Ny fanao tsy ara-panahy tafiditra ao amin'ny fiangonana (part 2)
II. Ny mamela ny olona tsy manana fahalalàna handidy sy hizakazaka ary hanapatakapa ny fiangonana
Ny fiangonana dia mba mandroso ho amin’ny fomba tsara, araka ny fandrosoan’ny olona amin’ny civilisation sy ny fomba tsara ary ny lamody vaovao sy ny fomba ambony. Ny trano fiangonana tety tamin’ny voalohany, dia hosy feta faham-bainga, sy trano tany tafo herana, ary trano tsikoitra tafo bozaka ; dia nandroso nihatsara, ka natao trano biriky tanimanga ivelany – tena fomba tsara io.
Hoy ilay vao nanova haingakaingana izao, nefa mbola trano mafy ny azy ka noravany, hoe : Tsy hita izay mba anarana hilazana ity tranonay ity (araka ny tenin’ny mpitoriteny, fa lalotra tany mena izy). Hatao hoe lambamena izy, fifonosan’ny maty izany ; ary hatao hoe menalamba, anaram-pahavalo izany ; ka dia hany hery noravana na dia mbola mafy aza, ka nosoloana biriky tanimanga ivelany, sady nohalehibeaziny – vita tsara dia tsara io trano io izao.
Manarakarak’izany, dia samy nanao trano avo indray. Fa raha trano fiangonana tsy misy trano avo, ary église tsy misy tilikambo, dia trano vavy ; ka toy ny « trano be tapa-tandroka, ka laza taloha no sisa. Ary dia nividy lakolosy daholo indray, fa efa tsy hita izay nanjavonan’ny anjombon-tSakalava. Ary dia samy manana harmonia indray, mba hahatanteraka ny teny ao amin’ny Salamo hoe :
« Haleloia, miderà an’i Jehovah amin’ny zava-maneno tendrena » (Sal. 150,4)
Fandrosoana tsara avokoa ireo. Fa ny lamody fantaisie tsara indrindra sy ambony karazana, dia ny mahazo mpitandrina vita fianarana avy amin’ny Kolejy, ka velomina tsara, sady tsy saro-bidy loatra, hoatra ny vidim-bary atsy Isotry, fa tena bon marché, fa raha 250 fr. isan-taona dia mahazo azy ; ka na dia izay fiangonana kely indrindra aza dia mahazo izany, raha manao vokatra isan-taona.
Koa ny fiangonana rehetra izao dia samy maniry ny hahazo tahaka ireny avokoa ; fa izay fiangonana badolahy indrindra angaha no tsy mieritreritra haka Kolejy, fa finaritra hipetraka amin’ny ampahadimin’ny evanjelistra iray. « Raha aleoko maditra tsy hanana, toy izay halemy fanahy hanana ilany. »
Ary mba fiangaviana ataonay aminareo Misionera. Raha misy lahy amin’ireo Evanjelistrareo ireo, izay mahay sy mazoto ary tsara fanahy, ka mahavita raharaha be, ka voafidinay ho mpitandrina, aza hazonina, fa mba alefao, fa mampianara indray ianareo ny vaovao hisolo ny lasa, fa ao aminareo no fototry ny fahendrena.
« Loharano velona hianareo, ka tsy mitsaha-miboiboika ; ary fia-pary lava, ka tsy lany hamamiana, fa betsaka ireo ny mpianatrareo ho dimbin’ny lasa. Koa izay efa misy mpifidy dia ataovy tsara tso-drano, fa Ambatomanga tsy lany manga ; ary Ambohipotsy dia aoka fotsiny!
Kanefa, aleo tsy maka mpitandrina vita fianarana, toy izay mahazo kolejy tsy misy hazondamosina, izay tsy mahajoro amin’ny raharaha tsara efa nianarany, fa matin-kenamaso amin’ireo olona ambony toetra sy mahay miteny ary manan-kaja araka ny nofo, nefa tsy manam-pahaizana ; fa ampitahorin’ny sasany izy, sady mangorohoro tena, ka ilazan’ny sakaizany hoe : « Tandremo ny ataonao, fa olona maro fianakaviana iny, ka raha iny no setrasetrain-teny, andrao mahatonga tabataba.
