FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ny olona tarihin’ny Fanahy Masina

Ny olona tarihin’ny Fanahy Masina

Publié le 24 mai 2020 à 06:05

Anio alahady 24 mey 2020 dia fianarana soratra masina no nentin’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain teto @ FJKM Ambavahadimitafo :

« Dia nentina tany amin’i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana. 23 Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak’i Davida? 24 Fa nony ren’ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan’Ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan’ny demonia. 25 Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. 26 Ary raha Satana no mamoaka an’i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan’ny fanjakany? 27 Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan’ny zanakareo azy? Ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo. 28 Fa raha ny Fanahin’Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan’Andriamanitra. 29 Fa hataon’ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon’ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? Dia vao handroba ny ao an-tranony izy. 30 Izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka », Matio 12 : 22-30

Manasa anao hiara-hiombona @ fanompoam-pivavahana :


Lire aussi

14/10/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 10 oktobra 2021 : Tafika masina

Alahady 10 oktobra 2021, niarahan’ny vahoakan’Andriamanitra avy ao @ FJKM Ambavahadimitafo sy ny FJKM Isoavina Fiorenana miombom-bavaka am-po sy am-panahy teto amin’ny FJKM Isoavina Fiorenana, taorian’ny Tafika masina notanterahina teny an-toerana. Manasa anao hiombona amin’ny fotoam-pivavahana :

14/10/2021 A la une . AFF . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Hafatra avy amin’ny mpitandrina taorian’ny Tafika Masina oktobra 2021

« Misaora an ‘i Jehovah ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko misaora ny Anarany Masina . »(Salamo 103:1) 1/Isaorana ny Tompo Andriamanitra fa tontosa soamatsara ny Tafika Masina tany Isoavina Fiorenana. Mankasitraka antsika Sampana, asa, AFF, Mamre, Mpanohana rehetra, indrindra fa ny Fiangonana manontolo nanohana sy nitondra am-bavaka. « Miorena tsara aza miova ary mahefà be amin

03/10/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ny Apostoly

Alahady 03 Oktobra 2021, fanateram-bokatry ny SAMPATI, handinihina ny lohahevitra eto @ sahan’ny FJKM amin’ity volana ity : « Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny Fanasany ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 22 : 14 : « Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy [Jesoa] mbamin’ny Apostoly » Andeha hiombona amin’izany

02/10/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ny tany Aho?

Alahady 26 Septambra 2021, hitondrana am-bavaka ny sampan’asa FFP (Fiofanana sy fandalinam-pinoana), alahady farany andinihana ny lohahevitra hoe « Miorena ao @ Tompo @ batisa ». Ny mpitandrina Randriambinintsoa Onja Nantenaina no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 12 : 49 – 53 : «  49Tonga hanipy afo et? ambonin’ny tany Aho, ka manao ahoana ny

21/09/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny mino miorina ao amin’ny Tompo

Alahady 19 septambra 2021, mbola hibanjinana ny lohahevitra we « Miorena ao @ Tompo @ batisa »; alahady fanateram-bokatry ny antoko mpihira « Antsan’Ambavahadimitafo ». Ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka no nitondra ny hafatry ny Tompo avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8 : 34 – 40 :  » 34Ary ilay tandapa namaly an’i Filipo ka nanao hoe: Masìna hianao, iza

05/09/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny batisa

Alahady 05 septambra 2021, alahady faha-14 manaraka ny Trinite : – nanatanterahan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA) ny vokatra– hibanjinana amin’ity volana Septambra ity ny lohahevitra hoe « Miorena ao @ Tompo @ batisa »– nitsofana rano ny mpitandrina Randrianasolo Elinah niza-draharaha teto @ fiangoana Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 3

29/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Araraoty ny andro azo hanaovan-tsoa fa ratsy izao fiainana izao

Alahady 29 aogositra 2021, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 6 : 27-36 : « 27Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’izay mankahala anareo; 28misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. 29Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha

23/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mandinika ny fanoloran-tenan’ny mino i Jesoa

Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Alahady 22 aogositra 2021 nitondran’ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 12 : 41-44 : « 41Ary raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao. 42Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka

23/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny zanany hahazo fialofana

Famindram-po sy fahamarinana ho an’izay manao asa tsara. Ny vavaky ny marina no mamonjy ain’olona. Ny fahatahorana an’i Jehovah no loharanon’aina Alahady 15 aogositra 2021, hitondrana am-bavaka ny asa Aumonerie nationale eo anivon’ny FJKM mbola andinihana ny lohahevitra hoe « Miorena @ asa tsara ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Ohabolana

08/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Karakarao ny tanindrazana

Alahady 08 aogositra 2021 izay mbola hibanjinana ny lohahevitry ny FJKM hoe « Miorena @ asa tsara ». Ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 21. Andeha hiombona @izany fotoana izany :