FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ireo andrarezin’ny fiangonana protestanta malagasy

Ireo andrarezin’ny fiangonana protestanta malagasy

Publié le 14 novembre 2008 à 12:11

Raha vao miteny hoe « Ireo andrarezin’ny Fiangonana Protestanta Malagasy » isika dia mby ao an-tsaina avy hatrany ireo Mpitandrina telo nahavita be tokoa teo amin’ny sehatra samihafa : Fiangonana, fanabeazana, haisoratra, firenena, Tsy iza izany fa ny Mpitandrina isany : Rabary, Ravelojaona, Razafimahefa.

Miezinezina tokoa raha ny asa vitan’izy ireo, koa heverinay fa boky maromaro mihitsy vao hahafahana manadihady ny momba izany. Mba hisintonana ny sain’ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy hitodika amin’ireo olomangany ireo anefa, dia indro fampahafantarana fohifohy ny momba azy ireo no atolotray.

RABARY (04 mey 1864 – 20 febroary 1947)

Tao Betsizaraina, renivohitry ny ANDRIANDRANANDO no nahaterahany. RAINIBARIJAONA mpampianatra izay lasa Mpitandrina taty aoriana, ary anisan’ny mpitoriteny nalaza tao ANATIROVA, no rainy. Taranak’ANDRIANTSITAITRA, ilay ANDRIAMASINAVALONA napetrak’ANDRIANAMPOINIMERINA tao Tangaina ry zareo. Handova ny toetr’izany Razambeny izany RABARY, ka ho tonga lehilahy mahay mitondra olona, sahy miteny, manana talenta eo amin’ny hairaha, toy ny haisoratra izany.

* Ny fianarana norantoviny
Tao Tangaina tanindrazany ihany izy no niditra an-tsekoly voalohany. Avy eo izy dia voaray tao amin’ny “Normal School” (1876), sekoly nalaza nokarakarain’ny LMS. Mpampianatra ngezalahy toy ny Rev. J. RICHARDSON izay Talen’ny Sekoly, sy RASANDY, no nanabe azy tao. Ny taona 1881 izy dia voaray tao amin’ny Ecole de Médecine, kanefa telo volana ihany no nianarany tao, fa nantsoin’ny Mpanjaka hiandraiki-draharaha tao ANATIROVA izy. – Ny volana febroary 1896, noho ny fandehan-draharaha teto Madagasikara, ary indrindra noho ilay didy navoakan’ny Jeneraly GALLIENI ny amin’ny tsy maintsy hanomezan-danja ny teny frantsay any an-tsekoly, dia lasa nankany PARIS izy niaraka tamin’ny namany vitsivitsy, nandranto ifotony ny fahalalana izany teny izany. Nanararaotra ny fipetrahany tany izy handalinana ihany koa ny Matematika. Ny faran’ny taona 1897 izy no tafaverina an-tanindrazana.

Ankoatra ny fianarana tany an-tsekoly, dia nampiana-tena koa RABARY. Koa satria ny teny vahiny aminy no lakilen’ny fahendrena, dia nilofosany tokoa ny fianarana teny vahiny. Boky maro voasoratra amin’ny teny frantsay, anglisy, latina, grika, no nokirakirainy sy nodinihany. Manaporofo izany moa ny tranombokiny manokana tao Ankadivato. Tena manankarena tokoa ! Raha nanoratra ny Hevi-teny izy ohatra (Testamenta Vaovao), dia niainga avy amin’ny teny grika. Io fitiavana ny fianarana sy ny fanitarana hatrany ny fahaizana amam-pahalalana io, no anisan’ny nampifamatotra azy sy RAZAFIMAHEFA, Mpitandrina tany AMBOSITRA.

* Ny asa nosahaniny
– amin’ny maha mpampianatra azy.

  • Raha vao 18 taona monja izy dia efa nanomboka nampianatra, koa tao AMBOHITROMBY no nisantarany izany (1822-1884). Avy eo dia voaray hizara ny fahaizana am-pahalalany tany amin’ny sekoly ambony samihafa.
  • 1885-1895 : mpampianatra tao amin’ny “GIRL’S CENTRAL SCHOOL”.
  • 1896 : mpampianatra FILOZOFIA sy MATEMATIKA tao amin’ny “SEKOLARA”, sekoly ambony notanan’ny LMS. Marihina fa izy koa no nampianatra teny malagasy ny Résident Général LAROCHE.
  • 1898 : rehefa tafaverina avy any FRANTSA, dia nampianatra teny frantsay tao amin’ny Sekolin-jazavavy tao AMBODINANDOHALO, sy tao amin’ny Sekolin-jazalahy tao AMPAMARINANA.
  • 1900-1914 : mpampianatra tao amin’ny KOLEJY AMBOHIPOTSY (LMS). Ny “Théologie Dogmatique” sy ny MATEMATIKA no anisan’ny nampianariny tao. Ny fampianarany ny Théologie dia nolazain’ny mpianany fa tena “misy hoenti-miaina sady hoenti-maty” !

– amin’ny maha mpitandrina azy.
Marihina aloha fa hatramin’ny nanombohany nampianatra, dia efa nantsoin’ny Fiangonana hitory teny izy. Ary ny taona 1885, dia voafidy ho sekreteran’ny Fiangonana tao AVARATRANDOHALO. Lasa Mpitandrina tao moa izy nanomboka ny taona 1914 ka mandra-pialany tety an-tany (1947).

Ankoatra ny maha Mpitandrina azy, dia nisahana andraikitra maro teo amin’ny fanomezana aina sy fampiroboroboana ny Fiangonana protestanta teto Madagasikara tokoa izy. Sasantsasany amin’izay andraikitra noraisiny izany ireto :
– fanetsiketsehana, fitarihan-draharaha, fandaharan-teny matetika tao amin’ny ISANENIMBOLANA. Izy no mpitari-draharaha tamin’ny fahavitan’ny Fitsipiky ny ISANENIMBOLANA farany.
– fitarihan-draharaha tamin’ny Firaisan’ny Mpitandrina sy ny Misionera tamin’ireo Fiangonana Protestanta 64 trano teto Antananarivo (LMS, NMS, FFMA, MPF).

Nisy lahateny malaza nataon-dRABARY sy ny namany rehefa tafajoro ny Comité Intermissionnaire ny taona 1913. Tahaka izao izany araka ny hita tao amin’ny DATY MALAZA :
“ raha tian-ko velona tsara eto aminay ny fivavahana kristiana, aoka hapetraka any an-dafy ny fo vazaha tao anatiny, sy ny palitao vazaha teny an-kodiny. Fo malagasy no tokony hitepotepo ao an-tratrany, ary lamba malagasy no mendrika hampitafiana azy eto ivelany.”

Teny feno fahasahiana tokoa izany nataony tamin’ny Misionera vazaha izany !

Olona tia firaisana koa anefa izy, koa an-kafaliana no andehanany mitoriteny any amin’ny Fiangonana LOTERANA rehefa misy miantso azy. Nanao izany izy ohatra tao amin’ny Fiangonana Loterana AMBATOVINAKY, ANTSIRABE, FIANARANTSOA.

* RABARY sy ny asa soratra.
Indreto ny solon’anarana nentiny : Rasoa, P. Razafindramaka, A.R.B.P. (= Auguste Rabary Pasteur). Gazety sy revio maro samihafa no nanoratany (Mpanolo-tsaina, Mpamafy, Teny Soa, Sakaizan’ny tanora, Ny Fiainana, Mazava), ary karazan-dahatsoratra samihafa (tantara foronina, lahatsoratra famotopotoran-kevitra, tononkalo, tantara,) misandrahaka amina lohahevitra samihafa no novokariny. Indro santionany vitsivitsy amin’izany :

– tao amin’ny Mpanolo-tsaina (nanomboka 1904)

  • Tantara foronina :

Raketaka zandriko
Tsy ary volamena avokoa izay rehetra mamiratra.
Ikomandà
Ramahefarivo sakaizako

  • Lahatsoratra famotopotoran-kevitra

Ny Baiboly
Ny Fanahy
Ny ririnina

  • Tantara :

Rasalimo sy Raketaka
Antananarivo, zato taona lasa izay

– tao amin’ny Mpamafy

  • Tantara foronina :

Rakotobiby
Maizina, haizina!

  • Tononkalo :

Ny fon’ny reny
Raha izaho mantsy!

Tamin’ireny asa soratra samihafa nosoratany ireny no nanoherany mafy ny fampianaran-diso naelin’ireo “libres penseurs” (nolazaina hoe “tsy mpino”) tamin’izany. Tany koa no nitaizany ny fianakaviana malagasy ho kristiana. Nasehony hatrany hatrany fa “misy Andriamanitra”, ary izay firenena tsy manao an’Andriamanitra ho Arony sy Andry iankinany, dia hivarina an-kady. Namoaka boky kely mihitsy moa izy hoe : “Izay inoako fa misy Andriamanitra” (Imprimerie FFMA).

Fa ny tena azo lazaina ho sagan’asany ka ahafantaran’ny maro azy, dia ireto boky roa ireto :
Ny Martiora Malagasy (1910). Kanto tokoa ny fomba fanehoany hevitra ao, hany ka nataon’ireo misionera ho fianarana ny teny malagasy. Efa voadika amin’ny teny norveziana izy io.
Ny Daty Malaza (1929) : fanehoana ny zava-niseho isan’andro teo amin’ny fiainan’ny Fiangonana protestanta malagasy hatramin’ny voalohany. Hita ao koa anefa ny tantaran’ny firenena malagasy.

Tsara ihany koa ny manamarika ety am-pamaranana fa manan-talenta amin’ny famoronan-kira koa ny Mpitandrina RABARY. Hira voakaly tokoa no nataony, hany ka tsy afaka am-bavan’ny kristiana. Ohatra amin’ireny ny :
* Jesosy Kapiteninay
* Ny Mpamonjy no mitady
* Ny foko ry Mpamonjy

Noho izany asa goavana nataony teo amin’ny sehatry ny asa soratra izany, dia voaray ho “Membre titulaire de l’Académie Malgache” izy.

Izany no RABARY Mpitandrina ! Nahavita be teo amin’ny Fiangonana (Mpitandrina nandritra ny 47 taona) sy teo amin’ny sehatry ny fampianarana (Mpampianatra nandritra ny 40 taona), ary teo amin’ny sehatry ny Asa soratra !

 

RAVELOJAONA (14 febroary 1879 – 04 septambra 1956)

Lahiaivo amin’izy 14 mianadahy zanaky RATSIMBA avy ao AMBATOFOTSY AVARADRANO izy.

* Ny fianarana norantoviny :
Sekolin’ny Misiona Protestanta maro no nanovozany fahaizana amam-pahalalana :
– ny Sekolin’ny Misiona Protestanta tany ANJOZOROBE niasan-dRATSIMBA rainy izay Evanjelista tany.
– ny Sekoly Protestanta AMBOHIJATOVO (1892-1896)
– ny “Sekolara”, sekoly ambony L.M.S

Nahazo ny laharana voalohany izy tamin’ny fanadinana natao hahazoana ny mari-pahaizana Certificat d’Aptitude à l’Enseignement (C.A.E) ny taona 1899. Vao tamin’io taona io no nisy ny fakàna C.A.E teto Madagasikara.

Nandranto fianarana tany ivelany koa izy. Ny faramparan’ny taona 1904 mantsy dia nalefan’ny Fiangonana ho any FRANTSA izy mba handinika ny fomba fikolokoloana ny zatovo lahy kristiana, ary koa hikaroka izay mety ho loharanom-bola hahazoana manatanteraka izany asa lehibe izany.

