FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Tenin'ny mpitandrina noho ny faha-10 taona nitandremana

Tenin'ny mpitandrina noho ny faha-10 taona nitandremana

Publié le 07 novembre 2008 à 12:11

Noho ny fitantanan’Andriamanitra ny fiainan’ny Fiangonana Ambavahadimitafo dia feno 10 taona ny niarahany niasa tamin ‘ny Mpitandrina RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo mivady sy ny zanany (1996-2006) teto amin ‘ny FJKM Ambavahadimitafo.

Raha tsiahivina fohy ny zavatra niaraha-nizara teo amin ‘ny asan ‘Andriamanitra dia ireto mikasika ny fitaizam-panahy ireto ihany no andeha hambara :

(a) – nohamafisina ny fandalinam-pinoana lalim-paka sy mitohy ao anatin ‘ny fanompoam-pivavahana sy any amin ‘ny fotoanan ‘ny sampana;

(b) – nentanina sy notohanana tamin ‘ny fianarana Soratra masina sy tamin ‘ny torohevitra pratika ny Loholona sy ny Diakônina mba hanatsarany ny fanompoany;

(c) – nampaherezina ny sampana mitaiza ankizy sy tanora efa nijoro mba ho marin-toerana ary nampirisihina ny fijoroan ‘ny sampana vaovao;

(d) – napetraka ho fandaharan ‘asan ‘ny fiangonana isan-taona ny Tafika Masina, izay iandraiketan ‘ny Vaomieran ‘ny A.F.F(Asa Fitoriana ny Filazantsara) ;

(e) – nosokafana ho an ‘ny rehetra ny fianarana baiboly isaky ny Alakamisy;

(f) – najoro ny Tetik ‘Asa ho fanohanana ireo olona na fianakaviana maniry hiala amin ‘ny fidorohana na te-hampiana amin ‘ny fiatrehana izany. Ankoatra izany moa dia nisy ny fanajariana ny fananan ‘ny fiangonana sy ny fanavaozana ny fanaka izay niarahan ‘ny vahoakan ‘Andriamanitra nanatanteraka tamin ‘ny fahazotoana sy ny fahalalahan-tànana tokoa, na dia tamin ‘ny andro sarotra aza no namitana izany.

Hotohizana hatrany izany fomba fiasa izany isaky ny vanim-potoana mahamety azy. Raha ny 10 taona manaraka no banjinina, dia ireto lafim-piainana ireto no hanaovana ezaka manokana:

(1) fanamafisana orina ny tokantrano sy ny fianakaviana kristianina mba hanjary sehatra ibeazana amin ‘ny finoana sy ivelaran ‘ny maha-olona;

(2) fametrahana Tetik ‘asa Fitoriana sy ny fitaizana ny tanora kristianina eto amin ‘ny fitandremana Ny firaisan ‘kina sy ny fifankatiavana miorina amin ‘ny fanarahana an ‘i Kristy ihany anefa no hahavitana ireo fikasana ireo araka ny toe-panahy ankasitrahan ‘Andriamanitra. Dia hampitomboina ho antsika mandrakariva anie ny fahasoavan ‘ny Tompo! Ambavahadimitafo, 3 septambra 2006


Lire aussi

23/01/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary hianareo, ry taranak’i Jakoba, dia tsy fongana

Alahady 23 Janoary 2022, hitondrana ambavaka ny FFKM mandritra ity herinandro ity. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Malakia 3: 6 «  Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary hianareo, ry taranak’i Jakoba, dia tsy fongana  » Andeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany

09/01/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . MIASAFIA

Toriteny an-kira Miasafia – Alahady 09 Janoary 2022

Alahady 09 Janoary, famaranana ny fankalazana ny faha-5 taona ny antoko mpihira MIASAFIA, nanatanterahan’izy ireo toriteny an-kira. Andeha hiombona amin’izany fotoam-pivavahana izany :

02/01/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana

Maharitra tsy miova ny Tompo – Alahady 02 Janoary 2022

Alahady 02 Janoary 2022, alahadin’ny taom-baovao. Mifalia ry sakaiza fa nahazo taom-baovao; Zanahary no mitaiza ka hisaory sy hajao. Manasa anao hanaraka ny fanompoam-pivavahana :

31/12/2021 A la une . Antso sy filazana

Fandaharana Alahady 02 Janoary 2022

Manasa antsika sahady hiomana ho amin’ny fanompoam-pivavahana alahady voalohany amin’ny taona 2022. Toy izao ny fandaharana hiombonantsika amin’izany :

25/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana

Krismasy fifaliana 2021 : Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio

« Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra fa indro milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra, fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo », Lioka 2 : 10-11 Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra amin’ity krismasy 2021 ity. Andeha hiombona amin’izany

23/12/2021 Antso sy filazana

Fandaharana Krismasy 2021

« Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra ; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra ; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.» Lioka 2 : 10 – 11 Indro ny fandaharana ny Sabotsy 25 Desambra 2021 amin’ny

19/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana

Mifalia amin’ny fanantenana

Alahady 19 desambra 2021, fanompoam-pivavahana teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo nanokanana ireo katekomena andriany « Fanantenana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Romana 12;12a : « Mifalia amin’ny fanantenana »

14/12/2021 Antso sy filazana

Fandaharana Alahady 19 desambra 2021

Toy izao no fandaharana ho amin’ny fandraisana ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo andiany « Fanantenana » ny alahady 19 desambra 2021 manomboka amin’ny 9 ora maraina :

12/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiainam-pianakaviana mahafaly an’Andriamanitra

Alahady 12 desambra 2021, natokana ho an’ny Sekoly Alahady mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo« . Ny hafatra avy ao amin’ny Ohabolana 23 : 12-18 no notoriana « 12Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.13Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo

06/12/2021 A la une . Antso sy filazana

Daty tsara ho fantatra : Desambra 2021

Toy izao ny tetiandro eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ho amin’ity volana desambra 2021 ity : « Miorena tsara aza miova » 18 desambra 2021 : Fanadiovana Faobe : SOKAJY MINO – STA – SAMPATI – TMT – DORKASY 12 desambra 2021 : fizaran-doka Sekoly Alahady 19 desambra 2021 : fandraisana Katekomena « Fanantenana » 20 hatramin’ny 24 desambra 2021