FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Nosokafana ny jobily faha 60 taonan’ny sampati faha-XIII Ambavahadimitafo

Nosokafana ny jobily faha 60 taonan’ny sampati faha-XIII Ambavahadimitafo

Publié le 08 octobre 2009 à 09:10

Nosokafana ny alahady faha 04 oktobra 2009 teo ny fankalazana ny jobily faha 60 taonan’ny SAMPATI faha 13 Ambavahadimitafo, ka ny teny faneva entina hankalazana izany jobily izany dia araka izay hita ao amin’ny bokin’i Daniela 12: 3a « Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra »

Nandritra io fotoana io no nanolorana ireo komity maromaro hitantana sy hikarakara ny hetsika rehetra entina hankalazana izany taon-jaobily izany. I Chef Prédon RAHARIJAONA moa no filohan’ny fankalazana izay isan’ny nanorina ny fikambanana tamin’izany , ary natolotra teo koa ireo filohambonihitra dia I Ramaroson Haja, Rabenjamina Charline, Andriamihamisoa Mamy, Raveloarison Léon Claude ary chef Mamy Andriantsoa.

Nisy fandraisampitenenana fohy mo nataon’ny solotenan’ireo filoham-boninahitra ka nampatsiahiviny tamin’izany ny fotoana nitsanganan’ny fikambanana voalohany tamin’ny taona 1949 izay pasteur Jean Baptiste Ralambomahay no anisan’ny angady nanana sy vy nahitana ny fikambanana tamin’izany.

Tamin’io alahady io ihany ko no nanararaotan’ny solotenan’ny foibe tily niarabana sy nanolorana loka ho an’ny fokonolona Ralambomahay teto Ambavahadimitafo raha nahazo ny laharana voalohany tamin’ny rodorodo nasionaly (concours technique) natao tamin’ny volana aout 2009 farany teo izay niainga tao Antanifotsy ka nifarana tany Ambositra,

Nofaranana tamin’ny fiarahamisakafo sy fanateram-bokatra moa ny fanokafana ny jobily, izay nahafapo tokoa satria dia nahatratra teo amin’ny 200 teo ireo tranainy namaly ny antso tamin’ ity sakafom-pihaonana ity, ka dia niara-namerina indray ireo hira sy lalao fanao fahiny, nisy aza moa ny nitantara ny fotoana nahafinaritra tamin’ny fandalovany tao amin’ny fikambanana.

Mbola maro moa ny fandaharam-potoana ho entina hankalazana izao jobily izao, toy ny fifaninana ara-panatanjahantena ataon’ny sampana, fivoahana antsaha miaraka amin’ny tranainy, famoahana boky milaza ny tantaran’ny fikambanana, ary indrindra ny lasy lehibe. Fa ny akaiky indrindra dia ny 28-29 novembre 2009 ho avy izao dia ny fivoahana antsaha izay mbola eo ampamolavolana moa ireo komity ka ho heno miandalana eo ihany ny mombamomba izany.

Farany, nandalo tao amin’ny fikambanana tily sy mpanazava isé ? sa mbola amperin’asa ankehitriny? Tadidin’ise ve ilay fitenin-tsika hoe Tily/Mpana indray andro Tily/Mpana mandrak’izay?
Miandry an’ise ary izahay hifanotrona amin’ireo fandaharam-potoana maro hankalazana izao jobilin-tsika izao, indrindra fa ny fananganana ny tantaran’ny fikambanana. Irinay fatratra ny hisian’ny diampenin’ise sy ny sarin’ise amin’ izany tantara izany.

Tanana Ankavia


Lire aussi

01/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoreno ao amin’ny Tompo ny tokantrano

Alahady 01 oktobra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ ity volana ity « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana« , nanatanterahin’ny SAMPATI ny fanateram-bokatra ihany koa. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Genesisy 2 : 18-25 « 18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19Ary tany

24/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mitoria teny @ firenena rehetra

Alahady 24 septambra 2023, alahadin’ny Fikarohana sy fandalinam-pinoana manerana ny FJKM; nentina ihany koa nanomezana vatsy ny mpitandrina Randriambinintsoa Onja niza-draharaha teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Mamarana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » isika, ka ny mpitandrina miza-draharaha Vola Soa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24:44-49 « 44Dia hoy Izy

17/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiàsan’ny herin’i Kristy ao amin’ny mpanompony

Alahady 17 septambra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra », fanateram-bokatra sy nitondrana am-bavaka ny antoko mpihira Antsan’Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina miza-draharaha Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Kolosiana 1 : 24-29  » 24Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny

10/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AFF : Salamo 96

Alahady 10 septambra 2023, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Mitoria ny teny @ firenena rehetra », sy itondrana am-bavaka ny Asa Fitoriana ny Filazantsara eo anivon’ny FJKM. Ny mpitandrina  Voanginirina Solofoarohasina avy ao @ FJKM Sud Ambohipo no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Salamo 96 : 1-10 « 1Mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah; Mihirà ho an’i Jehovah

03/09/2023 A la une . AMA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady ivon’ny faha-45 taona AMA

Alahady 03 septambra 2023, ibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » natokana hankalazana ny ivon’ny faha-45 taonan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 7 : 1-11 « 1Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah: 2Mitsangana eo am-bavahadin’ny tranon’i Jehovah, ary torio

30/08/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana

45 taona AMA : Fanokanana trano heva

Ny ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO dia manasa antsika tsy an-kanavaka hidera sy hankalaza an’Andriamanitra ny Alahady 3 septambra 2023 eto am-piangonana nohon’ny voka-dehiben’ny fikambanana sy fanokanana ny tsangam-baton’ny fankalazana ny faha-45 taona, ilay « trano heva » fanaovana vokatra ao an-tokontanim-piangonana. Manantena ny fahatongavantsika maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

27/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao

Alahady 27 aogositra 2023, hamaranana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana », izay nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 9 : 22Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay. «  Andeha hiombona @ fanompoam-pivavahana :

20/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Aumonerie teto @ FJKM Ambavahadimitafo

Alahady 20 aogositra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , alahadin’ny Aumonerie Nationale, notarihin’ny mpitandrina Poget Helivao, mpandrindra nationaly, izay nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 17 : 8-16  » 8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ny Isiraely tao Refidima. 9Dia hoy Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny

13/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja

Alahady 13 jolay 2023, alahadin’ny martiora, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 16 : 28  » Ary Samsona niantso an’i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny

06/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.

Alahady 06 Aogositra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana aogositra ity manao hoe « Mijoroa amin’ny finoana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Hebreo 10 : 36  » Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. «  Andeha hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :