Tompoko, mino aho
Fotoam-pivavahana alahady 5 Jolay 2020, fotoan-dehibe noho ny Fetim-bokatra eto @ FJKM Ambavahadimitafo.
« Ambarao ny fanafahana ao amin’ny Tompo », izany indray no lohahevitra banjinina mandritra ity volana Jolay ity.
Ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra nalaina tao amin’ny Jaona 9 : 30-38 :
« 30 Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo izay nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy. 31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny. 32 Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason’izay teraka jamba. 33 Raha tsy avy amin’Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy. 34 Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin’ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy. 35 Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak’Andriamanitra va hianao? 36 Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy? 37 Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy hianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy. 38 Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy. «
Manasa anao hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana :