Mitady Sekretera – Mpitahiry Vakoka ny FJKM Ambavahadimitafo
FIANGONANA FJKM AMBAVAHADIMITAFO
ASA SY TOETOETRY NY OLONA TADIAVINA:
Asa : Sekretera – Mpitahiry Vakoka (Secrétaire Archiviste)
Fahaizana : Bac + 2 Taranja « Secrétariat »
Toerana hiasana : Fiangonana FJKM Ambavahadimitafo
Hai-tao : 2 hatramin’ny 3 taona
Obligation morale : Mpandray ny Fanasan’ny Tompo ao amin’ny FJKM
ASA HIANDRAIKETANA :
SEKRETERA (SECRETAIRE)
1- Asa maha Sekretera : Eo ambany fifehezan’ny Mpitandrina mivantana sy ny Bieraom-piangonana
2- Mandamina sy mampirina ny taratasy sy fitaovan-tserasera rehetra eto amin’ny Fiangonana
3- Mandamina ny Fifandraisan’ny Fiangonana (Mpitandrina, Biraom-piangonana,..) amin’ny any ivelany,
Mandamina ny Fifandraisana amin’ny samy ato anatin’ny Fiangonana (Sampana, Vaomiera, …)
MPITAHIRY VAKOKA (ARCHIVISTE)
1 – Miandraikitra ny fitadiavana sy fitahirizana ny vakoka
2 – Mametraka ny paikady rehetra miaraka amin’ireo Tompon’andraikitra (Vaomieran’ny Tantara,..)
amin’ny fomba hitadiavana ireo vakoka
3 – Fanamarinana ny toetoetry ny vakoka sy ny maha tena izy ilay vakoka
Tetiandro :
Antso fitadiavana : Jona
Fampidirana Faran’ny volana Jona
Fianaran’asa anatiny: Roa volana
Andrana : Enim-bolana
Ireo mitady asa avy eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo no lohalaharana.