FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Katekomena

Isan-taona dia misy andiany iray fara-fahakeliny ny katekomena tokanana ho isan’ny Mpandray ny Fanasan’ny Tompo eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo.

Tamin’ny fotoana naha-mpitandrina an’i pasteur Rakotoharintsifa kosa anefa dia niforina ny Katekomena zokiny, izay, araka ny anarany dia natokana ho an’ireo izay efa zokinjokiny kanefa maniry ny hiroso amin’izany dingana izany. Arak’izany dia vetivety kokoa ny fotoana hianaran’izy ireo ary tsy miaraka tokanana amin’ireo katekomena tsotra izy ireo fa manana ny fotoanany manokana koa.