FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ny vavaka rivotra iainana

Ny vavaka rivotra iainana

Publié le 10 novembre 2008 à 12:11

« Mivavaha ka aza mitsahatra » (1 Tes.5,17)

« Tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva ka tsy reraka » (Lio.18,1).

Ny vatana izay omen’Andriamanitra antsika dia manampy betsaka amin’ny fiorenana sy fitomboana amin’ny harem-panahy araka an’Andriamanitra.

Ny orona sy ny asa fototra tanterahiny ao amin’ny tenantsika sy ny fiainantsika andavanandro, mampiditra sy mamoaka ny rivotra iainana, dia manampy antsika hahatakatra tsara ny hevitr’ireo Tenin’Andriamanitra voalaza etsy ambony ireo sy ny anjara toeran’ny VAVAKA eo amin’ny fiainantsika kristianina.

1) Miasa tsy mitsahatra ny orona, na tsaroan’ny olona na tsy tsaroany, mba hahatsara ny fiainan’ny isam-batan’olona. Ilaina toy izany koa ny VAVAKA tsy mitsahatra mba hahatsara ny fiainam-panahin’ny tsirairay, ny fiainam-panahin’ny Fiangonana ary ny fiainana amin’ny ankapobeny eto amin’izao tontolo izao.

Noho izany « Mivavaha ka aza mitsahatra » (1 Tes.5,17). 2) Miasa tsy mitsahatra ny orona ary tsy reraka. Na reraka ny olona, tsy maintsy miasa hatrany ny orona. Amin’ny fotoana mahasempotra ny olona indrindra aza no vao mainka koa iasan’ny orona mafy dia mafy.

Toy izany tsy misy hafa ny VAVAKA. Arakaraka ny ahatsiarovana harerahana sy fahasemporana ary ady sarotra lalovana eo amin’ny fiainana andavanandro no ilana koa fitomboana sy faharetana amin’ny VAVAKA.

Marina tokoa izany fa « Tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva ka tsy reraka » (Lio.18,1). Asa miantoka ny fahavelomana sy fahavitan’ny raharaha rehetra ataon’ny olona ny asan’ny orona. Asa miantoka ny fahavelomana sy fahatsaran’ny fiainam-panahin’ny olona ny VAVAKA.


Lire aussi

17/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiàsan’ny herin’i Kristy ao amin’ny mpanompony

Alahady 17 septambra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra », fanateram-bokatra sy nitondrana am-bavaka ny antoko mpihira Antsan’Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina miza-draharaha Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Kolosiana 1 : 24-29  » 24Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny

10/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AFF : Salamo 96

Alahady 10 septambra 2023, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Mitoria ny teny @ firenena rehetra », sy itondrana am-bavaka ny Asa Fitoriana ny Filazantsara eo anivon’ny FJKM. Ny mpitandrina  Voanginirina Solofoarohasina avy ao @ FJKM Sud Ambohipo no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Salamo 96 : 1-10 « 1Mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah; Mihirà ho an’i Jehovah

03/09/2023 A la une . AMA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady ivon’ny faha-45 taona AMA

Alahady 03 septambra 2023, ibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » natokana hankalazana ny ivon’ny faha-45 taonan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 7 : 1-11 « 1Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah: 2Mitsangana eo am-bavahadin’ny tranon’i Jehovah, ary torio

30/08/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana

45 taona AMA : Fanokanana trano heva

Ny ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO dia manasa antsika tsy an-kanavaka hidera sy hankalaza an’Andriamanitra ny Alahady 3 septambra 2023 eto am-piangonana nohon’ny voka-dehiben’ny fikambanana sy fanokanana ny tsangam-baton’ny fankalazana ny faha-45 taona, ilay « trano heva » fanaovana vokatra ao an-tokontanim-piangonana. Manantena ny fahatongavantsika maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

27/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao

Alahady 27 aogositra 2023, hamaranana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana », izay nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 9 : 22Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay. «  Andeha hiombona @ fanompoam-pivavahana :

20/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Aumonerie teto @ FJKM Ambavahadimitafo

Alahady 20 aogositra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , alahadin’ny Aumonerie Nationale, notarihin’ny mpitandrina Poget Helivao, mpandrindra nationaly, izay nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 17 : 8-16  » 8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ny Isiraely tao Refidima. 9Dia hoy Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny

13/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja

Alahady 13 jolay 2023, alahadin’ny martiora, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 16 : 28  » Ary Samsona niantso an’i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny

06/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.

Alahady 06 Aogositra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana aogositra ity manao hoe « Mijoroa amin’ny finoana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Hebreo 10 : 36  » Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. «  Andeha hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :

30/07/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny toe-panahy entina manompo an’Andriamanitra

Alahady 30 Jolay 2023, andinihina farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Hevero ny fifidianan’ny Tompo« . Alahady faha-5 nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny fampianarana araka ny Kolosiana 3 : 12-17  » 12Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’Andriamanitra sady masina no malala. 13Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny

23/07/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin’ny folo lahy

Alahady 23 Jolay 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Hevero ny fifidianan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 6 : 12 – 16 « 12Ary tamin’izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin’Andriamanitra nandritra ny alina Izy. 13Ary nony maraina ny andro,dia nantsoiny hanatona Azy