Alahady 24 Jolay 2022, mbola hibanjinina ny lohahevitra hoe « Iorenana @ finoana ny fanompoana« . Ny mpitandrina miza-draharaha Rambinintsoa Onja no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Jakoba 2 : 21-26 « 21Tsy nohamarinina tamin’ny asa va Abrahama razantsika tamin’ny nanaterany an’Isaka zanany teo ambonin’ny alitara? 22Hitanao fa niara-niasa tamin’ny finoana ny asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa; 23ary tanteraka
Noho ny Jobily faha – 25 taona maha-mpitandrina an’i Pasteur RANDRIANARISOA Alain mivady, dia manasa ny mpiara-mivavaka rehetra ny komitin’ny Jobily mba handray anjara amin’ny fifaninanana HIRA FANEVA izay entina hankalazana sy hisaorana an’Andriamanitra. Toa izao ny andinindininy tsara ho fantatra : Hira misy andininy telo (03), an – dalana valo (08) avy fara – fahabetsany
Alahady 17 Jolay 2022, hitondrana am-bavaka ny Sampana Fivondronana Laika, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Iorenana @ finoana ny fanompoana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 6 : 7 – 13 « 7ARY niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana
Alahady 10 jolay 2022, nitondrana am-bavaka ny Sampana Tanora Kristiana manerana ny FJKM. « Iorenana amin’ny finoana ny fanompoana », izany no lohahevitra dinihintsika mandritra ny volana Jolay. Ny Mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Josoa 2 : 1-16 « 1ARY Josoa, zanak’i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka
Nankalazaina teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny Alahadin’ny fetimbokatra tamin’ny Alahady 03 Jolay 2022. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitory ny tenin’Andriamanitra, ary ny mpitandrina miza-draharaha Randriambinintsoa Onja kosa no nitarika ny fanompoam-pivavahana. Manasa anao hiombona amin’ny fotoana :
Alahady 26 Jona 2022, fetim-pirenena malagasy faha-62 taonan’ny fahaleovantena, natokana hitondrana am-bavaka ireo zokiolona eto amin’ny fiangonana. Ny tenin’Andriamanitra nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra dia ny tao amin’ny IITantara 13 : 10 » Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray, ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho
Alahady 19 jona 2022, ankalazana ny fatin’ny ray, alahadin’ny sampana Vokovoko Manga manerana ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampanjaka ny fahefany ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Randriambinintsoa Onja no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Apokalipsy 12:7-12 » 7Ary nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona
Alahady 12 jona 2022, alahadin’ny Sekoly FJKM, alahadin’ny Trinite, hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampanjaka ny fahefany ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny 2Tantara 20 : 5 – 9 : « Miverena, ka lazao amin’i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Andriamanitr’i Davida rainao: Efa nohenoiko ny
« Miorena tsara, aza miova » Alahady Pentekosta 05 Jona 2022, fankalazana an’Andriamanitra tamin’ny nandrotsahany ny Fanahy Masina voalohany tamin’ny fiangonana; tsingerintaonan’ny fiangonana ihany koa satria feno 1989 taona ny fiangonana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Asan’ny apostoly 4 : 31 « Ary rehefa nivavaka izy dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany,
Efa ho 2 taona no tsy nanatanteraka fitsangatsanganana ny FJM Ambavahadimitafo noho ny toe-draharaha ara-pahasalamana izay fantantsika. Koa am-pifaliana tokoa no hifanentanantsika amin’izany ankehitriny. Amin’ny Alatsinainy Pentekosta 06 Jona 2022 no ho tanterahina eny Antsofonondry Avaradrano ny fitsangatsanganan’ny FJKM Ambavahadimitafo, izay hanasàna antsika kristiana tsy an-kanavaka sy ny zanaka am-pielezana. Ankoatran’ny fikarakaran’ny Biraon’ny fitandremana miaraka