Ny nanoratana ny teny malagasy, sy ny endriky ny hira protestanta tany am-piandohana
Tany amin’ny taonjato faha 17 dia efa nisy tokoa ny boky kely voasoratra tamin’ny teny malagasy. Anisan’ireny ohatra ny « Petit catéchisme avec les prières du matin et du soir » nataon’i Rév. Naquart sy Gondrée . Nony voaroaka anefa ry zareo, dia tsy fantatra ny nalehan’io boky kely io. Teo koa ny « Voyage au pays des Slaves », nosoratan’i Mayeur (1677). Tsy nipaka tamin’ny vahoaka ireny boky kely ireny , ka mbola tsy azo lazaina hoe efa tafiditra teto ny soratra.
Ny tena nidiran’ny soratra teo anivon’ny vahoaka malagasy dia taorian’ny nahatongavan-dry David Jones (Jonjilava) sy Thomas Bevan. Ny 16 Jiona 1818 no tonga tao Toamasina ry zareo. Mampalahelo anefa fa maty tamin’io taona io ihany i Beva mivady sy Ramatoa Jones. Voatery nody kely tany nosy Maurice i Jones, ary avy eo vao niverina, ka tafakatra taty Antananarivo ny volana Oktôbra 1819. Tonga nanampy azy i Griffiths.
I Griffiths sy i Jones, izay samy Gallois, no nikaroka ny fomba tsara indrindra mety hanoratana ny teny malagasy. Tsy dia nifanaraka hevitra tamin’ireo nnamany izay niara-nandika ny Baiboly taminy izy ireo. Teo ohatra i Jeffrey (Anglisy) izay nitady hampiditra ny feo anglisy, toy ny [w], teo ry Robert sy Robin (Frantsay) izay nitady hampiditra ny fomba fanoratra frantsay sasantsasany tahaka ny qu (oh : Raqutu)
Rehefa tsy nifanaraka tahaka izany, dia nanatona an-dRadama I. Ny foto-kevitra nijoroan-dRadama dia toy izao :
– aoka tsy handova izay anganonganon-kevitra avy amin’ny vazaha eo amin’ny lafiny feo. Rehefa a ohatra dia a, rehefa o dia o.
– aoka ho iray ny fanoratana ny teny malagasy, satria raha tsy izany, hoy izy, tsy ho iray ny vahoaka.
Dia namoaka didim-panjakana mihitsy izy mba hamaritana ny tsipelin-teny, sy hilazana fa ny kolontsaina hotazonina dia ny an’ny tompom-pahefana, fa tsy ny an’ny vahiny.
Dia nosoratana nanara-pitsipika àry ny teny malagasy. Nandika ny Baiboly, nanorina ny sekoly, ary nampianatra namaky teny sy nanoratra ry Jones. Araka ny hita tao amin’ny gazety Midi Madagasikara, laharana faha 5872 tamin’ny 03 desambra 2002, dia nisy « Roambinifololahy » ny mpianatra voalohany tao amin’ny Sekoly tao Besakana Anatirova, izay nisokatra ny 08 desambra 1820. Ireto izany : Rakotobe, Raharolahy, Ralaimaholy, Rainifiringa, Rasatranabo, Ratsisetraina, Rainiseheno, Ratsimihara, Ramaka, Rabohara, Rasoanitsiniriana, Ratsitohaina, Rainisoa, Ratsimandisa. Noho ny fahaizany sy ny faharanitantsainy, dia nantsoin’ireo misionera izy ireo handray anjara tamin’ny fandikana ny Baiboly.
Mba hitarihana ny olona ho kristiana, dia teo aloha ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanazavana ny foto-pinoana. Tetsy an-daniny, dia fitaovana lehibe nanampy ireo misionera ihany koa ny hira. Araka ny filazan’i Philippe RAJOHANESA, « ny hira, hono, dia manan-kery manoatra lavitra nojo ny sermona tsara indrindra [ ] Ireo fihirana ireo no jono iantsoan’ny mpitory Filazantsara ny hazandrano hiditra ao amin’ny haraton’i Kristy. » (jereo « Ny Fihirana Malagasy », in Mpanolo-tsaina n° 82, 83, avril-juillet 1924).
Azo lazaina ho nandalo zana-banim-potoana telo miavaka tsara ny hira protestanta malagasy nanomboka tamin’ny fanjakan-dRadama I ka hatramin-dRanavalona III. Ireto izany :
– zana-banim-potoana I (1818-1828)
– zana-banim-potoana II (1828-1861)
– zana-banim-potoana III (1861-1895)
Zana-banim-potoana I (1818-1828)
Rafitra namorona sy nampianatra hira ny misionera. Mazàna dia ireo feon-kira efa nahazatra an-dry zareo tany Angleterre ihany no namoronany tonony malagasy, ary dia ireny no noventesin’ny kristiana malagasy izay nazoto nihira tokoa. Anisan’izany ohatra ireo hira krismasy.
Koa ny misionera aloha izany no namoron-kira teo am-piandohana. Ny Malagasy fantatra hoe namorona dia RAINISOA RATSIMANDISA. Sekreteram-panjakana tamin’ny andron-dRadama I izy. Santionany amin’ny hira noforoniny ny « Aretim-be alahelo ».
