FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ivon’ny fankalazana ny Jobily faha-150 taona

Ivon’ny fankalazana ny Jobily faha-150 taona

Publié le 15 septembre 2013 à 05:09

Ny Asabotsy 5 sy alahady 6 oktobra 2013 no ivon’ny fankalazana ny Jobily faha-150 taonan’ny fiangonana. Ka toy izao no programa amin’izany :
Asabotsy 05 oktobra 2013 amin’ny 9 ora maraina : fotoam-pivavahana hiarahana amin’ny Foibe FJKM, Synodam-paritany, faritra Avaratr’Andohalo.
Ao aorian’ny fotoana dia hisy ny fametrahana ny vato fehizoro etsy amin’ny tokontany avaratry ny fiangonana; vato fehizoron’ny Tranom-bakoka sy
Arsivan’ny fiangonana
.

Raha manarina ny Akany Daniel Ralibera tokoa isika, dia tsy ampy, amin’ny maha-reny fiangonana antsika ny fanarenana izany ho tsangambato fotsiny, fa tsy maintsy manana vina isika ho amin’ny 50 taona manaraka (200 taona) ny mba hanana Tranom-bakoka sy Arsiva satria ny mpitandrina nitondra ity fiangonana ity dia mpampianatra tantaram-piangonana.
Asabotsy 06 Oktobra 2013 amin’ny 9 ora maraina : fotoam-pivavahana hiombonan’ny kristianina rehetra avy eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo izay
tarihin’ny filohan’ny komitin’ny faha-150 taona, Ralibera Henri. Hamintina ny tantaran’ny fiangonana ny Vaomieran’ny tantara amin’izany fotoana izany.

Koa manentana antsika rehetra ho tonga maro hanatrika sy hanome voninahitra an’Andriamanitra noho ireo fotoana lehibe roa amin’ny fiainan’ny fiangonana ireo.
Ny hafatra ho antsika dia ny hafatry ny mpitandrina Rakotonirainy Johnson tao Andrianarivo, mpiara-miasa akaiky tamin’ny mpitandrina Ralibera Daniel :
« Hasondroty ho avo ny fiangonanao, hasoavy izy ary aza haratsiana, fa raha manao izany ianao dia manaratsy ny tenanao sy Jesoa Kristy izay efa nifidy anao,
noho izany, omeo voninahitra ny fiangonanao
« 


Lire aussi

05/09/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny batisa

Alahady 05 septambra 2021, alahady faha-14 manaraka ny Trinite : – nanatanterahan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA) ny vokatra– hibanjinana amin’ity volana Septambra ity ny lohahevitra hoe « Miorena ao @ Tompo @ batisa »– nitsofana rano ny mpitandrina Randrianasolo Elinah niza-draharaha teto @ fiangoana Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 3

29/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Araraoty ny andro azo hanaovan-tsoa fa ratsy izao fiainana izao

Alahady 29 aogositra 2021, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 6 : 27-36 : « 27Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’izay mankahala anareo; 28misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. 29Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha

23/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mandinika ny fanoloran-tenan’ny mino i Jesoa

Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Alahady 22 aogositra 2021 nitondran’ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 12 : 41-44 : « 41Ary raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao. 42Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka

23/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny zanany hahazo fialofana

Famindram-po sy fahamarinana ho an’izay manao asa tsara. Ny vavaky ny marina no mamonjy ain’olona. Ny fahatahorana an’i Jehovah no loharanon’aina Alahady 15 aogositra 2021, hitondrana am-bavaka ny asa Aumonerie nationale eo anivon’ny FJKM mbola andinihana ny lohahevitra hoe « Miorena @ asa tsara ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Ohabolana

08/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Karakarao ny tanindrazana

Alahady 08 aogositra 2021 izay mbola hibanjinana ny lohahevitry ny FJKM hoe « Miorena @ asa tsara ». Ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 21. Andeha hiombona @izany fotoana izany :

02/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miorena amin’ny asa tsara

Alahady 01 aogositra 2021, nanatanterahan’ny Tetik’asa Mendrika (Vokovoko manga) ny vokatra, ary handinihana amin’ity volana ity ny lohahevitra hoe « Miorena amin’ny asa tsara » izay nangalan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra. Andeha hiombona amin’izany fotoam-pivavahana izany :

27/07/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Inty aho, iraho aho

« Masina, Masina! Masina Jehovah Tompon’ny maro, heniky ny Voninahiny ny tany rehetra » Alahady 25 Jolay 2021, alahady faha-8 manaraka ny Trinite hamaranana ny lohahevitra hoe « Miorena amin’ny antson’ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Isaia 6 : 8 « Inty aho, iraho aho » Andeha hiombona amin’ny fotoam-pivavahana :

24/07/2021 Fanompoam-pivavahana

Fanokanana Masera MAMRE FJKM Ambavahadimitafo 24 jolay 2021

Notokanana ho Masera MAMRE F.J.K.M. i : – RAFARAMALALA Christine – RAZAZAROHAVANA Pierrette – RAMILISOA Dina Raymonde Elisa – RANDRIANJANAHARY Minah Felaniony Teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny asabotsy 24 jolay 2021 Araho ny fotoana tamin’izany :

20/07/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ho tompon-daka any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra

Alahady 18 Jolay 2021, hiombonana @ sampana Fivondronana Laika manerana ny FJKM, hibanjinana amin’ity volana ity ny lohahevitra hoe « Miorena @ antson’ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Filipiana 3:12-16 : « 12Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’i Kristy

11/07/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny STK – 11 jolay 2021

Alahady 11 Jolay 2021, alahadin’ny STK, nitondran’i Pasteur Misaina ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 10;1-10. Handeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :