Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!
Alahady 12 febroary 2023, natokana hitondrana am-bavaka ny Baiboly, ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 8 : 22-25 « 22Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23Ary nony nandeha ny sambokely, dia azon’ny torimaso Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina tamin’ny farihy, ka nila ho feno rano ny sambo, ary saiky nahita loza izy ireo. 24Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro. 25Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany! «
Manàsa anao hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana :