Mbola mahatratra Ar 5 648 693 ny vola haverina amin'ny rihana (28/12/2008)
Toy izao ny toe-bolan’ny rihana voaray avy tamin’ny mpitam-bolan’ny komitin’ny faha-10 taona nitandreman’ny mpitandrina Dr Rakotoharintsifa Andrianjatovo teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo :
– Raha totaliana dia nahatratra Ar 227 804 016 ny vola niditra hatramin’io daty io. Hita misongadina amin’izany ny fanomezana izay mahatratra Ar 67 576 770; eo koa ny rakitra faharoa izay mahatratra Ar 26 200 106 hatramin’izao.
– Raha jerena kosa ny vola mivoaka dia mahatratra Ar 207 502 709 ary mbola anisan’ny misongadina ny vola mivoaka noho ny asa rehetra izay mahatratra Ar 163 834 657.
Ny vola an-tànana io daty io dia mitentina Ar 20 351 307.
Ny ezaka efa vitan’ny fiangonana izany dia efa mahatratra Ar 181 502 709. Raha tsiahivina moa ny vola nindramina tsy maintsy haverina dia mahatratra Ar 26 000 000.
Koa rehefa avy misalahy isika rehetra vahoakan’Andriamanitra eto Ambavahadimitafo ka mahavita tanteraka ny Ar 5 648 693 izay mameno ny handoavana ny trosa tavela dia afaka hilaza hoe : « Misaotra an’Andriamanitra Lehibe fa vita tanteraka ny RIHANA ».
Manentana antsika hatrany ny Komity amin’izany asan’Andriamanitra izany satria fanitarana ny fanjakany izany.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra fa ho amintsika kosa ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy.
Amen.