 15 Oktobra 2023, mbola andinihinia ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @ Tompo ny fianakaviana », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Miora Andriamifidy Mendrikaja ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 : «  39ARY rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.40Ary ny Zaza dia nitombo

08/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena

Alahady 08 oktobra, nitondrana am-bavaka ny Masera MAMRE, mbol aibanjinana ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 Ny niverenan’i Jesosy tany Nazareta sy ny fahatanorany « 39Rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalànan’ny Tompo dia niverina tany Galilia izy ireo,

01/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoreno ao amin’ny Tompo ny tokantrano

Alahady 01 oktobra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ ity volana ity « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana« , nanatanterahin’ny SAMPATI ny fanateram-bokatra ihany koa. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Genesisy 2 : 18-25 « 18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19Ary tany