Manavao ny fiainantsika Jesoa, manome fandresena ho antsika Jesoa
Alahady 07 Janoary 2024, alahady voalohany @ity taona ity, andinihina ny lohahevitra hoe « Lehibe ny voninahitr’Andriamanitra« , ka nitondran’ny mpitandrina John Rakotonirainy, SG ny FJKM, ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 19 : 27-29 « 27Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay? 28Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin’ny fanavaozana, ka hipetraka amin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny ny Zanak’olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ny seza fiandrianana roa ambin’ny folo ka hitsara ny firenen’isiraely roa ambin’ny folo. 29Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay. « .
Andeha hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :