Ny fiàsan’ny herin’i Kristy ao amin’ny mpanompony
Alahady 17 septambra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra », fanateram-bokatra sy nitondrana am-bavaka ny antoko mpihira Antsan’Ambavahadimitafo.
Ny mpitandrina miza-draharaha Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Kolosiana 1 : 24-29 » 24Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, dia ny fiangonana, 25izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran’Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra, 26dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin’ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin’ny olony masina, 27izay efa tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren’ny voninahitr’ity zava-niafina ity any amin’ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra; 28Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin’ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin’i Kristy izy rehetra. 29Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan’ny herin’ilay miasa mahery ato anatiko. «
Andeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :