Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy
Alahady 28 febroary 2021, faharoa @ Karemy, mamarana ny lohahevitra hoe « Mampiorina ny mino ny tenin’Andriamanitra » eo amin’ny sahan’ny FJKM.
Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny II Tantara 12 : 1-8 : « 1Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalàn’i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra.2Ary tamin’ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan’i Egypta, hamely an’i Jerosalema, fa nivadika tamin’i Jehovah ny mponina tany, 3ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana. 4Dia nahafaka ny tanàna mimanda izay any Joda izy ka tonga tany Jerosalema.5Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin’i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan’i Sisaka. 6Dia niaiky ireo mpanapaka ny Isiraely sy ny mpanjaka ka nanao hoe: Marina Jehovah.7Ary nony hitan’i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin’i Semaia indray ny tenin’i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy; ary tsy haidiko amin’i Jerosalema avy amin’ny tànan’i Sisaka ny fahatezerako. 8Kanefa ho mpanompony ihany izy, mba hahafantarany ny fanompoana Ahy sy ny fanompoana any amin’ny fanjakana hafa. «