Nodimandry Rahaga Ramaholimihaso
Amin’ny alahelo lehibe no hampandrenesan’ny fianakaviana Ramaholimihaso sy Ramanandraibe ny fodiamandrin’ny malalany Rahaga Ramaholimihaso, ny 10 desambra 2013 tany Paris.
Araka ny vaovao heno dia tokony ho tonga eny Ivato amin’ny alatsinainy ho avy izao ny razana.
Hiezaka izahay hampita amintsika ny vaovao farany momba ny fandaminana mba hahafahantsika manatanteraka ny adidy farany amin’izany mpiara-manompo tamintsika izany.
Ny ekipa eto amin’ny tranonkala dia mirary fiononana feno avy amin’ny Tompo ho an’ny fianakaviana iray manontolo.