FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ilay mpamboatra olona

Ilay mpamboatra olona

Publié le 11 novembre 2008 à 12:11

Ny vain-dohan-javatra ilaina sy tadiavina indrindra amin’izao andro izao dia olona. Mitady olona izao tontolo izao. Na aiza na aiza, ary na zovy na zovy dia samy miezaka hahita olona. Ny raharaha samihafa itadiavana olona ; ny mpampiasa mikaroka olona ; ny mpanakarama mikatsaka olona ; ny tompon-draharaha mizaha olona ombieny ombieny.

Tsy ny olona manana tongotra aman-tànana ihany, na ny misy lohany tokana sy maso roa monja, na ny miramarama amin’ny fomba amam-pahaizana fotsiny anefa no ilaina. Eny, tsy olona mitsangam-pe olona fotsiny izao no tadiavina, fa ny tena olombelona mihitsy.

Noho izany ny ray aman-dreny dia maniry ny zanany ho tena olona, ny zanaka mitady ny ray aman-dreniny ho tena olona ; ny mpampianatra miezaka hahatonga ny mpianany ho tena olona. Na mpanakarama na mpiasa, na tompoina na mpanompo, na andrianina na mpanandriana, dia samy manao izay hahitana io tena olona io avokoa.

Ny antsoina hoe tena olona amin’izany dia ny manana toetra ambony sy mendrika, manam-panahy mihaja sy maha-te-hanaja, manam-pomba tsara sady mahasoa, manan-toe-piainana kanto sady maha-te-hanaraka.

Tsy olona mandeha singana amin’ny toetra, ka hoe marina amin’itsy, marina amin’iroa ihany, fa fenomanana amin’ny toetra fatratra sady mahomby.

Olona toy izany voalaza izany no ilaina amin’ny raharaha rehetra, sy kendrena amin’ny Fivavahana Kristianina, ary irina sy itadiavana amin’izao andro izao.

Hita anefa fa mbola misy tsy mahafa-po ; ao koa ny mananonanona be ihany. Mahalana no ahitana olona tonga lafatra araka izay re atsy sy ary, na amin’izay hita hatraiza hatraiza. Ary na dia samy miondrika mijery ny tenantsika aza isika dia hahita ny tsi-fahampiana sy ny fahabangana anaty, ary hahafantatra ny tsy mahatomombana antsika ao amin’ny maha tena olona.

Iza ary no mahay mameno ny banga amin’ireny?

Zovy no mahay manentina ny madilana amin’izany? Iza no mahay manohy ny tapaka amin’ny toy izany? Iza no mahay manamboatra ny simba amin’ny tahaka izany, mba hahatonga antsika ho tena olona ?

Raha mieritreritra izany fanontaniana izany aho, ka manantena valiny mahafa po dia tonga ao an-tsaiko ny teny anankiray nataon’i Jesosy Tompo hoe :

« Andeha hanaraka Ahy fa ataoko — olona hianareo » (Mat. 4:10).

Amin’izany teny izany dia manao antso avo Jesosy ; mitory ampahibemaso Izy ; milaza miharihary Kristy, fa ny adidiny, ny andraikiny, ny tena raharahany dia ny manamboatra olona. Jesosy ny Ilay Mpamboatra olona, araka ny voalaza eo amin’ny lohateny.

Tsy misy afa-tsy Izy ihany no mahay manamboatra ny olombelona ho tena olona. Ny olona sasany dia manefitefy, manaonao, na amin’ny resaka, na amin’ny fampianarana, na amin’ny toro-hevitra, fa ny tena manamboatra olona ho amin’izay tena maha-izy azy tokoa dia Jesosy irery.

Mahafinaritra anefa ny hilaza fa alohan’ny niantombohan’i Jesosy tamin’izany raharaha lehibe izany dia efa nanamboatra ny tenany Izy aloha. Raha ny maha-olombelona an’i Jesosy no dinihina, dia miseho mazava fa nanamboatra toetra hanam-piraisana bebe kokoa tamin’Andriamanitra Izy.

Noho izany dia hita tao amin’i Jesosy ny toetran’Andriamanitra. Hoatra ny takona aza ny maha-olombelona an’i Jesosy indraindray. Izany mantsy no tazan’i Tomasy ka nanaovany hoe :

« Tompoko sy Andriamanitro! » (Jao. 20:28)

Zanak’olona no anarana iantsoana an’i Jesosy indraindray ao amin’ny Filazantsara.

Noho izany dia manam-pihavanana amin’ny olombelona rehetra Izy. Azo lazaina fa havana akaiky Jesosy, mpanampy mahafatra-po ary sakaiza azo antoka. Ny fomba ambony indrindra nanamboaran’i Jesosy ny tenany ho amin’izany toetra izany dia ny fetezany hanoa an’Andriamanitra.

Izany no izy, kanefa nisy fomba tsotra koa izay nanamboaran’i Jesosy ny toe-piainany hahatonga Azy ho tena Mpanamboatra olona. Raha misy maniry ny tenany, ny zanany, ny havany, ny namany, ny mpiray trano, ny mpiara-monina, ny mpiray tanindrazana, ny mpiray firenena aminy ho tena olona, ary na dia ny fahavalo aza, dia ny mianatra ny fomban’i Jesosy no tsara. Modely tonga ohatra ny Azy.

Nisy fomba telo narahin’i Jesosy tamin’ny nanamboarany ny toe-piainany izay azo zohina ao amin’ny Filazantsara. Izany fomba telo samihafa izany dia samy ialohavan’ny teny mitovy hoe : « Araka ny fanaony… »

Ny voalohany indrindra tamin’ireny dia voalaza fa

« araka ny fanaony dia niditra tao amin’ny synagoga… Izy ka nitsangana hamaky teny » (Lio. 4:16)

Ny famakiana ny Soratra Masina no nanankery tamin’ny fanamboaran’i Jesosy ny fiaimpiainany nandritra ny telo-polo taona niomanany. Ny Soratra Masina no nodinihiny sy nivelomany. Ny fanaovana an’izany no noheveriny ho sakafom-panahy hanatanjaka sy hamelona ny fiaimpiainany.

Koa raha Jesosy aza nanao izany mba hahavitany ny adidiny, mainka fa raha misy maniry ho tena olona tokoa, dia tsy maintsy mianatra an’i Kristy, ka hanaraka izany fomba izany koa.

Ny zavatra faharoa nanamboaran’i Jesosy ny toetrany koa dia hita amin’ny tohin’ny hoe :

« Araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianany koa nanaraka Azy » (Lio. 22:39)

Ny anton-diany tamin’izany dia ny hivavaka. Fomba anankiray makadiry nanamboaran’i Jesosy ny fiaimpiainany izany. Raha ny Soratra Masina no sakafom-panahiny, dia azo lazaina fa ny vavaka kosa no toy ny rivotra niainany. Ny vavaka no nampiray Azy tamin’Andriamanitra ; izay no nanatonany ny Rainy isan-andro na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra.

Misy mitady ny hahatonga azy ho olona va? Aza hamaivanina ny manaraka ny dian-tongotr’i Jesosy tamin’ny vavaka.

Ny fomba fahatelo nanamboaran’i Jesosy ny fiaimpiainany koa dia miseho amin’ny teny hoe :

« Araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy » (Mar. 10:1)

Fanompoana sy fanasoavana ny hafa izany. Tamin’ny asa tsara nataon’i Jesosy, tamin’ny resaka mamy navoaky ny vavany dia tsy nalefalefany foana, fa nisy fampianarana ny amin’Andriamanitra. Tsy afa-po velively Jesosy raha tsy nikasika ny amin’ny Filazantsaran’Andriamanitra izay rehetra nataony. Toy izany no nanompoany sy nampianarany ary nanasoavany ny hafa. I

ndreo ary ny filamatra tsotra avy amin’i Jesosy. Raha te-ho olona isika dia tsy maintsy mianatra an’i Jesosy. Rehefa izany dia manaiky hamboariny araka ny teniny hoe : « Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko… olona hianareo. »

Rabevazaha


Lire aussi

23/01/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary hianareo, ry taranak’i Jakoba, dia tsy fongana

Alahady 23 Janoary 2022, hitondrana ambavaka ny FFKM mandritra ity herinandro ity. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Malakia 3: 6 «  Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary hianareo, ry taranak’i Jakoba, dia tsy fongana  » Andeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany

09/01/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . MIASAFIA

Toriteny an-kira Miasafia – Alahady 09 Janoary 2022

Alahady 09 Janoary, famaranana ny fankalazana ny faha-5 taona ny antoko mpihira MIASAFIA, nanatanterahan’izy ireo toriteny an-kira. Andeha hiombona amin’izany fotoam-pivavahana izany :

02/01/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana

Maharitra tsy miova ny Tompo – Alahady 02 Janoary 2022

Alahady 02 Janoary 2022, alahadin’ny taom-baovao. Mifalia ry sakaiza fa nahazo taom-baovao; Zanahary no mitaiza ka hisaory sy hajao. Manasa anao hanaraka ny fanompoam-pivavahana :

31/12/2021 A la une . Antso sy filazana

Fandaharana Alahady 02 Janoary 2022

Manasa antsika sahady hiomana ho amin’ny fanompoam-pivavahana alahady voalohany amin’ny taona 2022. Toy izao ny fandaharana hiombonantsika amin’izany :

25/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana

Krismasy fifaliana 2021 : Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio

« Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra fa indro milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra, fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo », Lioka 2 : 10-11 Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra amin’ity krismasy 2021 ity. Andeha hiombona amin’izany

23/12/2021 Antso sy filazana

Fandaharana Krismasy 2021

« Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra ; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra ; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.» Lioka 2 : 10 – 11 Indro ny fandaharana ny Sabotsy 25 Desambra 2021 amin’ny

19/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana

Mifalia amin’ny fanantenana

Alahady 19 desambra 2021, fanompoam-pivavahana teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo nanokanana ireo katekomena andriany « Fanantenana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Romana 12;12a : « Mifalia amin’ny fanantenana »

14/12/2021 Antso sy filazana

Fandaharana Alahady 19 desambra 2021

Toy izao no fandaharana ho amin’ny fandraisana ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo andiany « Fanantenana » ny alahady 19 desambra 2021 manomboka amin’ny 9 ora maraina :

12/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiainam-pianakaviana mahafaly an’Andriamanitra

Alahady 12 desambra 2021, natokana ho an’ny Sekoly Alahady mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo« . Ny hafatra avy ao amin’ny Ohabolana 23 : 12-18 no notoriana « 12Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.13Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo

06/12/2021 A la une . Antso sy filazana

Daty tsara ho fantatra : Desambra 2021

Toy izao ny tetiandro eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ho amin’ity volana desambra 2021 ity : « Miorena tsara aza miova » 18 desambra 2021 : Fanadiovana Faobe : SOKAJY MINO – STA – SAMPATI – TMT – DORKASY 12 desambra 2021 : fizaran-doka Sekoly Alahady 19 desambra 2021 : fandraisana Katekomena « Fanantenana » 20 hatramin’ny 24 desambra 2021