FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny 23 janoary 2011 – alahadin’ny zanak’ampielezana

Toriteny 23 janoary 2011 – alahadin’ny zanak’ampielezana

Publié le 03 mars 2011 à 09:03

Rehefa hanao trano ny olona iray dia efa mieritreritra mialoha izy hoe hatao inona io trano hatsangany io. Hatao ipetrahana ve? Hatao hotely ve?Sa fivarotana? Sa fiangonana? Dia araka izany no anaovany ny planin’ilay trano. Andriamanitra koa raha vao namorona ny olombelona dia efa nieritreritra izay mba nikendreny ny olona. Andeha iarahantsika mijery anio ny hoe: noforonin’Andriamanitra hanao inona moa isika olombelona?

« Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy. » – Efesiana 2:10 –
Io andininy io no ifotorantsika anio saingy ataontsika lafika hanampy izany  ny andininy 1 hatramin’ny andininy faha – 10; tsy afa-misaraka mantsy ireo.

I – Andriamanitra no namorona ny olona

Inona moa no hevitry ny hoe: “asany isika…” (10). Vokatra hita maso porofon’ny asa nataon’Andriamanitra isika olona, asan’ny tànanan’Andriamanitra ny olona no tiana ambara amin’ny hoe “asany isika”. Ny olombelona dia porofo mivainga ilazana fa nisy asa nataon’Andriamanitra, nisy zava-bitan’Andriamanitra. Tsy hoe: vitan’i Dada sy Neny” fa vitan’Andriamanitra, vita Nanahary. Tsy ilay lazaina hoe zava-boary nivoatra nivoatra ka tonga olona isika. Ary dia misy tsy misalasala akory miteny fa ny rajako sy ny babakoto no dadabeny.
Asan’Andriamanitra hatramin’ny taloha ny olombelona.
Toy inona no amaritan’i Apostoly Paoly izany olona asan’Andriamanitra
izany eto emin’ity Efes.2:1-10 ity?

I.1.– Hita ao aminy ny sarin’Andriamanitra

Ny olona voalohany noforonin’Andriamanitra avy tamin’ny vovoka dia olona tahaka ny endriny, tahaka ny tarehiny, ary dia Andriamanitra ihany no nahita fa “tsara indrindra izany” (Genesisy 1:31). Tany am-piandohana izany.
Dia notsofin’Andriamanitra rano i Adama sy Eva hiteraka olona tahaka ny endriny azy ihany. Nivoaka avy tao an-kibon-dreniny avy ny olona tsirairay. Na niditra tao amin’ny olona kosa aza ny ota araka ny voalaza ao amin’ny Genesisy toko faha-3, dia tsy niala akory ilay endrik’Andrimanitra tao aminy saingy teraka miaraka amin’ny ota kosa ny zaza rehetra nateraky ny olombelona hatreo. “Indro, tamin’ny heloka no niterahana ahy, ary tamin’ny fahotana no torontoronina ahy ny reniko,” hoy ny Salamo faha-51 andininy faha-5. Izao no tian’izany ambara: mpanota hatrany an-kibon-dreniny izaho sy ianao.
Mpanota isika tsirairay avy, kanefa na izany aza mbola ASANY ihany isika:

I.2.– Manjaka ao amin’ny olona ny ota

Tena mbola eo amintsika tokoa ny sarin’Andriamanitra na dia miara-teraka amintsika ihany koa aza ny ota sy ny faharatsiana samihafa. Mahazo vahana na nomen’ny olona toerana onenany ao anatiny ny ota dia manjary izy no manjaka sy  tsy mamela azy hifandray sy hiarakaraka amin’Andriamanitra nanao azy. Izany no antsoin’ Paoly
Apostoly eto hoe “zanaky ny tsy fanarahana” Ary io ota io no mitondra ny olona hanaraka “ny danin’ny nofo sy ny saina” (2) fotsiny.

Maloky ny ota ilay endrik’Andriamanitra ao amin’ny olona ka lasa “zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika”(3), hoy ihany ny filazan’i Paoly Apostoly azy eto. Dia ho zanaky ny fahatezerana lava ve ny olona? Tsy ho hita ato amiko sy ao aminao intsony ve izany ilay hoe: “tsara indrindra”? Inona ary no nataon’Andriamanitra manoloana ny asany “tsara indrindra” nanjary simba noho ny ota?

II.– Namorona olona vaovao tao amin’i Kristy Andriamanitra

Tsy navelany ho very any fotsiny ilay olona nanota teo. “Satria asany

…Voaforona tao amin’i Kristy Jesoa ” (Efesiana 2: 4—10)
Inona no antony manesika an’Andriamanitra hanavotra ny olona avy tamin’ny ota?

II.1.– Asesiky ny fitiavana Andriamanitra

Fa naninona raha navela ho very any satria sitrapon’ny olona anie ny nanota e? Andeha hiarahana mijery Ilay Andriamanitra nanao antsika. Manan-karena famindram-po Izy ary nitia antsika tamin’ny fitiavana lehibe, hoy Soratra Masina eto amin’ity Efesiana 2: 4 ity.
Tian’Andriamanitra anie ny olona e! Eny na dia fony mbola tao anatin’ny fahadisoantsika aza isika, na dia tsy manam-pitiavana avaly Azy aza isika dia TIA antsika io Andriamanitra Nahary antsika io .
Nahoana ary no tiany isika? Azo hazavaina ve ny fitiavana? Satria asany isika, fa Andriamanitra no nanao antsika, tahaka ny tarehiny isika dia olona tiany ifandraisana, tiany ho namana, tena namana akaiky Azy tokoa. Tiany ho lasa namany be, hoy ny fitenin’ny zazakely azy. Izany no manesika Azy hanavotra ny olona tamin’ny alalan’i
Kristy.

