Tenin’ny mpitandrina Rakotoniera Eric 4 mianaka ho an’ny FJKM Ambavahadimitafo
Anterina ny fisaorana ny mpitandrina izay nitondra ny hafatr’Andriamanitra, ramatoa RAZAFINDRATSIMBA Viviane, izay tsy maintsy nandao ny fiangonana na dia ao anatin’ny fandraisana aza ny andro androany dia nanaiky am-pitiavana izy mba hitondra ny tenin’Andriamanitra, sady ao anatin’ny faritra Avaratr’Andohalo no sady tanindrazan’i mama rahateo no misy anao; mankasitraka, mankatelina tompoko.
Tenin’ny mpitandrina Rakotoniera Eric 4 mianaka ho an’ny FJKM Ambavahadimitafo
Fahavononana hiara-miasa eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra :
– hanompo madio sy marina ny Tenin’Andriamanitra izahay, ary hizara araka izay tokony ho izy ny sakramenta, dia ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo, mba hitomboan’ny fiangonana amin’ny fahasoavana sy ny finoana
– ny toriteny sy ny fampianarana dia tsy araky ny sainay sy mari-pahaizanay tsy akory, fa araky ny asan’ny Fanahy Masina izay miasa aty anatinay araka ny fitarihan’ny fahasoavan’Andriamanitra izay manampy anay isan’andro
– faniriana ara-pikasana miredareda aty anatinay ny hahatonga an’ity fiangonan’Ambavahadimitafo ity, ho fiangonana hitàna ny laharana maha-reny fiangonana azy, ka ho fiangonana tsy mpiahy ara-bola fotsiny, na fiangonana mpanampy araka ny teti-bola izay voafaritry ny Foibe FJKM sy Synodam-paritany fotsiny, fa ho fiangonana mpampianatra ny zavatra tsara, mpampianatra ny asa tsara, mpitarika ny asa tsara, ary ho fianarana ho an’ny fiangonana rehetra, tsy eto amin’ny faritra Avaratr’Andohalo ihany fa eto amin’ny Foibe FJKM iray manontolo
– mangataka ny herin’ny Fanahy Masina sy ny fitondranareo am-bavaka izahay, hitandroanay ny firaisan’ny fiangonana tsy ho simba, hahatonga ity fiangonana ity hitàna hatrany ny fihavanana sy ny fifankatiavana; ary hiezaka izahay hiroso amin’izay fanapahan-kevitra mety sy mahomby hahatonga ny fiangonana tsy hisy pentimpetina, hahatonga ny fiangonana tsy hirohoroho saina noho ny anton-javatra samihafa izay mitarika amin’ny fisarahana sy ny tsy fifankahazoana.
Fisaorana ireo nanotrona
Misaotra an’Andriamanitra izahay fa ny teny izay nomeny anay dia nomenay ny komity koa, ary dia notanterahiny ara-bakiteny tokoa fa Andriamanitra mahay mampitombo ary dia isaorana ny Biraon’ny fiangonana, ny Komitin’ny fandraisan-tànana ary isika kristiana izay nanohana ny antso; tsy ny nandrotsaka tamin’ny vola amin-karena ihany, fa isika izay nanolo-kevitra sy nitondra am-bavaka nandritra ny fotoana ela, indrindra isan’alahady : nivavaka isika ho an’ny faha-150 taona, nivavaka isika ho an’ny fandraisan-tànana. Ireny vavaka nasandratra ireny dia nohenoin’Andriamanitra ary mihoatra lavitra noho izay noheverintsika sy nangatahintsika ny fiasan’Andriamanitra teo amin’izany komity izany.
Mankasitra antsika zanaka am-pielezana izay tonga namaly ny antso, na dia be tokoa aza ny fotoana mifanindry manerana ny sahan’ny FJKM amin’izao andro izao. Matoa isika maro dia ao ny fitiavana sy ny fahasoavan’Andriamanitra izay namela antsika hiombona amin’izao fotoana izao.
Hira fanamarihana
Nisaorana manokana ny mpamorona ny feon-kira fanaramihana izao fandraisan-tànana izao ny mpitandrina, ka notolorana ny fanomezana amin’ny anaran’ny mpitandrina mianakavy, dia andriamatoa RALIBERA Henri Andriamalala mivady : fihirana vaovao voahitsy sy ny marika hita maso. Ny hira fanamarihana dia tsy tahaka ny hira faneva izay mivalona miaraka amin’ny jobily, fa mitoetra ary azo hiraina amin’ny fotoana samihafa mety hitsiahivana ny fandraisan-tànana ny mpitandrina.
Hoy ny teninay 4 mianaka : « Raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an’i Jehovah izahay »
Zanaka
Fanamarihan’ny mpitandrina : raha 3 ny zanakao dia faha-efatra izany pasitera; raha 4 dia 5 izany, raha 1 dia 2 izany … Pasitera koa anisany : « zazabe », azonao resahina, azonao hanarina, azonao hantonona, azonao kapohina ny tànako, ary aza tsongoina ny sodiko. Misaotra tompoko. Ho tahian’Andriamanitra anie isika rehetra
FJKM Ambavahadimitafo, Alahady 01 desambra 2013, Fandraisan-tànana ny mpitandrina Rakotoniera Eric mianakavy