Nodimandry i Razafintsalama Ernest
Nodimandry ny 28-07-2006 i Razafintsalama Ernest
Nodimandry ny 28-07-2006 i Razafintsalama Ernest
Alahady 02 mey 2022 hibanjinan’ny FJKM ny lohahevitra amin’ity volana ity manao hoe « Manavao ny Fanahy Masina« ; nanokafana ihany koa ny Jobily faha-25 taona nitandreman »ny mpitandrina Randrianarisoa Alain. Ny teny anorenana ny jobily dia ny Salamo 111 : 1b « Haleloia ! Hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehatra aho ». Manasa antsika hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :
Alahady 24 aprily 2022, alahady faha-2 manaraka ny paska, hitondrana am-bavaka ny Toeram-Pamonjena Zaza na TOPAZA, mbola anatin’ny lohahevitra hoe « Mandresy ny fahafatesana ny Tompo« . Nankalazaina anio ny « Fetin’ny Fahazavana » eto @ FJKM Ambavahadimitafo niompana tamin’ny lohahevitra hoe TVM na hoe « Tena Velona eo amin’ny fiainanao ve ny Mpamonjy« , nitondrana koa ny tenin’Andriamanitra avy ao
« Mandresy ny fahafatesana ny Tompo »; izany no lohahevitra banjinintsika amin’izao Paska 2022 izao. Ny tompo sy ny fiadanany anie ho amintsika rehetra ka hahatonga antsika hiombom-pandresena amin’ny Tompo Andriamanintsika. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny IKor 15 : 54 – 58 teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo tamin’ity Alahady paska 17 Aprily
Alahady 10 aprily 2022, alahadin’ny sampan-drofia, natokana koa hitondrana am-bavaka koa ny Sampana Dorkasy. Avy ao amin’ny Romana 8 : 31 – 39 no nitondrana ny hafatra ho antsika anio : 31Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? 32Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony
Alahady 03 aprily 2022, andinihina lohahevitra vaovao eto amin’ny sahan’ny FJKM mandritra ity volana Aprily ity : « Mandresy ny fahafatesana ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny tenin’Andriamanitra avy ao amin’ny Matio 20 : 18 – 19 « ary ny Zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy 19[…]
Alahady 27 martsa 2022, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Mamaly ny faharatsiana ny Tompo« . Ny mpitandrina miza-draharaha Randriambinintsoa Onja no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 21 : 1-10 « 1IZAO no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah, fony Zedekia mpanjaka naniraka an’i Pasora, zanak’i Malgia, sy Zefania, zanak’i Mahaseia mpisorona, hankany aminy hanao
Alahady 13 martsa 2022, nankalazana ny faha-30 taonan’ny Sampana Fifohazana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, izay nitoriana ny tenin’Andriamanitra sady fanevan’izao fankalazana izao : « Fa asany isika, voaforona tao amin’ny Kristy Jesoa mba hanao asa tsara…. Tanteraho ny fanompoanao ». Ramatoa Razafiarisoa Voahirana, Biraon’ny Fifohazana Synodam-paritany Antananarivo Atsinana no nitarika ny fotoam-pivavahana, ary ny mpitandrina Ranomenjanahary Solofo
Miarahaba amintsika amin’ny anaran’i Tompo. Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika mpianakavin’ny finoana fa afaka hidera sy hisaotra an’Andriamanitra noho ny faha – 30 taona izay nijoroan’ny Sampana Fifohazana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Izany dia ho tanterahana ny alahady faha – 13 martsa 2022 manomboka amin’ny 9 ora maraina. Koa dia hery lehibe ho an’ny Sampana ny
Alahady 06 martsa 2022, andinihan’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Mamaly faharatsiana ny Tompo » mandritra ity volana ity, ka nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Genesisy 19 : 24-29 : » 24Ary Jehovah nandatsaka tamin’i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin’i Jehovah tany an-danitra, 25ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka
Ho antsika Loholona sy Diakona eto @ FJKM Ambavahadimitafo manokana ity fampitàna ny fiofànana iza natao teto am-piangonana ny Sabotsy 05 martsa 2022, izay nanasàna manokana ny mpitandrina Filohan’ny FJKM, Irako Andriamahazosoa Ammy hitondra ny fampianarana hoe « Vontosy filazantsara Madagasikara, Filazantsara manova ny tantara »