FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Inona no atao mba ho fiaraha-monina mahafinaritra ny ao an-tokantrano ao?…

Inona no atao mba ho fiaraha-monina mahafinaritra ny ao an-tokantrano ao?…

Publié le 11 novembre 2008 à 12:11

Miankina amin’ny tsirairay ny hisian’ny fahombizana amin’izany na tsia. Aza atsipy amin’ny ray aman-dreny fotsiny ny fahadisoana. Ary ny ray aman-dreny koa tsy tokony hanameloka bontolo fotsiny izao ny zanaka.

Karazana tokantrano inona re no misy anao ? Matetika dia ny fifampiresahana (dialogue) no miantoka ny fahombiazan’ny fiainan-tokantrano. Koa tandremo ireto fomba izay manimba ny fifampiresahana ireto :

Firesahana be loatra, Firesahana amin’ny feo avo, Fiolakolahana, tsy miteny mahitsy, Fialàna bala, Fitompoan-teny fantatra …

Tsi-firesahana firy, Fimongimongena, Fitenenana mandratra, Fanodinan-dresaka, Famaliana bontana …

Ireo zavatra ireo no mitranga dia satria adinontsika fa ny fifampiresahana dia fifamindrana hafatra; izany hoe tsy maintsy misy ny fiezahan’ny tsirairay hahazo izay lazain’ny anankiray.

Tsarovy koa fa manan-danja ny TENY lazainao na dia 7%-’ny zavatra tafiditra ao amin’ny fifanakalozana (communication) fotsiny aza ny teny. Mieritrereta, fidio ny teny ampiasainao. Ary milazà ny MARINA.

Ny 38%-’ny resaka dia miankina amin’ny fomba itenenanao ireo teny ampiasainao (ton de la voix). Afaka miteny aho hoe: “Tia anao aho, ry Neny”. Saingy mety miova tanteraka ny tiako lazaina arakaraka ny fomba itenenako azy sy ny feoko.

Ny 55%-’ny resaka dia miankina amin’ny fihetsika asehoko an’ilay olona miresaka amiko (message non-verbal). Ny vatantsika dia manam-pahefana be lavitra hampita izay ao am-pontsika noho ny teny sy ny fomba itenenantsika azy.

Ohatra : sady milaza aho fa faly mandray an’ilay olona nefa ny tarehiko montotra dia montotra no sady vinitra. Hino ahy ve izy fa faly aho?

Farany, ekena fa tsy maintsy misy ny olana ao an-tokantrano ao. Ny fomba amahantsika azy no hiantoka ny hahatokantrano sambatra azy na tsia. Tranga efatra no isehoan’ny famahana ny olana ao an-trano ao :

1. Tsy firaharahiana ny olana sy ny fifandraisana

Samy tezitra ny roa tonta. Tsy misy fifanajana sy fitiavana. Samy mirintona lasa na ny ray aman-dreny na ny zanaka. Simba ny fifandraisana ary tsy voavaha ny olana.

2. Fijerena akaiky ny olana saingy tsy firaharahiana ny fifandraisana

Ny ray aman-dreny no tsy manaiky ho resy eto. Izy no manao ny lalàna. Mahatsiaro ho voahenjika ny zanaka. Tsy maintsy mankato izy saingy rava ny fifampitokisana.

3. Tsy firaharahiana ny olana fa fitandroana ny fifandraisana

Manaiky ho resy eto ny ray aman-dreny mba hitazonana ny fihavanana amin’ny zanaka. Tsy afaka manoro hevitra, mitarika, miahy araka ny tokony ho izy intsony izy ireo. Ampihantaina fahatany ny zanaka ka toa tsy mahay manaja ireo nahitàna masoandro intsony.

4. Firaharahiana ny olana sy ny fifandraisana

Tsy andosirana ny olana misy saingy asandratra ambony koa ny fihavanana. Mitaky fotoana, fitiavana, ary fifanajana ny fanatratrarana io tanjona io. Ilaina koa ny fahavononana eo amin’ny roa tonta mba hifandefitra fa tsy hifanararaotra.

