FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ny Asa Sosialy eto Ambavahadimitafo (ASAM)

Ny Asa Sosialy eto Ambavahadimitafo (ASAM)

Publié le 14 juin 2007 à 01:06

Tsy nataon’ny apôstôly Paoly ambanin-javatra ny fanampiana ireo sahirana ka nanafarany ny Fiangonana tany Korinto

I KORINTIANA 16:1,2 SY II KORINTIANA 9:12, 13

A. FANAMPIANA NY SAHIRANA

Ny Soratra Masina no iorenan’ny fandaminana ao amin’ny Fiangonana « réformé », ary anisan’izany ny FJKM. Mibahan-toerana lehibe amin’izany ny fampianaran’ny apôstôly Paoly. Tsy nataon’ny apôstôly Paoly ambanin-javatra ny fanampiana ireo sahirana ka nanafarany ny Fiangonana tany Korinto, ary mbola manan-kery sy atao ho an’ny Fiangonana Ambavahadimitafo koa izany hafatra izany, ka nitenenany hoe :

« .. araka ireo fepetra nasaiko narahin’ny Fiangonana rehetra any Galilia. Isan’Alahady dia samia mba manokana vola ao aminy » (I KORINTIANA 16:1,2 – DIEM)

Ny fampianarana sintonintsika avy amin’io dia ity : Tsy diso mihitsy ny mpiangona eto Ambavahadimitafo, raha manangom-bola isaky ny Alahady (rakitra moa no hilazana azy ao amin’ny dikan-teny teo aloha) entina hanampiana ireo sahirana. Satria araka ny Soratra Masina izany. Ary entanina mihitsy aza ny mpiangona mba hanao izany. Io fanangonam-bola io dia tsy hoe faniriana fotsiny, ho an’ny apôstôly Paoly, mba ho ataon’ny mpiangona, fa faniriana miendrika baiko, satria hoy izy :

 » mba manaova koa ianareo, araka ireo fepetra nasaiko narahin’ny Fiangonana rehetra »

Natao ho an’ny Fiangonana Ambavahadimitafo koa izany fepetra asain’ny apôstôly Paoly arahina izany; « manokana vola » hoy izy.

B. FITORIANA NY FILAZANTSARA

Zava-dehibe ny fanampiana ny sahirana, ka nahatonga ny apôstôly Paoly hampianatra ny Fiangonana, ary anisan’izany isika eto Ambavahadimitafo, hanangom-bola ho an’izany asa fiantrana izany. Ary ireo sahirana ireo, dia tsy voatery mihitsy hoe ao anatin’ilay Fiangonana mpanome, satria : nampanangom-bola ny Fiangonana any Korinto, ny apôstôly Paoly, ho an’ny Fiangonana any Jerosalema (I Kor. 16:3) na koa ho an’ny Fiangonana any Jodea (II Kor. 9:12) sns.

Fiangonana izay samy sahirana avokoa. Fitoriana ny Filazantsara, fitoriana an’Andriamanitra, ny fanampiana ny sahirana, araka ny tenin’ny apôstôly Paoly hoe :

« Satria ny fanaovana izao asa famoriam-bola izao dia tsy hoe mahafa-pahasahiranana ny vahoakan’Andriamanitra any Jodea fotsiny, fa mahabe ny fisaoran’ny maro an’Andriamanitra koa. Misy vidiny tokoa izao fanasoavana izao, Ka maro koa no hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny fanaovana anehoanareo ny Vaovao Mahafaly nentin’i Kristy ; maro koa no hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ianareo nahafoy be nizara harena tamin-dry zareo any Jodea sy tamin’ny olona rehetra » (II Kor. 9:12, 13 , DIEM)

Ny fampianarana sintonintsika avy amin’ireo andalan-tSoratra Masina ireo dia ireto :

a) Tena manampy ireo sahirana tokoa, ny fanomezanareo ho azy ireo, koa manantena, mamporisika ny Fiangonana izahay ASAM ny hanohy, ny hampitombo ny zavatra efa fanaonareo ihany. Fitiavana izany.

b) Tsy vitan’izany ihany fa : Ny fanampiana ireo sahirana, dia mahatonga ny betsaka hisaotra an’Andriamanitra (II Kor. 9:12), izany hoe hivavaka. Misy tokoa mantsy ny vavaka fisaorana, fa tsy izany ihany no antony hivavahana. Ary ao koa ireo maro hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ianareo nahafoy be nizara harena tamin-dry zareo.

Araka ny fijoroan’ny apôstôly Paoly vavolombelona eto, sy fampianarana ampitainy amintsika dia : ireo koa no anisan’ny vokatry ny fanampianareo ireo sahirana, vokatra izay tena mankadiry tokoa. Tsy vitan’ny hoe manala fahasahiranana an’ireo sahirana ianareo, fa mahatonga ny maro koa hisaotra sy hanome voninahitra an’Andriamanitra. Fitoriana an’Andriamanitra tokoa ny fanampiana ny sahirana.

Betsaka aminareo no tsy manana ny fahasoavana hitory an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fitetezana tokantrano (« Tafika Masina » no iantsoan’Ambavahadimitafo an’izany), na koa amin’ny alalan’ny toriteny na koa amin’ny alalan’ny fomba maro samihafa. Kanefa betsaka aminareo koa no manana fahasoavana hitory an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanampiana ireo sahirana, anisan’izany ny ara-bola.Tena fomba fitory iray hafa koa ny fanomezanareo vola ho amin’izany. Koa mazotoa mitory tompoko.

Isika eto amin’ny fitandremana Ambavahadimitafo dia manana ny ASAM, izay vondron’asa mampita fotsiny ny fanomezanareo, ny fanampianareo ho any amin’ireo sahirana. Tetezana fotsiny ihany ny ASAM, tetezana mampita ny fitorianareo (fanampiana) amin’ireo toriana (sahirana). Ianareo mitory, fa ny ASAM dia fitaovana entina mampita ny fitorianareo fotsiny ihany. Izany hoe, ianareo no miteny, fa ny ASAM dia « micro » fotsiny ihany.

Amin’ny Alahady 21 Mey 2006, Alahady fahatelon’ny volana, no Alahady natokan’ny fiangonantsika eto Ambavahadimitafo ho Alahadin’ny asa sosialy, Alahadin’ny ASAM. Koa manantena anareo ny fiangonantsika fa :

« Momba ny famoriam-bola atao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra any Jerosalema, dia izao : mba manaova koa ianareo, arak’ireo fepetra nasaiko narahin’ny Fiangonana rehetra any Galilia. Isan’Alahady dia samia mba manokana vola ao aminy avy arakaraka izay vola miditra ka hitahiry izany, mba tsy ilaina intsony ny hamoriam-bola amin’ny fahatongavako (I Kor. 16:1, 2, DIEM) ;

« Satria ny fanaovana izao asa famoriam-bola izao dia tsy hoe mahafa-pahasahiranana ny vahoakan’Andriamanitra any Jodea fotsiny, fa mahabe ny fisaoran’ny maro an’Andriamanitra koa. Misy vidiny tokoa izao fanasoavana izao, ka maro koa no hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ny fanaovana anehoanareo fa inoanareo ny Vaovao Mahafaly nentin’i Kristy ; maro koa no hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ianareo nahafoy be nizara harena tamin-dry zareo any Jodea sy tamin’ny olona rehetra » (II Kor. 9:12, 13 – DIEM)

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra.

Ny Asa Sosialy eto Ambavahadimitafo (ASAM)


Lire aussi

19/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny

Alahady 19 Martsa 2023, fanompoampivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona maha-mpikarakara ny trano fiangonana an’Andriamatoa RAKOTONANDRIANINA Tantely Arinarivo mianakavy. Mbola anatin’ny lohahevitra isika @ity volana ity manao hoe « Mamerina amin’ny fahamarinana ny Tompo ». Ny tenin’Andriamanitra notorian’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia araka ny teny faneva nofinidin’i Tantely mianakavy, araka ny Salamo 27,4

12/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona mendrika ankasitrahan’ny Tompo

Alahady 12 Martsa 2023, niarahana niombonam-bavaka tamin’ny fiangonana miara-mandroso FJKM Antenimbe, ka nitondran’izy ireo ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 10 : 25-37  » 25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana

05/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny . Volana sy Kintana

Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

Alahady 05 martsa 2023, mbola andinihina ny lohahevitra manao hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo »; alahady nankalazana an’Andriamanitra koa noho ny faha-80 taonan’ny sampana Volana sy Kintana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Daniela 12 : 3  » Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay

19/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao

Alahady 19 Febroary 2023, nankalazana ny faha-10 taona naha-Sekretera Arsivista an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Miary-Soa teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao @ Josoa 1 : 9  »  Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao « . Manàsa anao hiara-hiombona @izany fotoana

12/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

Alahady 12 febroary 2023, natokana hitondrana am-bavaka ny Baiboly, ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 8 : 22-25 «  22Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23Ary

05/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho

Alahady 05 febroary 2023, andinihina ny lohahevitra FJKM amin’ity volana ity manao hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Zakaria 1:3 «  3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika

08/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 08 Janoary 2023

Alahady 08 Janoary 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Tinarisoa Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao hanaraka ny fotoana :