Ny zatovo sy ny tanora manoloana ny fanambadiana kristianina
Toy ny fanao isan – taona dia hanatanteraka fampianarana arahana adi – hevitra ny Sampana Fifohazana eto Ambavahadimitafo. Izany mitondra ny loha – hevitra hoe « Ny zatovo sy ny tanora manoloana ny fanambadiana kristianina ».
Izany dia ho tanterahina ao amin’ny trano fiangoanana ihany ny alahady faha – 10 may 2015 manomboka amin’ny 14 h 30.
Koa dia manasa antsika hanatrika izany fampianarana izany izay tena hahaliana tokoa.
Dia mirary soa indrindra ary dia samy ho tahian’Andriamanitra.
Ranarijaona Noromanalina, filohan’ny Sampana Fifohazana