Ny fiainam-pianakaviana mahafaly an’Andriamanitra
Alahady 12 desambra 2021, natokana ho an’ny Sekoly Alahady mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo« .
Ny hafatra avy ao amin’ny Ohabolana 23 : 12-18 no notoriana « 12Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.13Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza; 14Raha mamely azy amin’ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny.15Anaka, raha hendry ny fonao,Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko; 16Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao.17Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an’i Jehovah mandritra ny andro; 18Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao. «
Andeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :