FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo

Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo

Publié le 22 mai 2022 à 05:05

Alahady 22 mey 2022, andinihina ny lohahevitra hoe « Manavao ny Fanahy masina« , ka nitondran’ny tarika Ny mpitory toriteny an-kira araka ny Galatiana 5 : 16 – 25 « 16Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ny nofo ianareo. 17Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. 18Fa raha tarihin’ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin’ny lalàna. 19Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, 21fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra. 22Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, 23fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. 24Fa izay an’Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ny faniriany sy ny filany tamin’ny hazo fijaliana. 25Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. 26Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona. »

Andeha isika hiombona amin’izany fotoana masina izany :


Lire aussi

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo « 

04/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy

Alahady 04 Febroary 2024, ankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy (AFFA), ka andinihin’ny FJKM lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mampitandrina amin’ny didiny Andriamanitra« . Ny mpitandrina Ranaivoson Andry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 1 : 4-8 « Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:5Hatry ny fony ianao tsy

28/01/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily

Alahady 28 janoary 2024, fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihin’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Lehibe ny voninahitry ny Tompo ». Ny mpitandrina Ranarimalala Nirina Harisoa no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5 : 16 : « 16Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa

16/01/2024 A la une . Antso sy filazana

Hafatra ho an’ny Mpandray – fifidianana Diakona 2024

Mifarana ny alahady faha-28 janoary 2024 ny fanavaozana ny karatra hiatrehana ny fifidianana Diakona. Hamarino ary fa any aminao ny karatra maha-mpandray miloko fotsy. Raha toa tsy mbola manana ianao dia ento ny sary roa ny alahady faha-28 janoary hahafahana manavao ny karatrao.

14/01/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny lanitra mamangy ny tany

Alahady 14 Janoary 2024, mbola andinihantsika ny lohahevitra hoe « Lehibe ny Voninahitr’Andriamanitra« , ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha, Andriamifidy Miora, ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 9 : 28-36 Ny niovan’i Jesosy tarehy tao an-tendrombohitra.Mat. 17.1-13;Mar. 9.2-13.28ARY rehefa tokony ho havaloana taorian’izany teny izany, dia nitondra an’i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka. 29Ary