Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare
Ny mpitandrina mpiza-draharaha eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, Rabenarivelo Heritahiana no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’ny alahady 17 jolay 2011, izay alahady natokana ho an’ny VFL ihany koa.
Notoriana tamin’izany ny andinin-tsoratra masina : Isaia 59 : 1 – 8 : » Indro, ny tànan’i Jehovah tsy fohy, fa mahavonjy, ary ny sofiny tsy lalodalovana, fa mahare; 2 Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy. »