FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Mpino miasa amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra

Mpino miasa amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra

Publié le 20 septembre 2020 à 03:09

Manasa anao isan-tokatrano hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo anio Alahady 20 septambra 2020, fa indrindra hanaraka ny toriteny etsy ambany izay nentin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain.

Toy izao ny fandaharana hiombonantsika :

Ny teny nangalana ny hafatr’Andriamanitra :

« 17Ary hoy ny rafozan’i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao. 18Samy ho reraka mihitsy, na hianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao. 19Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka hianao ho alalan’ny olona amin’Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin’Andriamanitra; 20ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony. 21Ary mizahà eo amin’ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an’Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy. 22Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo. 23Raha hanao araka izany zavatra izany hianao, ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia haharitra hianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin’ny taniny.24Dia neken’i Mosesy ny tenin’ny rafozany, ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy. 25Dia nofidin’i Mosesy izay lehilahy mahay tamin’ny Isiraely rehetra ka nataony lohan’ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo. 26Dia nitsara ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin’i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany. « , Eksodosy 18 : 17-26

Toriteny


Lire aussi

01/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoreno ao amin’ny Tompo ny tokantrano

Alahady 01 oktobra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ ity volana ity « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana« , nanatanterahin’ny SAMPATI ny fanateram-bokatra ihany koa. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Genesisy 2 : 18-25 « 18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19Ary tany

24/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mitoria teny @ firenena rehetra

Alahady 24 septambra 2023, alahadin’ny Fikarohana sy fandalinam-pinoana manerana ny FJKM; nentina ihany koa nanomezana vatsy ny mpitandrina Randriambinintsoa Onja niza-draharaha teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Mamarana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » isika, ka ny mpitandrina miza-draharaha Vola Soa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24:44-49 « 44Dia hoy Izy

17/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiàsan’ny herin’i Kristy ao amin’ny mpanompony

Alahady 17 septambra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra », fanateram-bokatra sy nitondrana am-bavaka ny antoko mpihira Antsan’Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina miza-draharaha Volanasoa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Kolosiana 1 : 24-29  » 24Ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny

10/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AFF : Salamo 96

Alahady 10 septambra 2023, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Mitoria ny teny @ firenena rehetra », sy itondrana am-bavaka ny Asa Fitoriana ny Filazantsara eo anivon’ny FJKM. Ny mpitandrina  Voanginirina Solofoarohasina avy ao @ FJKM Sud Ambohipo no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Salamo 96 : 1-10 « 1Mihira fihiram-baovao ho an’i Jehovah; Mihirà ho an’i Jehovah

03/09/2023 A la une . AMA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady ivon’ny faha-45 taona AMA

Alahady 03 septambra 2023, ibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » natokana hankalazana ny ivon’ny faha-45 taonan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 7 : 1-11 « 1Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah: 2Mitsangana eo am-bavahadin’ny tranon’i Jehovah, ary torio

30/08/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana

45 taona AMA : Fanokanana trano heva

Ny ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO dia manasa antsika tsy an-kanavaka hidera sy hankalaza an’Andriamanitra ny Alahady 3 septambra 2023 eto am-piangonana nohon’ny voka-dehiben’ny fikambanana sy fanokanana ny tsangam-baton’ny fankalazana ny faha-45 taona, ilay « trano heva » fanaovana vokatra ao an-tokontanim-piangonana. Manantena ny fahatongavantsika maro ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

27/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao

Alahady 27 aogositra 2023, hamaranana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana », izay nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 9 : 22Ary Jesosy nihodina ka nahita azy, dia nanao hoe: Matokia, ry zanako-vavy, ny finoanao no efa nahasitrana anao. Dia sitrana ilay vehivavy tamin’izay ora izay. «  Andeha hiombona @ fanompoam-pivavahana :

20/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Aumonerie teto @ FJKM Ambavahadimitafo

Alahady 20 aogositra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , alahadin’ny Aumonerie Nationale, notarihin’ny mpitandrina Poget Helivao, mpandrindra nationaly, izay nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 17 : 8-16  » 8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ny Isiraely tao Refidima. 9Dia hoy Mosesy tamin’i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ny

13/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja

Alahady 13 jolay 2023, alahadin’ny martiora, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mijoroa @ finoana« , nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 16 : 28  » Ary Samsona niantso an’i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny

06/08/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra.

Alahady 06 Aogositra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ity volana aogositra ity manao hoe « Mijoroa amin’ny finoana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Hebreo 10 : 36  » Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. «  Andeha hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :