Mandringana sy mandevina ny ratsy Andriamanitra
Toriteny nentin’i pasitera Monia (mpitandrina miza-draharaha eto amin’ny fiangonana) tamin’ny 09 oktobra 2011.
Tao amin’ny Genesisy 7 :1-12 no nangalana ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany :
« Ary hoy Jehovah tamin’i Noa: Midira ao anatin’ny sambo-fiara ianao mbamin’ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’izao olona miara-belona aminao izao.2 Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy;3 ary ny voro-manidina koa isan-karazany fito avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany taranaka ambonin’ny tany rehetra ireny.4 Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin’ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin’ny tany.5 Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian’i Jehovah azy.6 Ary efa enin-jato taona Noa, raha tonga tambonin’ny tany ny safo-drano.7 Ary Noa sy ny vadiny aman-janany , mbamin’ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin’ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano.89 dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin’i Noa tao anatin’ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian’Andriamanitra an’i Noa.10 Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin’ny tany ny safo-drano.11 Tamin’ny andro fahafito ambin’ny folo tamin’ny volana faharoa tamin’ny fahenin-jato taona niainan’i Noa, tamin’izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin’ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran’ny lanitra.12 Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin’ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina. »