Ny fahatongavany tany Frantsa dia nanararaotany nanatevina ny fahaizana amam-pahalalany :
– fanarahana ny fampianarana nataon’ireo profesora ngezalahy tao Sorbonne sy tao amin’ny “Collège de France”.
– fitetezana tanàna maro tao FRANTSA, sy fivoahana ivelan’i FRANTSA koa aza (ANGLETERA, BELZIKA, SOISA, HOLANDA, NORVEZY) mba handinihany ny fikolokoloana tanora any amin’ireny firenena efa mandroso ireny.

Mampalahelo anefa, fa tsy ampy enim-bolana akory taorian’ny niverenany teto an-tanindrazana (avril 1906), dia nofoanan’ny Fanjakana ilay Fikambanana natao hikolokoloan-dRAVELOJAONA ny tanora teto. Natahotra mantsy ny mpitondra sao hamohafoha ny fitiavan-tanindrazana ao amin’ny tovolahy malagasy izany.

* Ny asa niandraiketany teo amin’ny sahan’ny Fiangonana Protestanta amin’ny maha mpampianatra sy amin’ny maha Mpitandrina azy :
– fampianarana :
1898-1904 : nampianatra tao amin’ny Sekolin-jazavavy AMBATOBEVANJA
1906 : taorian’ny fiverenany avy any FRANTSA : nampianatra tao amin’ny Sekolin-jazavavy AMBAVAHADIMITAFO
1920 : taorian’ny fiverenany indray avy any FRANTSA : sady Mpitandrina tao AMBOHITANTELY, no mpampianatra tao amin’ny PAUL MINAULT sy tao AMBATOBEVANJA.
1954 : nampijoro ny Fikambanan’ny Sekoly Protestanta eto Antananarivo (FISEPA), ary lany ho Filoha.

– fitandremana: Intelo izy no niandraikitra ny fitandremana tao AMBOHITANTELY :
1908 : voafidy voalohany ho Mpitandrina tao hisolo an’i Frank RASOAMANANA izay tsy nanaiky ny hiverina tao noho ny disadisa nisy teo aminy sy ny fitondram-panjakana. Ny 14 novambra 1908 izy no notokanana.

  • : nanohy ny fitandremana tao (1 oktobra 1920) rehefa tafaverina avy any FRANTSA ny volana jolay. Tsy nitandro hasasarana tokoa izy tamin’izany fa nandany ron-doha hanao izay hampandroso ny Fiangonana sy ireo Sampana samihafa ao aminy. Nataony izay hifampikasokasohan’ny mpiray Fiangonana (ohatra, fiaraha-mitsangatsangana) mba hifankahalalany sy hifankatiavany.

Ho an’ny tanora manokana, dia teo :
– ny fanokafana trano famakiam-boky sy fananganana “club de lecture” mba ho fampirisihana azy ireo hamaky boky, satria, hoy izy : “ny soratra, ny boky : izany no faingana afo indrindra amin’ny fanasoavan’olombelona.”
– ny fanentanana azy ireo hanao fanatanjahan-tena satria ao anatin’ny vatana salama no misy ny saina mavitrika sy matsilo.

Tamin’ny lahateny sy ny dinidinika nifanaovany tamin’ireo vahoakan’Andriamanitra notandremany, dia nanainga azy ireo mandrakariva izy mba ho tia ny tanindrazana sy handala ny maha Malagasy azy.

Nataony ho filamatra mantsy ny hoe : “Malagasy manan-kaja”, “Malagasy tsy latsa-danja”, “Malagasy mahatan-draharaha”.

Lahateny maro ihany koa no nataony nandritra ilay hetsika ho fampiraisana ny Fiangonana Protestanta Malagasy tamin’ny taona 1913. Tahaka an-dRABARY Mpitandrina, dia sahiny ny nifanandrina tamin’ireo Misionera iraky ny foibeny avy (LMS, FFMA, MPF, Loterana) izay toa nitondra fisaratsarahan-kevitra teo amin’ny vahoaka kristiana. Hoy izy : “Avelao izahay hidinika ny momba anay.” Fangatahana fahaleovantenan’ny Fiangonana protestanta malagasy koa moa no nokendrena tamin’izany.

* RAVELOJAONA sy ny raharaham-pirenena :
Nihevitra ny mpitondra fanjakana tamin’izany fa io fitadiavana fahaleovantena ho an’ny Fiangonana io dia mety hivadika ho fangatahana fahaleovantena ho an’ny firenena. Koa dia notondroina ho mifandray amin’ny V.V.S RAVELOJAONA. Teo rahateo koa moa ilay “Japon sy Japoney”, lahatsoratra navoakany tao amin’ny Mpanolo-tsaina (Avril 1913-Oct 1913). Dia nampidirina am-ponja izy, ary voaheloka hiasa mandra-pahafaty ny volana febroary 1916. Ny volana mey tamin’io taona io ihany anefa dia nohafahan’ny Cour d’Appel madiodio izy rehefa tsy hita izay hiampangana azy.

Araka ny torohevitry ny Misionera MPF, dia nandeha nankany FRANTSA izy (mey 1916), ary nilatsaka ho miaramila. Tao MARSEILLE no nanaovany ny raharaha miaramilany (1916-1920). Nahafahany nikarakara ara-batana sy ara-panahy ireo miaramila malagasy tany izany.

Mey 1939, voafidy ho solontenan’i MADAGASIKARA tao amin’ny Conseil Supérieur de la France d’Outre-Mer izy, ary dia niondrana ho any FRANTSA (jona 1939). Nipoaka anefa ny Ady lehibe II, koa dia niverina an-tanindrazana izy (janoary 1941).

Tsy nitsahatra ny fandraisany andraikitra teo amin’ny raharaham-pirenena :
– niditra ho mpanelanelana teo amin’ny vahoaka sy ny fanjakana izy. Ohatra momba ny tokony hanafoanana ny Office du riz. Ny fanjakana rahateo moa nila hevitra taminy tamin’ny lafin-draharaha momba ny fiainam-bahoaka.
– nirotsaka hofidina Solombavambahoaka ho ao amin’ny Assemblée Constituante (1945) ary notohanan’ny Parti Démocrate Malgache (PDM). Ny programany dia ny hoe : fahaleovantena miandalana ho an’i MADAGASIKARA. Tsy naharesy ny kandidan’ny MDRM izay tsy iza fa ny Dokotera RAVOAHANGY izy tamin’izany. Ho an’ny MDRM kosa dia : Fahaleovantena tanteraka, ary tsy angatahana andro!
– nirotsaka hofidina indray tamin’ny 1951, nefa mbola tsy lany ihany, fa RANAIVO Jonah sy RAKOTONIRINA Stanislas no voafidy.

RAVELOJAONA moa tsy mba anisan’irony mpanao politika maherihery fihetsika na mitratrevatreva irony. Ny fitsipika narahiny tamin’ny fanoherana ny fanjanahan-tany dia ny hoe : “Aza manai-boron-kotifirina!” Koa dia nolanjalanjainy tsara hatrany na ny fihetsiny, na ny teny naloaky ny vavany. Lehilahy mahira-tsaina sady malina rahateo izy.

* RAVELOJAONA mpanoratra :
Mpanoratra ngezalahy tokoa izy. Gazety maro no niandraiketany : Teny Soa (1907-1915) ; Ny Mpamafy (1911-1915) ; Ny Mpandinika (1923-1930) ; Ny Mpanolo-tsaina (1927-1929) ; Ny Fiainana (1928-1955).

Anisan’ny nanorina ny gazety Mazava niaraka tamin-dRABARY, RAZAFIMAHEFA, ary RAZAFINDRAKOTO koa izy.

Fa ny tsangambato lehibe navelany ho an’ny taranaka dia ny “Firaketana ny Teny sy ny Zavatra Malagasy” izay nanomboka nivoaka tao amin’ny Fiainana ny taona 1937. Olona avy amin’ny sokajin’asa samihafa no nifarimbona taminy tamin’ny fanatontosana io Encyclopédie malagasy io.

Mampalahelo anefa, fa raha vao teo amin’ny litera L ry zareo, dia nodimandry izy ny 04 septambra 1956.

Mpikambana mahefa tao amin’ny Akademia Malagasy ihany koa izy.

Miharihary amin’izany fa olon’ny taonjato nahavelomany tokoa raha RAVELOJAONA : Mpitandrina nahavita be teo amin’ny sehatry ny Fiangonana sy ny fampianarana izy, Mpanao pôlitika natsilo saina ary Mpanao gazety sy Mpanoratra nanana ny maha izy azy tokoa.

 

RAZAFIMAHEFA Rainy (22 aogositra 1867 – 10 septambra 1961)

Tsy azo sarahina amin-DRABARY sy RAVELOJAONA ny tantaran-dRAZAFIMAHEFA Rainy. Izy telo andrarezin’ny Fiangonana Protestanta Malagasy ireo mantsy no nantsoina hoe “les trois grands”. Betsaka anefa ny azo lazaina momba an-dRAZAFIMAHEFA, koa dia famintimpintinana ihany no hatao eto. Hampahafantarina fohifohy ny momba ny fiainany amin’ny ankapobeny, ny fianarana norantoviny, ny andraikitra samihafa noraisiny teo amin’ny sehatry ny firenena, teo amin’ny sehatry ny fampianarana sy fanabeazana, teo amin’ny sehatry ny asa soratra, ary indrindra teo amin’ny sahan’ny Fiangonana.

1. Topy maso ankapobeny amin’ny fiainana nodiaviny.
Teraka tamin’ny 22 aogositra 1867. Zanak’i RAMAMBA, Andriambaventy avy ao Ambohijatovo-Ambohimalaza, tamin-dRamatoa RASOANAMBO izay vadiny faharoa1. Nanan-jandry anankiray izy, dia RANDRIAMAHEFA, teraka 1869.

Rehefa tonga taona izy dia nampakatra an-dRANJAVELO teo Ambohipeno ho vadiny. Izy io dia zanak’i RAKOTOMANGA RAINITANTELY sy Ramatoa RAVELO. Tao Ambavahadimitafo no nohamasinina ny fanambadiany ny 04 novambra 1884. Folo mianadahy ny zanak’izy mivady.

Noho ny fianarana nataony, ny asa aman-draharaha nosahaniny, ary ny raharaham-pirenena tamin’izany, dia nifindrafindra toerana izy, na teto Madagasikara izany, na tany Frantsa. Teto an-toerana moa dia : Antananarivo, Ambohimalaza, Ankazobe, Faratsiho, Mahereza (avaratra kelin’i Fenoarivo), Ambositra. Teo amin’ny faha 94 taonany izy no nodimandry (10 septambra 1961). Ary araka ny faniriany, dia eo amin’ny tokotanin’ny Fiangonana Manarintsoa-Ambositra no nandevenana azy.

2. RAZAFIMAHEFA sy ny fianarana norantoviny.
– Tao amin’ny sekoly Ambavahadimitafo no nanaovany ny ambaratonga voalohany. Tamin’izany, dia efa niavaka izy noho ny faharanitan-tsainy. Nahazo ny laharana voalohany hatrany. Koa rehefa nantsoina hiakatra Anatirova ireo mpianatra rehetra nahazo laharana ambony isa-tsekoly tamin’ny faran’ny taom-pianarana 1879, dia izy no solontenan’Ambavahadimitafo. Nila mpanoratra moa ny Andriana. Tao amin’ny Birao Miaramila tao amin’ny Ministère de la Défense Nationale no nametrahana azy, ary ho mpanoratra ny volan’Andriana nampandoavina ny olona hividianana basy any Amerika. Fanompoam-pirenena moa izany asa izany, ary naharitra herintaona.

– Nilatsaka ho mpianatra tao amin’ny Ecole Supérieure d’Enseignement Général tao Ambohijatovo izy ny 04 janoary 1881. Nitana laharana ambony hatrany izy tao amin’ny kilasy nisy azy. Havanana tamin’ny taranja maro : Physique, Chimie, Mathématiques, Anglais, Solfa, Nahita izany fahaizany izany ny Talen-tsekoly ka dia nandray azy ho mpampianatra mpanampy amin’ny taranja Mathématiques tao amin’ny kilasy faha 6 sy faha 7 raha mbola tao amin’ny kilasy faha 5 izy.

– Ankoatra ny fianarana an-dakilasy, dia niangavy ireo mpampianatra kalazalahy izy mba hanome azy lesona manokana. Nahazo fahafaham-po izy. Nampianatra azy :
JUKES : nampianatra Hevi-teny Soratra Masina, Rhétorique,
Dr STANDING : nampianatra Mathématiques, Pédagogie, Psychologie, Anglais
Rev. BARON : nampianatra Botanique, Géologie.
Mr COUSINS : nampianatra Philosophie.

– Mbola notovonany fampianaran-tena niaraka tamin’ireo namana aman-tsakaizany toa an-dRAMAMBAHASINA, ary indrindra tamin-dRABARY izany. Tena nandranitra azy tokoa, hono, ny fiarahany tamin-dRABARY izay teo ambany sokajin’ny mpampianatra mahay rahateo, toa an’i :
Mr WILSON : nampianatra azy ny Euclid
Mr SIBREE : nampianatra azy ny Théologie
Mr LORD : nampianatra azy ny Sciences Naturelles.

* Rehefa lasa zanatany i Madagasikara (06 aogositra 1896), dia namoaka didy aman-dalana maro ny mpitondra vaovao. Ho an’ny Fampianarana dia nahitana andininy toy izao :
– tsy maintsy foanana tanteraka ny fampianarana ireo taranja mamohafoha ny fahatsiarovana ny maha Malagasy : Histoire, Géographie, Grammaire, sns.
– ny teny frantsay no tsy maintsy ampianarina.

Sahiran-tsaina tokoa RAZAFIMAHEFA teo anatrehan’izany, satria ny teny anglisy no nampianarana sy nanabeazana azy, ary diplaoma anglisy no ananany. Koa dia nikaro-dalana izy, niaraka tamin’ireo namany vitsivitsy, ny amin’izay mba hahazoany manohy ny fianarany any Frantsa. Nanatona ny Pasteur LAUGA ry zareo. Nanaiky ny hikarakara azy ireo ity raiamandreny am-panahy ity, ka dia tanteraka ny faniriany. Valo lahy ry zareo no indray nanainga ho any Frantsa : RABARY, RAZAFIMAHEFA, RABETAFIKA, Joseph ANDRIANAIVORAVELONA, RASOAMIARAMANANA, RAKOTONIRAINY, RABEMANANJARA, RASOANAIVO Charles.

Tao amin’ny “Maison des Missions” tao Paris no nipetrahan-dry RAZAFIMAHEFA sy RABARY, ary RASOAMIARAMANANA sy RABETAFIKA. Tena nilofo mafy tamin’ny fianarana tokoa izy ireo. Tsy latsaky ny ora valo isanandro, hono, no nolaniany tamin’ny vaky boky, sy tamin’ny fanatonana ny profesora DOLLE izay nikarakara manokana ny fampianarana teny frantsay ireo tanora vahiny niofana ho misionera.

Mba hahafolahana tsara sy haingana ny teny frantsay, dia toy izao ny fomba fianatra narahiny : mamaky boky, dia miresaka, dia manoratra. Teo am-boalohany, dia nifampiresaka tamin’ny teny malagasy ihany ry zareo. Fa tato aoriana, dia nifantoka tamin’ny teny frantsay tanteraka, araka izao hita tao amin’ny Diarin-dRAZAFIMAHEFA ny 08 febroary 1897 izao :
“Je résous, pour me perfectionner en français, de ne plus parler en malgache, sauf à la nécessité, jusqu’à mon retour à Madagascar.”

Nanararaotra nandalina taranja hafa koa izy : Philosophie (tamin’ny Profesora ALLIER) , Littérature française (Profesora DOLLE), Introduction de la Bible (Profesore KRÜGER),

Ary tany amin’ireo fitetezam-paritany nataony tany Frantsa, sy tany amin’ireo fivoriana natrehiny, dia nanandrana nandaha-teny tamin’ny teny frantsay izy. Tsy ela akory dia nahafolaka ity teny vahiny ity tokoa izy. Hoy ny hita tao amin’ny gazety navoaky ny Ecole de Dimanche ny 30 oktôbra 1897 : “ Ce sont des hommes intelligents et instruits qui font le plus grand honneur aux missions évangéliques qui les ont formés. [ ] En entendant le 19 Mars dernier, au Temple de Saint Esprit à Paris, le discours de l’un d’eux, M. RAZAFIMAHEFA, on se disait qu’il y a bien peu d’Européens qui eussent été capables au bout de quatre mois de séjour à Madagascar, de parler la langue de ce pays, avec la facilité à se servir du français, que ce Malgache avait acquis en si peu de temps.”

Tsy nanamaivanany ny tenin-drazany sy ny tanindrazany anefa izany. Hoy ny teniny : “J’espère enfin que Madagascar, ayant reçu les impressions de la lumière civilisatrice, chrétienne et française, remplira jusqu’à son moindre devoir filial envers la France, mais que pourtant Madagascar restera toujours Madagascar.” (ampahany tamin’ny kabary nataony tao amin’ny “Oratoire de Paris” io ho fanaovam-beloma ireo misionera).

Naharitra hatramin’ny faramparan’ny volana jolay 1898 ny fijanonany tany Frantsa. Ny 28 jolay 1898 izy no tafaverina an-tanindrazana.

3. RAZAFIMAHEFA sy ny raharaham-pirenena.
Rehefa tonga teto i Hippolyte LAROCHE, Résident Général, dia nitady Malagasy manam-paizana hiasa hanampy azy, ary homeny toerana tsara sy karama betsaka. Anisan’ny nantsoiny RAZAFIMAHEFA, nefa nandà. Hoy ny tononkirany :
“Ahy Jeso : ampy izay!”