II.2.– Nanavao antsika ao amin’i Kristy

Izao no nataon’Andriamanitra noho isika tiany loatra: novelominy niaraka tamin’i Kristy izaho, ianao koa, efa maty, voaheloka ho faty izaho sy ianao, noho isika mpanota, nefa dia nomeny aina tao amin’i Kristy indray mba ho velona, iray (1) izay; niara-natsangany amin’i
Kristy, nalainy avy tao amin’ny fanjakan’ny ota dia natsangany hivoaka avy tamin’ny fahafatesana miaraka amin’i Kristy, roa (2) izay, ary angaha izay ihany, niara-napetrany any an-danitra ao amin’i Kristy Jesoa, lasa any amin’ny avo, miara-monina amin’i Kristy, iray voninahitra Aminy. Sady efa any an-danitra miaraka amin’i Kristy ianao
no mbola ety an-tany koa,  telo (3) izay. Any an-danitra any anie no fonenantsika rehefa manaiky ny hovonjen’i Kristy isika e! Ho mponin’ny lanitra no nanaovan’Andriamanitra ahy sy ianao.
Izay no asa nasain’Andriamanitra novitain’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana ho ahy sy ho anao, izay no atao hoe: fahasoavana na famonjena nomena tolo-botsotra ho anao. Atolotra ho anao tsy misy takalony, tsy misy ezaka na asa takiana aminao vao omena anao, fa
raisinao amin’ny finoana. Vitan’Andriamanitra ny manavao ny fiainanao raha omenao toerana onenany ao anatinao i Kristy.

Inona ary hoy ianao no ifandraisan’izany famonjena nataon’i Kristy amin’ny  hoe Andriamanitra no namorona antsika olona ho tahaka ny
endriny?

III.– Efa namaritra lalana alehan’ny olona Andriamanitra

Miova sata ianao rehefa nandray amin’ny finoana an’i Kristy. Satria:
“Raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy” hoy ny Baiboly.

III.1.– Nanomanan’Andriamanitra asa tsara hatao ny olona

“Mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo…” ?
Miaraka mahita isika eto fa asa tsara no lazain’ny Baiboly eto fa tsy hoe asa soa. Inona ary no atao hoe asa tsara? Iza moa no tsara sady mpanao ny tsara? Tsy Andriamanitra ve? Izay asain’Andriamanitra atao no atao hoe: “asa tsara”. Efa noeritreretin’Andriamanitra fony ianao vao noforonina ny fiainanao dia ny mba hanao asa tsara. Afaka manatanteraka izay tian’Andriamanitra ianao rehefa nandray ilay fiainana vaovao nomen’i Kristy anao. Amin’ny fiainana Kristiana dia tsy mifanipaka fa zavatra roa mifamatotra ny
fiainana sy ny asa atao. Tian’Andrimanitra ny “handehantsika ao amin’i Kristy.”

III.2.– Mandeha tahaka an’i Jesoa

Mba hampahazava tsara ny resaka dia handeha hojerentsika Kolosiana 1: 10 “mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra,…”

Mifamatotra ny asa ataontsika sy ny  fiainana iainantsika. Ilay teny hoe handeha miendrika ny Tompo dia midika hoe: mandeha tahaka ny Tompo, manao ny asa nataon’i Jesoa. Tena fieritreritra ny teny nataon’i Jesoa indray mandeha manao hoe: “Izao no asan’Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.” (Jaona 6:29). Inona araka izany no
asa asainy hataontsika?
Tena fototra iorenan’ny asa tsara ataontsika ny fandraisantsika ny fiainana vaovao omen’Andriamanitra antsika ao amin’i Kristy. Amin’izay dia tsy zava-bita aseho an’Andriamanitra mba hahazoana famonjena ny asa ataontsika fa mba ho asa hitan’Andrimanitra fa asa tsara nataon’ny olom-baovao miaraka amin’i Kristy.

Noforonina hanao asa tsara ny olona (ireo asa nasain’Andriamanitra atao) nefa noho ny ota dia nanjary asa ratsy no nataony ary dia mila alana tao amin’ny ota izy mba hiverenany indray amin’ny làlana itarihan’i Kristy azy. Rehefa mifampikasokasoka na mifandray sy
miara-miasa amin’Andriamanitra eo ny mpino dia manjary miha-mifankalala ny roa tonta. Mandroso amin’ny asa tsara ny olona fa miaraka amin’izay koa ny eritreritr’Andriamanitra hatrany am-boalohany namoronany ny olona dia ny hahatonga ny  fahalalan’ny olona
an’Andriamanitra hihalalina hatrany. Izany indrindra no tao an-tsain’ny Apostoly Petera raha nampahery ny kristiana eo am-piandrasana ny fiavian’ny Tompo indray izy manao hoe: “fa mitomboa amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy, Tompontsika
sy Mpamonjy”. (2 Petera 3:18) Ary dia tononiko ho anareo koa izany firarian-tsoa izany.

Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.

RAHARINORO Ny Hasina, Mpitandrina


Lire aussi

04/06/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Sekoly Taninketsa . Toriteny

Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo

Alahdy 04 Jona 2023, alahady fetin’ny reny, nifampizarana niaraka tamin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny Jaona 8:36 « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » sady nanoloran’ny Sekoly Taninketsa ny amboaran-kira ho an’i neny. Manàsa anao hiombona amin’izany fotoana izana :

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina