Ny tantaran’i Sodoma sy Gomora
Alahady 06 martsa 2022, andinihan’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Mamaly faharatsiana ny Tompo » mandritra ity volana ity, ka nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Genesisy 19 : 24-29 : » 24Ary Jehovah nandatsaka tamin’i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin’i Jehovah tany an-danitra, 25ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin’ny tany.26Fa ny vadin’i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy.27Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin’ilay efa nijanonany teo anatrehan’i Jehovah; 28ary nitsinjo an’i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe. 29Ary raha noravan’Andriamanitra ny tanàna tany amin’ny tany lemaka, dia nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra ka namoaka an’i Lota hiala teo afovoan’ny horavana, tamin’ny nandravany ny tanàna izay nonenan’i Lota. »