Nahazoany fankasitrahana ireo boky nosoratany tany Paris ny taona 1898 : Histoire de France sy Petite lecture française :
– ny “Médaille de l’Alliance Française” avy amin’ny Comité de l’Alliance Française à Paris.
– ny “Ordre de Mérite Malgache de 2è classe” avy amin’ny Gouverneur Général.

* Raha nipoaka ny raharahan’ny V.V.S tamin’ny faramparan’ny taona 1915, dia anisan’ny nosamborina RAZAFIMAHEFA. Voaray tamin’izany koa RABARY, RAVELOJAONA, Venance MANIFATRA, ny Frère RAPHAËL, ny Frère JULIEN. Nampangaina izy sy ireo namany ao amin’ny nantsoina hoe “Les quarante et un” fa mikomy amin’i Frantsa. Ny tena niampangana azy dia ilay tononkira noforonin’izy sy RABARY tamin’ny 1895 ho fankaherezana ireo miaramila malagasy niatrika ady tamin’i Frantsa tamin’izany. Toy izao ny andininy iray :
“Tsy mba mafy izany maty
Miaro tany nahabe
Ny kanosa injato maty
Fa ny sahy indray mandeha!”

Nampidirina am-ponja teny Antanimora izy. Ny zoma 18 febroary 1916, dia afaka madiodio, kanefa ny volana marsa dia nalefa sesitany (résidence fixe) tany Ankazobe izy sy RABARY. Avy eo dia nosarahina indray izy roa lahy, ka :
– RABARY nalefa tany Fihaonana
– RAZAFIMAHEFA, nalefa tany Faratsiho.

Sesitany tany Faratsiho izy izany nandritra ny roa taona (avrily 1916 – 31 mey 1918). Nahafinaritra azy anefa ny fiainana tao amin’ny station Missionnaire tao Ambohimahatazana-Faratsiho.

4. RAZAFIMAHEFA mpampianatra
Araka ny efa voalaza, dia mpampianatra tao Ambohijatovo no nidirany voalohany teo amin’ny sehatry ny fampianarana.

Rehefa tafaverina avy any Frantsa izy, dia nampianatra Matematika sy Français tao Ambohijatovo; lasa Tale tao moa izy ny taona 1913-1915.

Marihina fa rehefa lasa i Alphonse RAVOAJANAHARY, dia nangataka tamin’ny MPF izy mba handefa misionera hitantana ny sekoly tao Ambohimalaza. Fantany fa tsy hivaly vetivety ny fangatahany, ka dia izy aloha no nitondra ny sekoly (1903). Ny taona 1904 vao tonga i Mademoiselle J. DERIAZ. Nijoro ny Sekoly VINET.

Taorian’ny naha sesitany azy tany Faratsiho, dia lasa mpampianatra tao amin’ny Ecole Biblique tao Mahereza-Fenoarivo izy. Volavolaina ho mpikarakara Fiangonana sy ho mpitoriteny ny mpianatra tao.

Tany amin’ireo sekoly rehetra nampianarany dia nahazo fahafaham-po hatrany ireo mpianany. Hoy ohatra, RAVELOJAONA izay mpianany tao Ambohijatovo :
“Sekoly nahitan-tsoa be dia be Ambohijatovo ; tsy azo hadinoina Ingahy RAZAFIMAHEFA mpampianatra ny kilasy faha 3.
“Ny voalohany notanan’Ingahy RASOAMANANA, ny faharoa notanan’Ingahy RAJAFETRA, ary ny fahatelo an’Ingahy RAZAFIMAHEFA (tamin’ny fanjakana malagasy) no dia tsaroana miavaka indrindra tamin’ny prof. rehetra. Laniko loatra ny toetrany rehetra, fitondran-tena, fahaizana, fomba fampianatra. Izy no Malagasy, eny ny olona voalohany sady tiako no nohajaiko.”

Toy izao koa ny hevitry ny hafa :
“Mpampianatra mahay Ingahy RAZAFIMAHEFA, ary mpitondra mahery. Tena natao ho mpitarika. Ilay antsoin’ny Anglisy hoe “leader” Izy no Malagasy voalohany nampitanan’ny Mission andraikitra lehibe fitondrana sekoly raha ny hangezan’Ambohijatovo no heverina. Nampianatra tao nandritra ny 31 taona (1885-1915), Directeur tamin’ny farany (1913-1915).
“Nisidina avo dia avo ny fampianarana sy ny fitondran-tsekoly hita tao Ambohijatovo faha JHONSON, faha STANDING, faha RAZAFIMAHEFA.” (H. RAZAFINTAOLO)

5. RAZAFIMAHEFA sy ny raharaham-piangonana.
Marihina fa RAZAFIMAHEFA dia tsy mpianatry ny Kolejin’ny mpitoriteny izay namolavola ireo izay ho lasa Mpitandrina na Evanjelista. Noho ny fampianarana azony tamin’ireo profesora teny amin’ny Kolejy anefa, dia nekena ho mpitoriteny izy. Ary tany Saint Aubin tany Frantsa, tamin’ny volana janoary 1898 no nanekena azy ho Mpitandrina. Andraikitra maro samihafa no nosahaniny :
– teto an-toerana moa dia nametrahan’ny Misiona adidy betsaka izy, ary dia nanao izay tratry ny heriny tokoa izy sy RABARY. Asa telo goavana no dia nampiavaka azy ireo dia :
* ny fanatanterahana fotoam-pivavahana any an-tokantranon’olona amin’ny hariva. Nahomby tokoa izany satria nisy lasa Mpitandrina ny sasany tamin’ireny notsidihany an-tokantrano ireny. Ohatra amin’izany RABETAFIKA.
* ny fiaraha-mivavaka tamin’ireo miaramila voatana teny am-ponja noho ny ady nifanaovana tamin’ny Frantsay ho fanoherana ny teny zary didy jadona nataon’i Le MYRE DE VILERS ny amin’ny haha “Protectorat français” an’i Madagasikara. Azo lazaina fa izany no endriky ny aumônerie voalohany teto.

Raha novonoin’ny MENALAMBA ry Mr JHONSON telo mianaka tao Arivonimamo (22 novambra 1895), dia RAZAFIMAHEFA no nisolo ny misionera FFMA tamin’ny fitsidiham-paritra sy tamin’ny fitarihana ny fivoriambem-piangonana.
Nanampy ny misionera tamin’ny fitondrana ny distrikan’Ambatomanga (MPF) koa izy. Nandray andraikitra tao amin’ny Isan’Enimbolan’Imerina. Voafidy ho Tonia tao ny taona 1913.

Teo amin’ny fitandremana Fiangonana mivantana, dia toerana roa no nanefany ny adidiny : Ambohimalaza sy Manarintsoa Ambositra :
– Ambohimalaza Fiangonan-drazany no notandremany voalohany raha tafaverina avy any Frantsa izy (1898-1915). Izy no nahitan’Ambohimalaza izany hoe Hazo Noely (1898). Mafonja ary feno fahasahiana sy fahavononana tokoa ny fianianana nataony an-tononkira tamin’ny fanokanana azy. Ilay hira malaza hoe “Manan-jara ry Jesosy” moa izany. Toy izao ny andininy faharoa :
“Izao no zara fanompoako voatendrinao,
Ka na mafy tsy ahoako hahefako izao ;
Tsy handosi-pahoriana ny mpiasanao,
Fa ny hazo fijaliana, lova taminao.”

– Manarintsoa Ambositra indray no nizarany fitiavana, fahendrena, fahaizana amam-pahalalana nandritra ny taona maro (1925-1961). Izy moa no nisolo ny mpitandrina RAJAFETRA izay nodimandry; tamin’ny fanokanana azy ny 23 aogositra 1925, dia tonga nanotrona azy RABARY sy RAVELOJAONA. Tafavory izany ny “les trois grands” ka natahotra ny mpitondra fanjakana, ary nandefa mpitsikilo. Niezaka tokoa izy handamina sy hampiroborobo ireo Sampana tao amin’ny Fiangonana. Dia natsangany ny Antokom-pihira izay nahitan’Ambositra voalohany izany atao hoe Antsam-panahy. Teo amin’ireo vahoaka kristiana notandremany, dia Papa sy Maman tahaka ny fiantsoan’ny fianakaviany azy no niantsoana azy mivady. Ny Dr WEISGERBERG, Médecin Inspecteur tao Ambositra moa, raha nandre azy nanao toriteny tamin’ny teny frantsay sy teny anglisy, dia loa-bolana hoe : “Voilà!… une tête noire vraiment épatante!”

Efa miresaka ny fahaizany mitory teny ihany, ka tsara raha mba asiana teny ny fomba fandaharany teny. Hafa kely tokoa mantsy hono, ny fomba arahiny raha mivaofy hevitra. Na dia ireo hevitra momba ny fivavahana aza, dia nohazavainy ara-tsiansa aloha. Ohatra, raha niteny i Jesoa hoe “Izaho no fahazavana”, dia manao ny fivoasana ny hoe “fahazavana” ara-tsiansa izy aloha, vao manazava tsikelikely ny “maha fahazavana” an’i Jesoa.

– Fony izy tany Frantsa, tany amin’ireo fitetezam-paritra nataony, dia tsy nitsahatra izy nitory ny tenin’Andriamanitra, niantso ny olona hanatona an’Andriamanitra, ary hirotsaka ho mpiasan’Andriamanitra mihitsy aza. Raha tsorina, dia nanao ny asan’ny Mpitandrina na Evanjelista izy.

6. RAZAFIMAHEFA mpanoratra.
Ny nanombohany nanoratra dia tao amin’ilay “Sosiety Mampiely Trakta” izay niorina tao amin’ny Sekoly Ambohijatovo tamin’ny 15 novambra 1892. Anisan’ny mpanorina izany moa izy mivady sy RABARY mivady.

Taty aoriana izy, dia nanoratra tany amin’ny gazety maro : Mpanolo-tsaina, Sakaizan’ny Tanora, Ny Mazava, Ny Mpamafy. Toa miovaova arakaraka ny gazety ny lohahevitra novoasany :

Mpanolo-tsaina (1904-1915).
Izy moa, niaraka tamin-dRABARY, RAVELOJAONA, ary RAZAFINDRAKOTO, no nangataka alalana tamin’i M. DENIS, Directeur-n’ny Imprimerie Imarivolanitra ny mba hanohizana indray ny Mpanolo-tsaina izay natory nandritra ny taona vitsivitsy.

Lohahevitra momba ny Siansa, na novoasany ara-tsiansa no hita ao, toy ny hoe : Ny télépathie. Resadresaka momba ny Siansa, Ny Haromotana, sns.

Ary satria niely tamin’izany ny fironan-tsaina “liberté de pensée” izay nitaona ny olona tsy hanankina ny fiainany amin’ny finoana, dia nijoro RAZAFIMAHEFA hanohitra izany tao amin’ny gazety. Hoy ny tononkirany :
“Mandroso be ny tsy finoana
Ankehitriny izao
Ka toa mihafihafy foana,
Izahay sakaizanao.
Kanefa ataonay sanatria
Izay handao sakaiza tia.
R.Z.M

Nambarany fa mifameno, fa tsy mifanohitra akory ny Fivavahana sy ny Siansa.
Marihina fa nitondra solon’anarana izy rehefa manoratra :
H. Razaka, tamin’ny tantara
R.Z.M tamin’ny lahatsoratra sy tononkira.

Sakaizan’ny Tanora
Tato amin’ity gazety ity, dia mifidy toe-javatra iray izy, ary mivaofy izany amin’ny fomba mazava. Ohatra, momba ny “Hakamoana sy ny fanafodiny”, ny “Sakaiza”, sns.

Ny Mazava
Gazety natao ho an’ny vahoaka izy ity. RAZAFIMAHEFA no nanolotra ny gazety, nanazavazava ny anarany, ny antom-pisiany, ny tanjona kendreny.

