Recyclage pastorale 2007
Ny atao hoe : « RECYCLAGE PASTORALE », dia fanofanana ny Mpitandrina.
Toy izao ny voalazan’ny “FITSIPIKY NY F.J.K.M.” (pejy faha-84):
And. 155 : Ho fanolokoloana sy ho fitaizana ny Mpitandrina amperin‘asa dia :
- Manana fivoriana isam-bolana ny Mpitandrina ao amin‘ny Synodamparitany ho fiaraha-mivavaka sy ho fiaraha-miasa ary ho fiarahamidinika ny raharaha pastoraly.
- Manao fiofanana na fihaonambe isaky ny roa (2) taona ny Mpitandrina.
Amin’ity taona 2007 ity dia manatanteraka io fiofanana io ny mpitandrina rehetra ka isaky ny Synodamparitany no hanatanterahana izany, ary ny ny Birao Foibe F.J.K.M. no maniraka ireo MPAMPIOFANA isaky ny toeram-piofananana.
Ho antsika eto amin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana, dia ho tanterahina any AMBATOMANGA io fanofanana ny Mpitandrina amperin’asa amin’ny volana Aogositra 2007.
Andriamatoa RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo, Mpitandrina eto amin’ny fiangonana FJKM Ambavahadimitafo, dia hirahin’ny Birao Foibe F.J.K.M. hampiofana any amin’ny Synodamparitany « Vavahadin’ny Filazantsara »- Toamasina.
Tiana ho marihina fa tsy ny Mpitandrina amperin’asa ihany no omena fiofanana ara-potoana ato amin’ny F.J.K.M., fa mahazo izany koa, amin’ny fotoany avy, ny:
- Mpampianatra sy ny Mpiasan’ny Fampandehanan-draharaha ao amin’ny Sekolin’ny F.J.K.M., izay iadidian’ny Foibe Fitondran-tSekolin’ny F.J.K.M. sy ny Fampiadidiam-Pampianaran’ny F.J.K.M. isam-paritra ary ny Sekoly tsirairay.(Fitsipiky ny F.J.K.M. and. 157 sy 158)
- Fanofanana Tompon’andraikitra any amin’ny Sampana sy Sampanasa ary asa sy ny Vahoakan’Andriamanitra. Adidin’ny isan’ny isan’Ambaratonga-drafitra sy ny Sampana sy Sampanasa ary Asa tsirairay ny mamolavola fandaharam-panofanana ho an’ireo Tompon’andraikitra ao aminy. Hanana fandaharanasa sy tetiandro ho amin’izany ireo sehatra ireo. (Fitsipiky ny F.J.K.M. And. 159)