FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Niforona ny Vaomieran’ny Aim-panahy

Non classé

Niforona ny Vaomieran’ny Aim-panahy

Publié le 14 mai 2007 à 01:05

– Misy vaomiera antsoina hoe Vaomieran’ny Aim-panahy mitsangana eto amin’ny Fjkm Ambavahadimitafo. Fanatanterahana karazana  » Tafika Masina » eto amin’ny faritra manodidina ny fiangonana no asa ho sahanina, ary amin’ny taona 2007 izy io no hanomboka hiasa.
– Ny tanjona ho kendrena amin’izany dia ny hanampy ireo fianakaviana manana fasahiranana eo amin’ny fiainana ka hitondra fanampiana ara-pitaizana, indrindra ny ara-panahy. Ny hitaona azy ireo hanana fiainana kristiana ka hanantona ny fiangonana no kinendry farany.

– Ezaka sarotra sy maharitra io asa io koa mitaky fihomanana lalina ho an’ireo izay handray anjara amin’izany asa izany.

– Nanomboka ny fiomanana ary nisy ireo kristiana izay nanoka-tena handray andrikitra amin’izany asa izany. Koa natomboka tamin’ny fanatanterahana fisintahana natao teny amin’ny monastère « Ste Marie » eny Mahitsy – Ambohidratrimo ny 20 ka hatramin’ny 26 aogositra 2006 (monastère an’ireo mpivavaka mpitokamonina katolika).

– Ny Pasitera Rakotoharintsifa mivady no nitarika ny fiofanana. Ny lohevitra dia ny hoe « Mitady fiainana ve ianao?« . Niompana indrindra tamin’ny fanomanan-tena ho an’ny tsirairay no tanjona tamin’ity dingana voalohany ity. Mbola hisy tohiny ny fiofanana fiomanana.

– Nisy 18 (lahy 12, vavy 6) no isan’ireo nanaraka ny fiofanana izay nahitana mpitandrina 5 (4 lahy, 1 vavy), masera Mamre 3, Mpiandry 1.


Lire aussi

09/01/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . MIASAFIA

Toriteny an-kira Miasafia – Alahady 09 Janoary 2022

Alahady 09 Janoary, famaranana ny fankalazana ny faha-5 taona ny antoko mpihira MIASAFIA, nanatanterahan’izy ireo toriteny an-kira. Andeha hiombona amin’izany fotoam-pivavahana izany :

02/01/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana

Maharitra tsy miova ny Tompo – Alahady 02 Janoary 2022

Alahady 02 Janoary 2022, alahadin’ny taom-baovao. Mifalia ry sakaiza fa nahazo taom-baovao; Zanahary no mitaiza ka hisaory sy hajao. Manasa anao hanaraka ny fanompoam-pivavahana :

31/12/2021 A la une . Antso sy filazana

Fandaharana Alahady 02 Janoary 2022

Manasa antsika sahady hiomana ho amin’ny fanompoam-pivavahana alahady voalohany amin’ny taona 2022. Toy izao ny fandaharana hiombonantsika amin’izany :

25/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana

Krismasy fifaliana 2021 : Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio

« Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra fa indro milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra, fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo », Lioka 2 : 10-11 Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra amin’ity krismasy 2021 ity. Andeha hiombona amin’izany

23/12/2021 Antso sy filazana

Fandaharana Krismasy 2021

« Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra ; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra ; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.» Lioka 2 : 10 – 11 Indro ny fandaharana ny Sabotsy 25 Desambra 2021 amin’ny

19/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana

Mifalia amin’ny fanantenana

Alahady 19 desambra 2021, fanompoam-pivavahana teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo nanokanana ireo katekomena andriany « Fanantenana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Romana 12;12a : « Mifalia amin’ny fanantenana »

14/12/2021 Antso sy filazana

Fandaharana Alahady 19 desambra 2021

Toy izao no fandaharana ho amin’ny fandraisana ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo andiany « Fanantenana » ny alahady 19 desambra 2021 manomboka amin’ny 9 ora maraina :

12/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiainam-pianakaviana mahafaly an’Andriamanitra

Alahady 12 desambra 2021, natokana ho an’ny Sekoly Alahady mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo« . Ny hafatra avy ao amin’ny Ohabolana 23 : 12-18 no notoriana « 12Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.13Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo

06/12/2021 A la une . Antso sy filazana

Daty tsara ho fantatra : Desambra 2021

Toy izao ny tetiandro eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ho amin’ity volana desambra 2021 ity : « Miorena tsara aza miova » 18 desambra 2021 : Fanadiovana Faobe : SOKAJY MINO – STA – SAMPATI – TMT – DORKASY 12 desambra 2021 : fizaran-doka Sekoly Alahady 19 desambra 2021 : fandraisana Katekomena « Fanantenana » 20 hatramin’ny 24 desambra 2021

05/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo

« Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo », izany indray no lohahevitra vaovao banjinina eto amin’ny sahan’ny FJKm ho an’ny volana Desambra. Alahady 05 desambra 2021, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr »Andriamanitra avy ao amin’ny Filipiana 4 : 4a – 5b : « Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo … efa mby akaiky ny Tompo »