Non classé
Alahady 17 septambra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra », fanateram-bokatra sy nitondrana am-bavaka ny antoko mpihira Antsan’Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina miza-draharaha Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Kolosiana 1 : 24-29 » 24Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny
Alahady 10 septambra 2023, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Mitoria ny teny @ firenena rehetra », sy itondrana am-bavaka ny Asa Fitoriana ny Filazantsara eo anivon’ny FJKM. Ny mpitandrina Voanginirina Solofoarohasina avy ao @ FJKM Sud Ambohipo no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Salamo 96 : 1-10 « 1Mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah; Mihirà ho an’i Jehovah
Alahady 03 septambra 2023, ibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » natokana hankalazana ny ivon’ny faha-45 taonan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 7 : 1-11 « 1Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah: 2Mitsangana eo am-bavahadin’ny tranon’i Jehovah, ary torio
Ny ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO dia manasa antsika tsy an-kanavaka hidera sy hankalaza an’Andriamanitra ny Alahady 3 septambra 2023 eto am-piangonana nohon’ny voka-dehiben’ny fikambanana sy fanokanana ny tsangam-baton’ny fankalazana ny faha-45 taona, ilay « trano heva » fanaovana vokatra ao an-tokontanim-piangonana. Manantena ny fahatongavantsika maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.
Alahady 27 aogositra 2023, hamaranana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana », izay nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 9 : 22Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay. « Andeha hiombona @ fanompoam-pivavahana :
Alahady 20 aogositra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , alahadin’ny Aumonerie Nationale, notarihin’ny mpitandrina Poget Helivao, mpandrindra nationaly, izay nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 17 : 8-16 » 8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ny Isiraely tao Refidima. 9Dia hoy Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny
Alahady 13 jolay 2023, alahadin’ny martiora, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 16 : 28 » Ary Samsona niantso an’i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny
Alahady 06 Aogositra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana aogositra ity manao hoe « Mijoroa amin’ny finoana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Hebreo 10 : 36 » Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. « Andeha hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :
Alahady 30 Jolay 2023, andinihina farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Hevero ny fifidianan’ny Tompo« . Alahady faha-5 nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny fampianarana araka ny Kolosiana 3 : 12-17 » 12Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. 13Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny
Alahady 23 Jolay 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Hevero ny fifidianan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 6 : 12 – 16 « 12Ary tamin’izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina Izy. 13Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy