Nosokafana tamin’ny 20 mey 2012 ny Jobily faha-150 taonan’ny FJKM Ambavahadimitafo
Fotoana fanokafana
Nisy fotoam-pivavahana lehibe nentina ho Fiderana an’Andriamanitra ho fanokafana ny taom-pankalazana ny alahady 20 mey 2012. Nandritr’izany no nitondran’ny Ray aman-dreny mpitandrina Rakotoniera ny filazana ny fitsanganan’ny Mpikarara izany fankalazana izany miaraka @ ny Komitin’ny Fankalazana ny faha 150 taona.
Ny Birao sy Komity
Natolotra ny Birao izay tarihan’Atoa Ramanantsoa Harifera; birao izay hahitana ireto mpikambana ireto: Rajaonera Pax, Ramasitera Ny Haingo, Disaine Lala, Rakotomalala Roland, Robijaona Yves, Rabearivony Roland ary Andriamampianina Naivo.
Ny Komity Fankalazana dia ahitana ny Birao mpikarakara miampy ny Mpikambana 5 avy ao @ Biraon’ny Fikambanan’ny Loholona sy Diakona, ary koa ireo solontena roa isaky ny sampana 7 eto @ Fiangonana .
Tsangambato
Tao aorianan’ny Fitondrana am-bavaka ny Komity dia nanolotra ny tanjona sy ny Tsangam-bato ary ny Teny Faneva ny Filoha. Hisy hetsika maro hoentina hanamarihana ny taom-pankalazana, ary ny tsangam-bato dia ny fanarenana ny Akany Ralibera Daniel, ary ny fametrahana ny vato fehizoron’ny Tranom-bakoka sy Tahiry hahorina eo avaratry ny Fiangonana.
Ny Teny Fanevan’ny Fankalazana dia izay voalaza ao amin’ny Salamo 90, 17: « Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ny Tompo Andriamanitra; ary ampitoero aminay ny asan’ny tànanay »
Fanokafana
Nitohy tamin’ny fandraisampitenenan’ny Solontenan’ny Biraom-piangonana sy ny Solon-tena avy amin’ny Fiangonana EKAR Ambavahadimitafo.
Nisy koa ny fampatsiahivana ny tantaran’ny Fiangonana nandritra ny 150 taona nataon’ny avy ao amin’ny Vaomieran’ny Tantara.
Ary dia nofaranana izany fotoam-panokafana izany tamin’ny fanokafana manetriketrika ny taom-pankalazana izay nambaran’ ny mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy, Mpitandriana ny FJKM Andrainarivo, izay nitondra ihany koa ny Tenin’Andriamanitra.
Nisy fiarahana niala hetaheta natolotra ireo vahiny nasaina avy amin’ny Fiangonana manodidina notronon’ireo solon-tena avy amin’ny Fiangonana.
Efa nanomboka nikatroka asa ny Komity sy ieo vaomiera maro natsangana hanatanteraka ireo tetik’asa hanamariana izao fankalazana izao.
Samy hitondra am-bavaka izao taom-pankalazana izao, sy ny fahatanterahan’ireo asa mba ho Voninahitr’Andriamananitra.
Raveloarison Léon Claude, Vaomieran’ny Tantara