FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Misokatra ny fiangonana ny alahady 06 septambra 2020

Misokatra ny fiangonana ny alahady 06 septambra 2020

Publié le 01 septembre 2020 à 05:09

Miarahaba antsika amin’ny anaran’ny Tompo.

Misaotra an’Andriamanitra lehibe  isika fa afaka hiverina hivavaka ao amin’ny trano fiangonana indray manomboka ny alahady 6 septambra 2020. Koa dia toy izao manaraka izao ny fandaminana :

Sary fanehoana talohan’ny hamehana ara-pahasalamana

1. Miditra indroa ny fanompoam – pivavahana :   
– amin’ny 8 ora maraina (fidirana voalohany)   
– amin’ny 10 ora maraina (fidirana faharoa)

2. Misoratra anarana amin’ny facebook na eto @ www.fjkm-ambavahadimitafo.info na amin’ny laharana finday 034 36 311 76 izay manam – paniriana hanatrika ny fanompoam-pivavahana. Ampiarahana amin’ny fisoratana anarana ny fanamafisana ny ora tiana hidirana.


* marihina fa mety hiova ny ora misy anao arakaraky ny faha-fenoin'ny toerana

Marihina anefa fa mety tsy ho voatery hifanojo ny ora izay tianao hidirana sy ny ora tena hidiranao mivavaka. Tsara koa ny manamarika fa olona 32 isaky ny fidirana ihany no afaka misoratra anarana hanatrika ny fanompoam – pivavahana maraina raha tsy mihoatra ny 50 ny olona afaka mivory amin’ny toerana iray.

3. Mbola mitoetra avokoa ireo fepetra ara – pahasalamana izay efa nahazatra antsika nandritra izao hamehana ara – pahasalamana izao.

4. Ny zoma 4 septambra 2020 amin’ny 18 h 00 no fara – fisoratana anarana mba ahafahana mamoaka ny lisitry ny olona hivavaka ny asabotsy 5 septambra 2020.

6. Hivoaka eto amin’ny www.fjkm-ambavahadimitafo.info sy ny Facebook ny alahady hariva amin’ny 18 h 30 ny fanompoam – pivavahana maraina.

Dia mankasitraka antsika ny amin’ny fanarahana ny fandaminana ary dia mirary soa samy ho tahian’Andriamanitra.

Ny Biraon’ny Fitandremana


Lire aussi

09/01/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . MIASAFIA

Toriteny an-kira Miasafia – Alahady 09 Janoary 2022

Alahady 09 Janoary, famaranana ny fankalazana ny faha-5 taona ny antoko mpihira MIASAFIA, nanatanterahan’izy ireo toriteny an-kira. Andeha hiombona amin’izany fotoam-pivavahana izany :

02/01/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana

Maharitra tsy miova ny Tompo – Alahady 02 Janoary 2022

Alahady 02 Janoary 2022, alahadin’ny taom-baovao. Mifalia ry sakaiza fa nahazo taom-baovao; Zanahary no mitaiza ka hisaory sy hajao. Manasa anao hanaraka ny fanompoam-pivavahana :

31/12/2021 A la une . Antso sy filazana

Fandaharana Alahady 02 Janoary 2022

Manasa antsika sahady hiomana ho amin’ny fanompoam-pivavahana alahady voalohany amin’ny taona 2022. Toy izao ny fandaharana hiombonantsika amin’izany :

25/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana

Krismasy fifaliana 2021 : Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio

« Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra fa indro milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra, fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo », Lioka 2 : 10-11 Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra amin’ity krismasy 2021 ity. Andeha hiombona amin’izany

23/12/2021 Antso sy filazana

Fandaharana Krismasy 2021

« Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra ; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra ; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.» Lioka 2 : 10 – 11 Indro ny fandaharana ny Sabotsy 25 Desambra 2021 amin’ny

19/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana

Mifalia amin’ny fanantenana

Alahady 19 desambra 2021, fanompoam-pivavahana teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo nanokanana ireo katekomena andriany « Fanantenana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Romana 12;12a : « Mifalia amin’ny fanantenana »

14/12/2021 Antso sy filazana

Fandaharana Alahady 19 desambra 2021

Toy izao no fandaharana ho amin’ny fandraisana ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo andiany « Fanantenana » ny alahady 19 desambra 2021 manomboka amin’ny 9 ora maraina :

12/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiainam-pianakaviana mahafaly an’Andriamanitra

Alahady 12 desambra 2021, natokana ho an’ny Sekoly Alahady mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo« . Ny hafatra avy ao amin’ny Ohabolana 23 : 12-18 no notoriana « 12Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.13Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo

06/12/2021 A la une . Antso sy filazana

Daty tsara ho fantatra : Desambra 2021

Toy izao ny tetiandro eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ho amin’ity volana desambra 2021 ity : « Miorena tsara aza miova » 18 desambra 2021 : Fanadiovana Faobe : SOKAJY MINO – STA – SAMPATI – TMT – DORKASY 12 desambra 2021 : fizaran-doka Sekoly Alahady 19 desambra 2021 : fandraisana Katekomena « Fanantenana » 20 hatramin’ny 24 desambra 2021

05/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo

« Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo », izany indray no lohahevitra vaovao banjinina eto amin’ny sahan’ny FJKm ho an’ny volana Desambra. Alahady 05 desambra 2021, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr »Andriamanitra avy ao amin’ny Filipiana 4 : 4a – 5b : « Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo … efa mby akaiky ny Tompo »