Ary indray , ampitahoriny hoe : « Lehilahy manan-karena io, ka manan-javatra hanambatambazany olona, ka raha ireny no tsy arahin-teny, tratry ny manodim-bahoaka izy ka miala tampoka amin’ny raharahanao hianao. »
Ary tsahoiny hoe : « Olona be fisy ireo, ka fototry ny fandoavam-bolan’ny fiangonana, ka raha ireny no pohin-tandroka, tonga pasteur very kabaka hianao, ka maina ny vilany nongo »
Amin’izay dia mandefi-mahitsy eo ka manjary kiady fa tsy tompon’ny saha; « mpiandry omby vola vita, ka tsy tompony fa mpamerin-doha; » ka dia « mipetra-poana hoatra ny lamban’ny mpiasa. »
Ary amin’izay ny raharaham-piangonana dia iliban’ny olona tsy manam-pahalalana sady tsy mahay na inona na inona ; fa iroa ilay Kolejy dia miforitra foana hoatra ny sokina voatohina. Efa nisy resy an-tosika izao ka nifindra postra.
Hevero fa olona tsy nianatra théologie ireo, nefa mitady handahatra foto-pinoana ; tsy mahay retorika izy, nefa mitady ho mpitsara laha-teny ; tsy mahalala homiletique akory, nefa mitady ho mpanisy sermona ; tsy mahay commentaire, nefa mitady ho mpanao fitsipiky ny Soratra Masina.
Varotra sy fambolena no hainy, ary fandrantoana sy économie politique (fampitomboan-karena) no manavanana azy ; fa raha ny zava-panahy araka ny Soratra Masina, tsy hainy velively. Koa aoka ny tahaka ireny tsy havela hanapatapaka ny fiangonana.
Ny ankabeazan’ny olona dia tia fiamboniana. Kanefa, aoka izay efa nahazo ny Diplôme-n’ny Dokotera ihany no hizaha ny marary ; ary izay efa nianatra tamin’ny Ecole Militaire ihany no handray ny galonan’ny officiers ; fa izay matahotra osi-lahy tsy tokony haniry ny voninahitry ny Généraly. Ary toy izany koa, izay mahatapitra ny fianarana efa-taona no tokony harahin-teny hifanaraka amin’ny Soratra Masina efa nianarany. Kanefa kosa, tsy ho mpanjakazaka amin’ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran’ny ondry » (1 Pet. 5,3).
Aoka tsy hihevitra fiambonian’olona araka ny nofo isika amin’ny fanaovana raharaham-piangonana, fa tsy ara-panahy izany ; fa hoy Paoly Apostoly :
« Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy ny olona mahery, tsy firy no avo razana ; fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery ; ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza mba hahafoana ny misy, mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra. »
Marina ny tenin’i Paoly : « Fa raha mpanjaka no mpitandrina, ary Premier Ministre no diakona ; ary Andriambaventy no mpitoriteny ; ka Amboninjato ny sekretera, dia ireny olona efa hajaina araka ny nofo rahateo no mpitondra fiangonana, dia tsy hisy intsony ny zavatra ara-panahy, fa hanjary fifehezana araka ny nofo kosa.
Fa tsy izany ; fa Andriamanitra efa nifidy ny olona ambany voninahitra sy malahelo sy ny Hovavao ary ny Sakalava, dia ireo olona tsy manan-kaja sy tsy misy ahatahorana akory, raha ny nofo no heverina ; fa noho izy manana ny Fanahin’i Kristy ao anatiny, ka nahazo ny fahendrena avy any ambony, ary vita fanomanana tao amin’ny fianarana ambony, ka dia tsy ny nofony no mirehareha. Fa hoy ny Episitily : « Tsy avy amin’ny nofo no fiadian’ny tafikay, fa ampaherezin’Andriamanitra izahay handrava ny fiarovana mafy. » Ary hoy Jesosy Kristy Tompo :
« Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao izany tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina, ka nasehonao tamin’ny zaza madinika ; eny Raiko, fa izany no sitraponao » (Liok. 10,21).
Ry mpiasan’Andriamanitra ô, mijoroa amin’ny raharahanao, ka aza matahotra izay mba ho reraka amin’ny fanaovana ny marina ; fa raiso ho tokintsika ny tenin’i Habakoka hoe :
« Na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, ary tsy misy voany ny voaloboka ; na dia mahadiso fanantenana ny oliva, ary tsy mahavokatra hohanina ny saha. Nefa izaho dia mbola hifaly amin’i Jehovah ihany sy hiravoravo amin’Andriamanitry ny famonjena ahy. Jehovah Tompo no anjarako » (Habak. 3,17-19).
Ary na ho voky na ho noana, dia tsy handa ny fanompoana nanendrena anao, ka hamela izany ho zakain’ny hafa.
« Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo » (1 Kor. 15,58).
(hitohy)
RAMBELO,
Mpitandrina ao Anosipatrana 18 Octobre, 1917