FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ivon’ny fankalazana ny faha-150 taona : napetraka ny vato fehizoron’ny Tranom-bakoka sy Arsiva

Ivon’ny fankalazana ny faha-150 taona : napetraka ny vato fehizoron’ny Tranom-bakoka sy Arsiva

Publié le 10 octobre 2013 à 08:10

Taorian’ny fotoam-pivavahana niarahana tamin’ny Foibe FJKM sy ny Synodam-paritany ary ny faritra Avaratr’Andohalo, dia niroso tamin’ny fametrahana ny vato fehizoron’ny Tranom-bakoka sy Arsiva izay kasaina hatsangana eo amin’ny tokontany avaratry ny fiangonana FJKM Ambavahadimitafo.

Sekretera Jeneralin’ny FJKM :

IMG_8613Amin’ny Anaran’ny Jesoa Tompo izay miantoka ny fitohizan’ny fiainan’ny fiangonana, Izay niteny hoe « Eo ambonin’ity vatolampy ity no hahoriko ny fiangonako » dia mametraka izao vato fehizoro hanaovana ny trano hitahirizana ny vakoka sy ny arsivan’ny FJKM Ambavahadimitafo. Amin’ny anaran’Andriamanitra Ray Zanaka Fanahy Masina, homban’Andriamanitra anie ny asa atao eto sy ny mpiasa eto, ka ho fifaliantsika ny fitokanana azy amin’ny ho avy

Synodam-paritany :

IMG_8614Araka izay efa nolazain’ny Sektretera Jeneraly izay, dia manamafy izany ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana, ka mirary ny hahavitan’ny asa an-tsakany sy an-davany ho voninahitr’Andriamanitra

Mpitandrina Rakotoniera Eric :

IMG_8616Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy lohan’ny fiangonana no hametrahana ny vato fehizoron’ny tranom-bakoka sy arsivan’ny FJKM Ambavahadimitafo. Ka ho fiangonana fianarana ho an’ny fiangonana rehetra ka santatra ihany ny an’Ambavahadimitafo fa ny fiangonana manontolo amin’ny FJKM dia hanana ny tranom-bakoka sy arsiva izany ho azy koa. Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra

Fanokafana ny takelaka

Ny Synodam-paritany kosa no namarana ny fotoana tamin’ny fanokafana ny takela-pahatsiarovana

no images were found

Fampirantian’ny Vaomieran’ny Tantara niarahana tamin’ireo ankizy tao amin’ny Sekoly Taninketsa

Tao aorian’ny fametrahana ny takela-pahatsiarovana dia niakatra tao amin’ny Akany Ralibera Daniel ny kristianina nanatrika ny fampirantiana nokarakarain’ny Vaomieran’ny Tantara

Ny ankizy tao amin’ny Sekoly Taninketsa kosa no nikalo hira fiderana nandritra izany.

Fiaraha-misakafo tao amin’ny Akany Ralibera Daniel

Tao aorian’izany dia niroso tamin’ny fiaraha-misakafo notanterahina tao amin’ny Akany Ralibera Daniel ny fotoana, ka ireo mpikambana tao amin’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo no nanafana ny fotoana tamin’izany, niaraka tamin’ireo mpitandrina samihafa manana talenta manokana tamin’izany


Lire aussi

19/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny

Alahady 19 Martsa 2023, fanompoampivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona maha-mpikarakara ny trano fiangonana an’Andriamatoa RAKOTONANDRIANINA Tantely Arinarivo mianakavy. Mbola anatin’ny lohahevitra isika @ity volana ity manao hoe « Mamerina amin’ny fahamarinana ny Tompo ». Ny tenin’Andriamanitra notorian’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia araka ny teny faneva nofinidin’i Tantely mianakavy, araka ny Salamo 27,4

12/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona mendrika ankasitrahan’ny Tompo

Alahady 12 Martsa 2023, niarahana niombonam-bavaka tamin’ny fiangonana miara-mandroso FJKM Antenimbe, ka nitondran’izy ireo ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 10 : 25-37  » 25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana

05/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny . Volana sy Kintana

Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

Alahady 05 martsa 2023, mbola andinihina ny lohahevitra manao hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo »; alahady nankalazana an’Andriamanitra koa noho ny faha-80 taonan’ny sampana Volana sy Kintana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Daniela 12 : 3  » Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay

19/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao

Alahady 19 Febroary 2023, nankalazana ny faha-10 taona naha-Sekretera Arsivista an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Miary-Soa teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao @ Josoa 1 : 9  »  Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao « . Manàsa anao hiara-hiombona @izany fotoana

12/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

Alahady 12 febroary 2023, natokana hitondrana am-bavaka ny Baiboly, ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 8 : 22-25 «  22Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23Ary

05/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho

Alahady 05 febroary 2023, andinihina ny lohahevitra FJKM amin’ity volana ity manao hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Zakaria 1:3 «  3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika

08/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 08 Janoary 2023

Alahady 08 Janoary 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Tinarisoa Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao hanaraka ny fotoana :