Ny adidin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra
Ny adidin’ny Mpitandrina :
– mampianatra sy manofana ny mpampianatra
– manara-maso ny ankizy rehetra tokony hianatra Sekoly alahady
Ny adidin’ny Ray aman-dreny :
– nanaiky teo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana fa “hampiditra ny zanany hianatra Sekoly alahady”
– mampirisika ny zanany hiditra ho Sekoly Alahady
– manara-maso ny fianaran-janany ao amin’ny Sekoly Alahady
– mampifanaraka hatrany ny fiainany amin’ny zavatra nianaran-janany
– mampianatra ny zanany ny Soratra Masina ao an-trano
– manohana ny asan’ny Sekoly Alahady amin’ny vavaka, vola ary toro-hevitra
– mifampidinika amin’ny mpampianatra momba ny zanany.
Ny Mpampianatra Sekoly Alahady :
– dia olona nahazo fiantsoana manokana hanao izany avy amin’Andriamanitra
– dia nanaiky izany antso izany ka neken’ny Fiangonana hanao asa fampianarana ao amin’ny Fitandremana
– dia mandalo fanomanana
– dia tsy maintsy ho Mpandray fanasan’ny Tompo na miomana ao amin’ny Katekomena
– dia ho tsara toetra, salama, mahay miara-miasa amin’ny namany, mazoto mamonjy fiofanana.