Nivoaka soamantsara ny hopitaly ny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo
Misaotra an’Andriamanitra isika, ry Havana, fa nivoaka soamantsara ny hopitaly ny ray aman-dreny mpitandrina Rakotoharintsifa Andrianjatovo rehefa nandalo tsy fahasalamana kely.
Misy amintsika maniry mbola hamangy na hampahery azy, koa ho fitsimbinana hatrany ny fahasalamany, dia ferana ho ny alarobia sy zoma tolakandro amin’ny 2ora ka hatramin’ny 3ora sy sasany no afaka mandray antsika izy.
Afaka manoratra eto amin’ny tranonkala ihany koa isika izay maniry handefa hafatra na firarian-tsoa ho azy (ao amin’ny forum, na manoratra amin’ny contact@fjkm-ambavahadimitafo.info)