Andramo kely ange ity tranga fahaefatra ity e. Ho gaga ianao tanora fa hisokatra aminao i Dada sy Neny. Tsarovy fa mba efa tanora tahaka anao koa izy ireo, ary ho ray aman-dreny koa ianao rahatrizay. Samy mety ho diso daholo ny roa tonta. Ny ilaina dia ny fiarahana miatrika sy mamaha olana amin’ny fifankatiavana sy fifampitokisana.

Pasteur Hubert RAKOTOARIVONY
in Gazety “AINA” Avrily 93


Lire aussi

26/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Tsenao @ fihaviany ny Tompo Izay mitondra fanafahana

Alahady 26 novambra 2023, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », ary koa hitondrana am-bavaka eo anivon’ny FJKM ny Komitim-pirenena Miady @ SIDA sy ny Valan’aretina (KPMSV). Ny Katekista Délégué Randrianiana Roland avy amin’ny FJKM Antenimbe (fiangonana miara-mandroso) no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Isaia 40 : 9-11 : « Ny vaovao mahafaly

19/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . SAMPATI . Toriteny

Alahadin’ny SAMPATI : Mitandrena, miambena ka mivavaha

Alahady 19 novambra 2023, alahadin’ny SAMPATI mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo«  Ny hafatr’Andriamanitra araka ny Marka13 : 24- 37 no notoriana :  » 24Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany,dia ho tonga maizina ny masoandroary tsy hanome ny fahazavany ny volana,25hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintanaary hohozongozonina ireo hery

12/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AMA 2023

Alahady 12 novambra 2023, nitondrana am-bavaka ny Fitantanana ny fanànana eo anivon’ny Foibe FJKM, sady nitondrana am-bavaka ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA), sy nitondrana am-bavaka ny firenena. Ny lohahevitra amin’ity volana novambra ity dia ny hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo » . Ny mpitandrina miza-draharaha Andrimaifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 2

05/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy

Alahady 05 novambra 2023, andinihina lohahevitra vaovao @ity volana novmabra ity manao hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », alahady fanateram-bokatry ny Vondrona Fototra Laika (VFLA), ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 24 : 29-31 « 29Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana

29/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Toriteny an-kira MIASAFIA : hira fifohazana redonina @ orgue

Alahady 29 oktobra 2023, nandinihina farany ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana », nanatanterahin’ny antoko mpihira MIASAFIA toriteny an-kira t@ alàlan’ny hira fifohazana redonina @ orgue. Manàsa anao hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :

22/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Fifohazana . Toriteny

Ny tokantrano anjakan’i Kristy

Alahady 22 Oktobra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana », itondrana am-bavaka ny sampana Fifohaza manerana an’i Madagasikara. Ny mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Kolosiana 3 : 18-21 « 18Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. 19Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. 20Ianareo

15/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina taranaka ao @ Tompo

Alahad 15 Oktobra 2023, mbola andinihinia ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @ Tompo ny fianakaviana », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Miora Andriamifidy Mendrikaja ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 : «  39ARY rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.40Ary ny Zaza dia nitombo

08/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena

Alahady 08 oktobra, nitondrana am-bavaka ny Masera MAMRE, mbol aibanjinana ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 Ny niverenan’i Jesosy tany Nazareta sy ny fahatanorany « 39Rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalànan’ny Tompo dia niverina tany Galilia izy ireo,

01/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoreno ao amin’ny Tompo ny tokantrano

Alahady 01 oktobra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ ity volana ity « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana« , nanatanterahin’ny SAMPATI ny fanateram-bokatra ihany koa. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Genesisy 2 : 18-25 « 18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19Ary tany

24/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mitoria teny @ firenena rehetra

Alahady 24 septambra 2023, alahadin’ny Fikarohana sy fandalinam-pinoana manerana ny FJKM; nentina ihany koa nanomezana vatsy ny mpitandrina Randriambinintsoa Onja niza-draharaha teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Mamarana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » isika, ka ny mpitandrina miza-draharaha Vola Soa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24:44-49 « 44Dia hoy Izy