Manorina taranaka ao @ Tompo
Alahad 15 Oktobra 2023, mbola andinihinia ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @ Tompo ny fianakaviana », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Miora Andriamifidy Mendrikaja ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 : « 39ARY rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.40Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan’Andriamanitra no tao aminy.41Ary ny ray aman-dreniny nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin’ny Paska. 42Ary rehefa roa ambin’ny folo taona Jesosy, dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin’ny andro firavoravoana. 43Ary rehefa tapitra izany andro izany, ka nody izy, Jesosy zaza dia mbola nitoetra tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany; 44ary satria nataony fa niaraka tamin’ny niara-dia taminy Izy, dia nandeha làlana indray andro izy vao nitady Azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany. 45Ary nony tsy nahita Azy izy, dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy. 46Ary rehefa afaka hateloana, dia hitany teo an-kianjan’ny tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy. 47Ary talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany. 48Ary raha nahita Azy izy, dia talanjona, ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao toy izany taminay Hianao? He! izato alahelon-drainao sy izaho nitady Anao! 49Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy hianareo? tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ ny Raiko Aho? 50Nefa tsy azon’ireo ny teny izay nolazainy taminy. 51Ary niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.52Ary Jesosy nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona. «
Andeha hiombona @ izany fanompoam-pivavahana izany :