FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ny firaisan-tsaina tsy miaraka amin’i Jesoa Kristy dia tsy mahomby

Ny firaisan-tsaina tsy miaraka amin’i Jesoa Kristy dia tsy mahomby

Publié le 13 novembre 2012 à 12:11

Jaona 21 : 1-14 : 1Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ny mpianatra indray Jesosy teo amoron’ny Ranomasin’i Tiberiasy; ary toy izao no nisehoany: 2Niaraka Simona Petera sy Tomasy, izay atao hoe Didymo, sy Natanaela, ilay avy tany Kana any Galilia, sy ireo zanak’i Zebedio ary mpianatra roa lahy hafa koa. 3Hoy Simona Petera taminy: Handeha hanarato
aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, ary tamin’iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy. 4Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesosy, kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy izany. 5Dia hoy Jesosy taminy: Anaka, manan-kanina# va ianareo? Dia namaly Azy hoe izy: Tsia. 6Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin’ny sisiny ankavanan’ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo. Koa dia nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano. 7Ary hoy ny mpianatra izay tian’i Jesosy tamin’i Petera: Ny Tompo iry . Ary raha ren’i Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy niakanjo izy), ka nirotsaka teo
amin’ny ranomasina izy. 8Fa ny mpianatra sasany nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno hazandrano; fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho ihany. 9Raha vao nikatra teo an-tanety izy, dia nahita afon’arina teo sy hazandrano teo amboniny ary mofo. 10Hoy Jesosy taminy: Analao hazandrano amin’ireo vao azonareo teo. 11Dia niakatra Simona Petera, ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimam-polo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza izy, dia tsy triatra ny harato. 12Hoy Jesosy taminy: Avia hisakafo. Fa tsy nisy mpianatra sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo Izy. 13Ary tonga Jesosy, dia nandray ny mofo, ka natolony azy, dia vao ny hazandrano indray. 14Izany no fanintelon’ny nisehoan’i Jesosy tamin’ny mpianatra, rehefa nitsangana tamin’ny maty Izy.


Lire aussi

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina

09/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2023 : Tsy ato Izy, fa efa nitsangana

Alahady 11 Aprily 2023, alahady Paska, mbola nibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« , ka nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24 : 6a  » Tsy ato Izy, fa efa nitsangana « . Manàsa anao hiombona @izany fotoam-pivavahana izany :