Zana-banim-potoana II (1828-1861)
Rehefa tafakatra teo amin’ny fitondrana RANAVALONA I, dia nanenjika ny nantsoiny hoe « fivavahana amin’ny razam-bazaha » izy. Tamin’ity vanim-potoana ity no nisian’ireo « kristiana maintimolaly » niaritra ny fanenjehana. Ireo hira noforonin’ny Misionera aloha no noventesiny. Tsapany anefa tato aoriana kely, fa tsy mahalaza ny fihetsem-pony intsony ireny, koa dia namorona izy, araka izay takatry ny sainy sy nampangetaheta ny fanahiny. Ireo tononkira noforoniny ireo, araka ny filazan-dRavoajanahary Charles, no sangan’asan’ny Malagasy voalohany eo amin’ny sahan’ny literatiora an-tsoratra. Hita ao ny fisainana kristiana, kanefa tsapa ihany koa fa Malagasy no namorona azy.
Tsy fantatra anarana ny ankamaroan’ny mpamorona. Tsy dia mahagaga izany, satria noho ny fanenjehana, dia nizarazara ho antokon’olona vitsivitsy ry zareo kristiana. Raha misy mahatsiaro ho hetsehin’ny fanahy, ka mahaforona, dia mampianatra izany amin’ireo namany. Ireo kosa indray , rehefa tonga any amin’ny antoko hafa, dia mampianatra ity hira vaovao. Mandrakariva, tsy voateny izay namorona azy. Notazonina ho tsiambaratelo rahateo izany noho ny tahotra ny Mpanjaka.
Ireny hira noforonin’ny « kristiana maintimolaly » nandritra ny andro fanenjehana ireny no antsoina heo « hira maintimolaly ». Maromaro izy ireny no ao amin’ny fihirana FFPM ankehitriny, toy ny :
Hira faha 2 : Misaora an’i Zanahary
Hira faha 43 : Manenoa ry anjomara
Hira faha 76 : Sambasamba Zanahary
Raha bangoina ny momba ireo hira maintimolaly ireo, dia mby amin’ilay voalazan’i RICHARDSON ao amin’ny Antananarivo Annual vol.I-1875-1878, tak. 151-163 manao hoe : « Mampalahelo ny mihevitra ireo fihirana feno hevitra ireo, fa tsy azo tahirizina noho ny tononkira ao aminy tsy manaraka ny lalàn’ny versification na fanaovan-tononkira. » Vokatr’izany, rehefa natonta indray ny fihirana taty aoriana, dia maro tamin’ireo tononkira ireo no tsy tafiditra intsony.
Zana-banim-potoana III (1861-1895)
Ity zana-banim-potoana ity, indrindra manodidina ny 1870, no ilay antsoin’i Yvette RANJEVA RABETAFIKA hoe « Taom-bolamenan’ny fihirana malagasy » (« L’influence anglaise sur les cantiques protestants malgaches », in Annales de l‘Université, Série Lettres et Sciences Humaines, Antananarivo, 1971).
Vazaha telo lahy no voalaza ho nikaroka izay hamolahana ny teny malagasy ho azo anaovana tononkalo mirindra na « poezia ». Tsy iza izany fa i HARTLEY, RICHARDSON, ary DAHLE. Nisy mantsy adihevitra nifanaovan’ny misionera na azo anaovana poezia na tsia ny teny malagasy. Nizara telo ny hevitra :
– maro no nisalasala, ary nilaza fa tsy azo anaovana poezia ny teny malagasy
– nisy ny nilaza, fa ny fingadon’ny teny malagasy dia ahitana « musicalité naturelle », ka tsy ilaina akory ny fanapahana andalana césure sy ny mampiady rima azy. Tsy ilaina, hoy izy ireo, ny mamolaka ny teny malagasy ho poezia, satria efa poezia vita izy.
– Nisy kosa ny nilaza, indrindra ireo havanana amin’ny fahaizana teny malagasy, fa « teny mandeha moramora sy tsara firindra ity teny malagasy ity, ka azo anaovana poezia tsara. » Ary noporofoin-dry zareo tamin’ny famoronana izany.
Ilay tononkira noforonin’i HARTLEY hoe « Jesoa Mpamonjy Mpiandry tokoa » (Hira faha 39) araka ny filazan-dRAJOHANESA Philippe, no modelin’ny tononkira vita amin’ny teny malagasy, ka nahavaky vava ireo Vazaha nanohitra ny heviny.
Fotoana fohy taty aoriana, dia nipoitra ny « poeta malagasy ». Anarana vitsivitsy no voarakitry ny tantara : RAJAONARY, RAMAHANDRY, RAZAFIMAHEFA, sns., fa ny hita ho tena havanana dia ANDRIANAIVORAVELONA Josefa Rainy. Izy no ilay nantsoin’i Philippe RAJOHANESA hoe : « Rain’ny Poeta malagasy. » Mahatratra 36 ny isan’ny tononkira nataony. Indreto ny sasantsasany :
– Miely lavitra any (Hira faha 311)
– Ry namako mahantra (Hira faha 355)
– Ao ny lanitra tsara tokoa (hira faha 684)
– Jeso Tompo lehibe (Hira faha 115)
Tamin’ny taona 1894, hono, dia nisy fifaninanana nampanaovin’ny gazety boky Ny Fiangonana sy ny Sekoly hilaza izay hira tsara indrindra amin’ny fihirana protestanta malagasy. Nasaina nanondro izay hira 10 tiany indrindra ny mpifaninana. Nandray anjara hatramin’ny Praiministra sy ny Mpanjaka. Ka rehefa nalahatra ny hira be mpanonona, dia ny « Jeso Tompo lehibe » no ambony indrindra. Ary tsy vitsy, hono, ireo Vazaha no niaiky ny fahaizan’ANDRIANAIVORAVELONA Josefa Rainy.
Pr. ANDRIAMANANTSILAVO Seth