Ankoatra ny maha mpanoratra azy, dia mpamoron-kira mahay koa izy. Efa hita izany tamin’ireo tononkira maneho ny ao an-tsainy sy ao am-pony. Tononkira tsy mba mitaraindraina, fa feno fahasahiana sy fahavononana tokoa. Tononkiran’olona natao ho Mpitarika!

 

Famaranana
Hamaranana ity fanadihadiana tsy feno ity, dia ndeha hindrana lohateny nataon’Andriamatoa Xavier DELMOTTE, Sénateur Maire tany Ambositra tamin’ny fotoana nandevenana azy, manao hoe : “Toute sa vie a été marquée par un idéal magnifique : “Servir Dieu, pour mieux servir son pays!”

Mpandrindra.
Andriamanatsilavo Seth.

 

BOKY NANOVOZAN-KEVITRA

Ity famelabelarana ity, dia tsy nanaovana asa fikarohana manokana akory, fa narindra avy amin’ireo tahirin-kevitra teo am-pelatanana.

Takelaka Notsongaina II : Siméon RAJAONA.
Dictionnaire historique et géographique de Madagascar : Régis Rajemisa RAOLISON
Ambohitantely, Fiangonana Vavolombelona (1863-1988), Trano Printy FJKM Imarivolanitra, Antananarivo. 1988.
RAZAFIMAHEFA Rainy, Mpampianatra, lahateny nataon’ny Profesora RAZAFINDRAKOTO Edmond, tao Ambohimalaza-Firaisana, 23 Août 1992.
Pasteur RAZAFIMAHEFA Rainy (1867-1961), Collection Olomangam-pirenena, Printy Malagasy Vaovao. Antananarivo. 1991.

Ambohitantely, Fiangonana Vavolombelona, tak. 33.

Tantaram-piainan’Ingahy Ravelojaona Mpitandrina 1879-1956 nataon-dRAMBELOSOA, ary voalaza ao amin’ny boky etsy ambony, tak. 39

1 RATSIHANTA, vadiny voalohany dia maty.


Lire aussi

09/05/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 09 mey 2021 : fanompoam-pivavahana iombonana

Am-pifaliana ry havana no hizarana aminao ny fandaharana amin’ity Alahady 09 mey 2021 ity izay hiombonantsika amin’ny 9 ora maraina. Misy ny toriteny video entin’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain etsy ambany handraisantsika ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao ary hanomana fo amam-panahy ho amin’izany. « Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo

01/05/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy Masina

Alahady faha 4 aoriana ny Paska. Andeha isika hiombona amin’izao fanompoam-pivavahana ampitain-davitra izao manomboka @ 9 ora maraina, miaraka amin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain. « MAMPIORINA NY MINO NY HERIN’NY FANAHY MASINA «  *FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA -Salamo 44 and 1,3-Hira 538 and 1,3– Vavaka *FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA -Hira 175 and 3,4– Vavaka – VakitenyDeo 34:5-9;Matio 10:16-20;2Kor 3:1,6– Hira

24/04/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Zaro @izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala @izany

Noho ny fihibohana dia tsy afaka miombom-bavaka any amin’ny FJKM Ambavahadimitafo isika. Misaotra ny Tompo anefa isika fa afaka miombona amin’ny fanompoam-pivavahana Alahady 25 Aprily 2021, izay hiarahan’ny isan-tokan-trano manatanteraka manomboka @ 9 ora. « Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho, (Matio 18:20) Litorjia Alahady 25

18/04/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andriamanitra maneho ny maha-Izy Azy tenany amin’ny mino

Alahady 18 aprily 2021, alahady faharoa manaraka ny paska, hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampiorina ny mino ny fanavotan’i Kristy ». Ny perikopa nangalana ny hafatr’Andriamanitra dia avy ao amin’ny Isaia 48 : 11-22 : « 11Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; Indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. 12Mihainoa

17/04/2021 A la une . Antso sy filazana

Lisitra alahady 18 aprily 2021

Finaritra, Indro ampitaina amintsika ny lisitry ny mpivavaka rakampitso alahady 18 aprily 2021. Marihina fa tsy feno ny 100 isa, noho izany dia fidirana 1 ihany ka @ 9ora maraina tahaka ny mahazatra no fidirana. Mirary soa hotahian’ny Tompo. 1 Andriamanantena Avotry 1 2 Andriamanday Ny Harena 1 3 Andriamanday Ny Kanto 1 4 Andriamparany Ny Riana

13/04/2021 A la une . Antso sy filazana

Ajanona ny « activité » amin’ity volana aprily ity

Toy izao indray ny fandaminana amin’ny fanompoam-pivavahana ny Alahady 18 Aprily 2021 1- FISORATANA ANARANA 1) Misoratra anarana ny mpivavaka rehetra (tsy misy fisoratana anarana intsony amin’ny Facebook fa ao amin’ny Akany na miantso finday amin’ny laharana etsy ambany) 2) Ny biraon’ny Fiangonana no mandray ny anarana sy mametraka ny tsirairay @ fanompoam-pivavahana hidirany. Atao

11/04/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo

Alahady 11 aprily 2021, alahadin’ny Dorkasy, nitondrana ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Efesiana 5 : 1-2  » 1Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala; 2ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika. « 

11/04/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Paska 2021 : Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe : Finaritra

Ny hafatr’Andriamanitra amin’izao alahady paska 2021 izao dia ny avy ao amin’ny Matio 28; 1-10 :  » 1ARY tamin’ny alin’ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray. 2Ary indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo

10/04/2021 A la une . Antso sy filazana

Lisitry ny mpivavaka 11 aprily 2021

Indro ampitaina amintsika ny lisitry ny mpivavaka nisoratra anarana ny ALAHADY 11 AVRIL 2021 eto @ FJKM Ambavahadimitafo. Hisy fidirana roa : 7h30 (Fidirana Voalohany) 1 Andriamparany Ny Riana 1 2 Andrianjafy Julienne 1 3 Andrianjafy Lovasoa 1 4 Andrianjafy Ny Harena 1 5 Andrianjafy Ny Kanto 1 6 Andrianjakarisoa Fanilo – Haja 2 7