Jesoa mampianatra ny olona handinin-tena
Alahady 21 jona 2022, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Tano mafy ny finoana« . Ny mpitandrina mpiomana taona faha-5 Randriambola Vonjy Arison no nitondra ny hafatr’Andriamanitra nalaina avy ao amin’ny Jaona 10:31-42 :
« 31Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy. 32Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin’ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin’ireny moa no itorahanareo vato Ahy? 33Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.
34Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin’ny lalànareo va hoe: ,,Hoy Izaho: Andriamanitra hianareo’’? (Sal. 82.6). 35Raha ireny izay nanaovana izany tenin’Andriamanitra izany no natao hoe ,andriamanitra’ (ary ny Soratra Masina tsy azo foanana), 36moa Izay nohasinin’ny Ray ka nirahiny ho amin’izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak’Andriamanitra Aho? 37Raha tsy manao ny asan’ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy. 38Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza hianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray. 39Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy Izy.
40Dia lasa nankany an-dafin’i Jordana indray Jesosy ho any amin’ilay tany nanaovan’i Jaona batisa voalohany, ka nitoetra tany Izy. 41Ary maro no nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin ity Lehilahy ity dia marina avokoa. 42Ary maro no nino Azy teo. »
Andeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :